Mpivady tsy mihaona

1. Vahinala ( 09/04/2007 18:07)
Raha misy aminareo mba mitovy cas amiko d mba tiako ho fantatra ra mety hoe ahoana no fomba fiainanareo azy. Tsy izany mantsy fa efa ho tapitra tsy ho ela ny congé d maternité ako satria efa nihoatra be aza d hiverina hiasa ndray, za anefa rehefa miasa miala ao antrano am 8 maraina ary tsy mody raha tsy am 7hariva, zao zanako mbola kely zao mahazo 2h30 isan'andro aho ny atoandro mandeha mampinono au lieu de 1h de pause saingy tsy tratrako ny mody na izany aza satria mifanalavitra be ny toerampiasako sy ny tranonay ka ilay mpanampinay no hitondra azy any amiko am atoandro. Ilay vadiko ndray anefa am 12 izy miala ao antrano ary tsy tafody ndray ra tsy am 2h 2h30 maraina any, ka eto aho izany dia tena lasa saina hoe ra izany no izy d zara raha hiaona izahay sisa ny andavanandro afatsy ny wk ihany zany. Talohan'ny niterahako tsy d nisy olana loatra satria tamzany izy am 8alina no tonga, zao anefa somary lasa nitombo ny asa hiandraiketany d niova koa ny horaire efa nandritra ny 2volana zay no rythme ny.
Ka ra mba misy aminareo mitovy amiko mba tantarao hoe ry reto hoe ahoana ny fi gérer na anzany, sao sanatria mampiova ny fifankatiavana ve sa ahoana ?
répondu par ratonga le 11/04/2007 14:08
2. paris10 ( 09/04/2007 18:54)
miasa tena ve ianareo mivady?aiza ianareo no mipetraka aty dago sa any andafy?
3. Vahinala ( 09/04/2007 20:24)
Tsy miasa tena izahay ka, faniriana mihitsy izany saingy mbola misy fotoana ny zavadrehetra, mila miandry kely aloha. Samy manana ny orin'asa misy anay izahay ary eto Tanà no mipetraka.
4. salmo1 ( 09/04/2007 21:36)
Vahinala: Hovako kely ny resaka ra mitovy de zay zany.

Na de lavitra be aza i Malala hande hiasa, na misy zavatra hataony any @ firenena anakiray. Isakiny afaka 1 hora na izay hatsaroanareo azy, tsy maintsy:

Ianao: -Allo! cherie. ça va?

Izy: -Allo! mon amour, Rampitso izaho no miverina, de mba tsenao any @ Aereport leisy e.

Ny dialoginy mpifakatia hafa ihany, ary mahatoky @ halavany hora @ fiasany Malalanareo...

Fa ny fitiavana fianakaviana tsy misy hifandraisany @ Asa izay hazahoanareo vola hivelomana...
5. Vahinala ( 09/04/2007 22:12)
salmo > Ny resaka fone anie aloha mazava hoazy tsy maintsy mandeha eny ihany e, fa le ambiansy ao antrano mintsy, zara ra mihaona zany na ny fiarahana am zazakely aza. Fa eny e, ny fitadiavana ko moa mahazaka maniraka e !

ps : mba matotra tsara ery salmo tamty d mahafinaritra be !:wink:
6. sakaizakely ( 10/04/2007 08:06)
Vahinala>

Mahavaky fo mitsy akia io miverina miasa io a ! Nena zany de tena ranomaso t@ zanako voalohany, dimy volana izy t@zay. Sady izay adiny 1 fotsiny ny dérogation t@ mampinono fa azoko natambatra ilay izy dia afaka nody aloha 1 ora mialoha aho.

Fa ny tena pb ndry izany dia ianareo mivady manao horaires décalés. Izay ary akia no fitadiavana ka atao ahoana fa dia miandry week-end vao manararaotra indray. Tsy mampiova fitiavana akia io fa vao maika aza manamafy azy a ! Am\'zay tsy andry ery ilay hifankahitana indray. Am\" sabotsy indray akia malala a :*:*:* Hoatra ireny mpifankatia hisaraka ela ireny, toa hahafinaritra be aza ;-)

Le mihaona isanandro koa ange tsy hoe ho manja foana ny fihaonana, ndrai² reraka na sorenan\'ny asa dia tsy dia disponible tsara am\'lay vady fa rehefa week-end vao mba afabizana dia eo vao malalaka tsara ny :* :* :* :* :* :* :* :*

Raiso fotsiny ny avantages hoe ny maraina tontolo izany ilay zanakareo mahita ny dadany

Mahereza akia a :-*:-*
7. Vahinala ( 10/04/2007 08:12)
sakaizakely > Merci aky an, tena mba lasa saina mintsy aky za io a, le zanako moa d efa tsy lazaina intsony fa efa malahelo be azy sahady za nefa ny asa koa ts maintsy atao f sarotra ny fiainana ko, zany hoe mba courage fotsiny za mieritreritra hoe mahita azy ny atoandro d zay no anamboarako saina, mbola hitako eo aza na hanao toa andry za hoe aleoko manao journée continue d miala aloha amzay tonga alo any antrano. Ny vady ndray moa d atao ahoana fa ny wk no atao izay hampilay azy tsara be foana zany ! merci njy:-*:-*:-*:-*:-*
8. bozyboleta ( 10/04/2007 13:55)
Refa mifankatia ny mpivady de zay ihany no zava-dehibe na fohy aza ny ifankahitana.
Kou tsy aleoko mieritreritra azy any am-piasana @ alina de mitondra vola mody toy zay otran'ny sasany manao lundi, mardi, mercredi, jeudi joli sy vendredi magnifique de sady mody alina fôna no mandany vola!! Ndry @ zany sady mivonto fo fotsiny eo!!
Raha fitadiavana no antony tsy ifankahitana tsy olana mitsy e! Milay be aza refa le mba mihaona iny...

9. paris10 ( 10/04/2007 19:54)
sahirana mafy ianao ry vahinala!aza asiana bleme aloha fa vao mia ataovy bdbd ny fitiavana refa mifankahita, asio fiovana fona e!mitadiava anaty internet fa bdb ao.
10. ratonga ( 11/04/2007 14:08)
ouhh!!! tena enjana bé zany ritma-nareo zany, mazoto é! refa w e zany dé efa ataovy fety fôna é!:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0321