FIFIDIANANA \"ENY\" sy \"TSIA\"

1. naritsimba ( 05/04/2007 06:52)
Miarahaba antsika namana rehetra!
Niarahantsika niaina sy nahita ny fizotry ny fifidianana omaly 4 Avril 2007.

Raha ny tsapa @ ankapobeny dia tsy ankasitrahan\'ny mpifidy malagasy io fanovana lalam-panorenana io, raha ny voka-pifidianana efa heno dia tsy mifankaiza ny ENY sy ny TSIA, asa anefa izay havoakan\'ny ampitso fa raha ny fahita mahazatra hatramin\'izay toa tsy hahagaga intsony raha toa ka hahatratra 60% na mihoatra aza ny vato azon\'ny ENY noho ny fahaizana izay efa iaraha-mahalala fa ananan\'ny mpitondra sy mpikarakara fifidianana DIPLOME ambony ny fangalarana sy fampitomboana ny isam-bato azo, ho fanomezana fahafam-po ny mpitondra fanjakana.
novalian'i fafabe ny 01/05/2007 16:32
2. hendrikely ( 05/04/2007 07:08)
ny TSY mety ho lany eo :lol::lol:
3. Fiffi ( 05/04/2007 07:08)
ny fahitako azy kosa aloha de bdb hiany ny zavatra tsy nazava....tsy nazava tam olona....de tsy de nahagaga kosa raha bdb ny abstention....tsy nomena opportunité loatra ny olona tam fanazavana ny fandehan-javatra....io kosa de tena marina !
4. jentilisa ( 05/04/2007 08:15)
Ny olona ary tsy nanaraka fanisam-bato koa...
5. Imahaka ( 05/04/2007 08:26)
tokony nandeha nifidy "Tsia" ny kil raha toa ka tsy nankasitraka ilay volavola.
Amiko ny mahatonga ny olona tsy mifidy dia ilay hoe: "shhh mitovy foana io na inona eo na inona", na ka eny na tsia mitovy ihany
6. wooda ( 05/04/2007 09:22)
Ny fahitako azy aloha taty @nay de maro ireo nanao TSIA fa tsy de @le lalampanorenana no tena votoatiny fa fampisehoana ny efa mankaleo ilay fiainana!

Toa maikamaika be loatra ry zareo ny hanohizana ilay fifidianana nefa vao haingana no nandalo ireo cyclone maromaro nifanesy, ny vidin-javatra niakatra ohatran'inona, normale izy koa sorena ny ankamaron'olona sady maro koa ireo tsy nifidy aloha eh!

mbola tsia aloha izao no ambony!
7. naritsimba ( 05/04/2007 10:32)
Ny tsapako manokana dia : TSY NITONDRA FIOVANA TEO @ FARI-PIAINAN\'NY OLONA NY ZAVA-BITAN\'NY FITONDRANA ANKEHITRINY KANEFA DIA LAZAINA FA MANDROSO NY RAHARAHAM-PIRENENA.
NOANA NY OLONA ARY NY MAHANTRA DIA MIHA MAHANTRA ISAN-ANDRO ARY NY MANANA DIA MIHA MANANKARENA ISAN-ANDRO.
Ny lainga ataon\'ny mpitondra mitombo nefa tsy mba voasazy na dia hita fa mangalatra izao aza izy ireo.

TSY ATOKISAN\'NY OLONA INTSONY NY MPITONDRA FA LASA MANAO DIDY JADONA.
8. pimaso ( 05/04/2007 11:37)
Maika hanao mariazin'i lahyevo ny pdt @ Asabotsy izao, dia natao kopi-soroka fotsiny le fifidianana,
raha mba natao alahady aorian'ny paska izy iny, mba nahatratra 50% ny taux de participation,
indrisy fa na ho lany tsy fidiny eo aza ny eny, hisy ny crise politique satria ny 20% ny élécteur potentiel fotsiny no nifidy,
misy tsy milamina izany ao anatiny ao,
ambava homana ampo mieritreritra, fa dia :
meilleur voeux izany hoan'i "josoa kely sy claudia kely"
dia aorian'ny fety ho hitantsika eo ny tohiny
9. oldine ( 05/04/2007 11:41)
ny mahagaga ahy dia izao:maro be ireo avara-pi ianjadian'ny fahantrana hatrany amin'ny tampon-dohany nefa tsy hita izay hafitsony fa nihafy be marenina fotsiny izao.
Izaho tsy miteny hoe tonga dia hanongam-panjakana fa kosa tokony hivondrona ny olona ianjadian'ny tsy mety. Tokony hifanantona dia manangana fikambanana dia manambara ny heviny ampahabemaso. Manao fitsikerana mamokatra fa tsy faly mimenomenona sy midongy fotsiny.
Tany masina anie io tanintsika io e. Tsy azo hanaovana vinany. Izay manao ny ratsy dia hifoteran'ny tsy mety fa izay miezaka hanavotra ny firenena dia eo ny razana hitahy azy. Andriamanitra sy ny razana tsy manary mihitsy e. Saingy isika no matory manana aretina.
Ny tsy fanatrehana fifidianana izao ohatra dia tahaka ny toe-jaza midongy fotsiny izay tsy mamokatra tsy ahitana vokany.Lasa resaka manidina fotsiny.
10. zazah36 ( 05/04/2007 13:15)
zao alou e! na ahoana na ahoana ; mandresy foana ny eny! ka tsy tokony iadiankevitra b zany fa mandany jiro fotsiny eo
11. zazah36 ( 05/04/2007 13:16)
zao alou e! na ahoana na ahoana ; mandresy foana ny eny! ka tsy tokony iadiankevitra b zany fa mandany jiro fotsiny eo
12. piste ( 05/04/2007 15:01)
Bon tsy ferana aloha ny fisian'ny fanatika eto é.
Fa ny indro kely fotsiny dia: izy ireny sady mandatsa ny tenany izay misafidy ny ho bado ka manapina ny masony tsy hijery sy handinika ny zava-misy manahirana ny olona; no sady mandatsa ny sarambabem-bahoaka izay miaina ao anaty fahantrana lalina.
13. fijo ( 05/04/2007 20:18)
na dia mandresy an'isa aza ny ENY dia resy arapolitika.izay no zavadehibe azo tsoahana tamin'iny
14. HectorBlood ( 06/04/2007 07:07)
Ekenareo ve ity volavolan-dalàna ity hanomezana tombotsoa ny mpitondra sy hampanjaka ny Jadona izay ataon'ny filoha??
15. fijo ( 06/04/2007 20:36)
eny tsy ekena io.
16. Lalah ( 07/04/2007 02:55)
ngah misy fika intsony zany e! efa lany ny eny
17. naritsimba ( 10/04/2007 11:11)
Aleo ataony @ izay tiany anaovana azy e, amiko misy farany ny zavatra rehetra, sady mbola malalaka anie ny any ivelany rehefa tsy eo @ fitondrana intsony izy e, izaho dia manaiky mihitsy hoe: Aleo rehefa tsy nahay niaina fa nampijaly vahoaka mba hijaly rehefa tsy eo @ fitondrana, tahaka an'i Radidy koa no anaovana an'dra8 rehefa tsy prezida tsony izy.
Tsy tsapanareo ange rizareo ny fijaliana iainan'ny vahoaka madinika e.
Ny vary namidin'ny TIKO 3500 fmg ny Kg amidy 7500 fmg ny kg @ zao, izany no atao hoe Ravalomanana aminy.
18. zazah36 ( 10/04/2007 12:17)
tsy misy resaka hoe tiana na tsy tiana fa heveriko fa lojika ihany ny fandresen'ny eny t@ fifidianana teo satria vao maika koa ho atambo raha ny tsia no lany satria afaka miala bala izy satria tsy ny programany no natao. Ny fahalanian'ny tsia anefa tsy midika hoe miala eo @ toerany izy , ka nohozany miaritra eo ndray aloha mandritra ny dimy taona , koa dia aleo izy amita ny programany zay vao tsaraina ndray! sa ahoana?
19. fafabe ( 01/05/2007 16:32)
zazah36:

zao alou e! na ahoana na ahoana ; mandresy foana ny eny! ka tsy tokony iadiankevitra b zany fa mandany jiro fotsiny eo


Izao no lazaiko tsara aminareo fa izahay izao angamba no tena mandaly izany "Eny" izany nefa tsy misy vokany ny tolona natao satria ny "Ben'ny Tanana"-nay dia nahiditra amponja noho izy nampan-dany 85%n'ny Eny tao @ Distrikan'ny Marovoay satria izy TIM. Tsy hitan'ny mpitondra izany Tolona izany noho ireo voafitak'ireo tsy mivaditrovana mpanohatra mahazo avara-patana @ mpitondra ao ambony ao e!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.049