Fa maninona.......
1. Fiffi
(
10/04/2007 07:36)
Lasalasa hiany ny heritreritro hoe "fa maninona rehefa fotoanan'ny Paska de tsy maintsy be foana ny lozam-piarakodia" ?
Roa no maty, 69 ny olona naratra...
Olona roa no namoy ny ainy ary 69 no naratra nandritra iny fetin'ny Paska iny, raha ny vaovao voaray teo anivon'ny zandarimariam-pirenena sy ny tao amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha (nanomboka ny asabotsy ka hatramin'ny omaly hariva). Lehilahy iray (teratany vahiny), mpitaingina moto nandeha tamin'iny tamin'iny lalam-pirenena voalohany iny ny iray tamin'ireo namoy ny ainy. Tao Brickaville no niseho ny loza. Araka ny vaovao azo dia nianjera teny ambony moto izy io. Mafy dia mafy ny fisehoan'ny loza, ary voalaza fa maty teo no ho eo ity vahiny ity.
Ankizivavy kely enin-taona eo kosa ny faharoa, izay maty nodonin'ny fiara, tao Mahasolo, amin'iny faritr'i Tsiaroanomandidy iny. Voalaza fa vokatry ny fandehan'ilay mpamily fiara mafy tao an-tanà na no nahatonga ny loza.
Nihena
Na ny teo anivon'ny zandarimariam-pirenena na ny teo amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha, dia samy nanamarika avokoa fa nihena tsy toy ny tamin'ny taon-dasa tamin'ity ny lozam-pifamoivoizana niseho. Raha tarafina amin'ny isan'ireo namoy ny ainy izany dia nihena be dia be satria tamin'iny taon-dasa iny, teo anivon'ny zandarimariam-pirenena ihany, dia nahatratra sivy ny isan'ireo olona namoy ny ainy vokatr'izay lozam-pifamoivoizana izay.
"Ankoatra ny asa sy ny ezaka nataon'ny zandarimariam-pirenana amin'ny fandaminana, indrindra ny fanaraha-maso akaiky ny fifamoivoizana dia noho ny fihenan'ireo mpitsangatsangana nivoaka ny renivohitra no antony iray lehibe tena nahatonga izay fihenan'ny lozam-pifamoivoizana izay", hoy ny manamboninahitra iray eo anivon'ny zandarimarim-pirenena. Nosoritany mantsy fa tsy nisy firy intsony ilay fitohanam-ben'ny fiara tamin'ireo lalam-pirenena rehetra mivoaka ny renivohitra izay maharitra ora maro matetika, rehefa hariva ny andro. Ny tamin'ny lalam-pirenena voalohany iny (satria nisy ny fety
tany Ampefy) sy ny avy tamin'iny lalam-baovao
amin'iny By-pass iny, miditra eo Ankadindratombo mihazo an'i Mandroseza, no somary nisy fitohanana kely. Nefa na izany aza, tsy naharitra.
Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar

novalian'i Fiffi ny 20/04/2007 19:10
2. Vahinala
(
10/04/2007 08:16)
Tsy hoe rehefa paska ihany fa matetika raha vao andro fety d betsaka ny loza mitranga, ny antony d fety ny andro somary mandrairay alikaola daholo ny ankamaroany olona nefa sady mitondra fiara.
3. Fiffi
(
10/04/2007 09:21)
ka ny maha-zatra heno sy hita de hoe "paques la plus meurtrière" hatrany....
4. bilakarenjy
(
10/04/2007 21:21)
izay anie le hoe : manala azy de mimeme ,de mivoboka de mandende ,da fety be ,da fety be .hhhhihihiiiihihihiii
5. paris10
(
12/04/2007 20:51)
satria manala azy ny olona dia tsy mieritreritra ny ho avy!soavaly tapa-kofehy ry fiffi a!