Tsy haiko politika sa fivavahana!!

1. ainaheri ( 04/04/2007 17:59)
D gaga iany aho fa natao alarobia ny ref fa tsy natao alahady otran'ny fifidianana mahazatra!!
noho inona ny antony"avy @ fanapahankevitry ny FFKM hono fa ny alahady atao fivavahana"
D nanontany tena aho oe;1- isankerin'andro anga ilay fifidianana?
2-Fa fahafiry @ masina eran'ny zao tontolo izao i gasikara no nanova ny andro alahady tsy azo ifidianana??
Mba fantatr'ireo mpitondra mo fa maty antoka ohatr'inona ny fanjakana nampijanona ny mpiasa nandritra iny andro iray iny!!
Tokony mba andinika iany fa efa ela zany nitondran'ny fiangonana etat zany (t@ 1800) ka tsy tokony averina intsony!!
En + angamba ataon'ireo firenena matanjaka ireo fihomezana oe efa mahantra mbola misary gaiginy iany!!
novalian'i fijo ny 06/04/2007 20:39
2. Fiffi ( 04/04/2007 18:03)
ka @ Alahady kosa Paque koh ! sa hoe naninona moh ? hoe avelao ny olona andeha hivavaka ? :roll:
3. ainga ( 04/04/2007 18:19)
Sao dia misy mihevitra kosa àry ry Fiffi fa andro paska daholo ny andro alahady !:P.

Izaho rizareo dia variana @ ity fidiran'ny fivavahana @ fitondrampanjaka ity ka !
4. Rainimaharavo ( 04/04/2007 19:19)
Io fifidianana andro alahady io dia nolovantsika tamin'ny Frantsay. Tsy mbola nisy fifidianana andavanandro any Frantsa hatramin'izao.Na alahady na alakamisy ny lalana malagasy tsy manery ny tsirairay ifidy fa andraikitry ny tsirairay io.
5. Rainimaharavo ( 04/04/2007 19:26)
Miverina kely indray aho fa nisy adinoko : io andro fifidianana tsy iasana io dia fihetsiketsehan'ny mpitondra mba hamalifaliana ny vahoaka fa tsy misy dikany mihitsy; marina mihitsy fa very vola sy andro ny orinasa amin'io férié...férié io nefa handraisam-bola. Ny tokony ho nataony dia miasa ihany ny mpiasa fa kosa omena fotoana adiny iray na adiny roa handehanana handatsa-bato. Nefa moa aty amintsika ny filaharana no mandany andro fa tsy ny fandatsaham-bato mihitsy akory.Ny fehiny izany dia tokony hasiana fiheverana lalina dia lalina io andro sy fotoana handatsaham-bato io. Na férié aza ny andro androany, handraisam-bola,dia mino aho fa ny nandeha niantsena sy ny niala sasatra no betsaka noho ny nandeha nandatsa-bato handany andro any, indrindra moa fa ny toetr'andro tsy azo anoharana.
6. fijo ( 04/04/2007 21:06)
sady io anie na natao alahady aza ,afaka miangona aloha de mandatsabato avy eo ary mirevy apres e.tsy itako mihintsy izay olana
7. bazylou ( 04/04/2007 22:16)
reveo fa ianareo no nifidy azy e:lol::lol::lol:
8. HectorBlood ( 05/04/2007 06:11)
ita lesy bazylou
9. ainaheri ( 05/04/2007 07:30)
Rainimaharavo>>Ny zao tontolo zao mifidy alahady zany d zanatany frantsay daholo???Na ny silamo aza??
Ny amerikanina ko??
Tsy mieritreritra ilay prezida fa ngah tsy fantany ny fatiantoka eo @ fitondrany nanajanonany 1 andro ny asa retraretra ny firenena mandroso aza vonona ny lundi d pantecote iasana zay ahazoany tombony eo @ centaine d million d'euros ny anao ndray ka ny andro fiasana atao fifidiana!!Fa d mba iza lotra re no minisitra ny ekonomia ao no tsy ahalala an'zany sa d l didy jadona no miasa!!
10. jentilisa ( 05/04/2007 08:39)
Fa ny an'ny silamo dia andro fiasana ny alahady! tadidio tsara izay! ary jereo tsara fa tsy izao tontolo izao no mifidy alahady. Misy koa ny mifidy andro hafa ka!
11. pimaso ( 05/04/2007 12:33)
ny baolina izao any @ spectateurs 80% ...
"nomena saina handinika isika rehetra ka raha hitanao fa mahasoa anao le 12% kely nanao OUI dia izay izany, 80% no nantenainao tompoko ka dia babeo ny andraikitra, fa hitondra vahoaka tsy mankatoa anao à 80 % izany ianao dia ; mahatantesa ny valiny @ fifidianana maire, fa vao TIM ny eo, dia négatif...
le jour "J"
12. rakaroka ( 05/04/2007 12:49)
fijo:

sady io anie na natao alahady aza ,afaka miangona aloha de mandatsabato avy eo ary mirevy apres e.tsy itako mihintsy izay olana


Marina mihitsy izany=D, tsy hitako ny olana!
Eo no olana @ ity fombafombam-pivavahana "abahana beee loatra ity e" ohatran'ny misy tampi-mason-tsoavaly ny mpivavaka toa izany tsy mahita raha tsy "vision" ety dia ety, sady izay tsy mba "image"n'olona coopérant izany fa toa miolonolona be izany: avahana daholo ny "safiotra e" ny any ivelany e(anefa agné dia élite izany manana ny maha-izy azy "considérable"..., ny mpiara-miasa moa dé ny ao am-povoan-tany no mba hay iarahana...fitondrana inn sy firenena inn aza ity klé?...fivavahana inn koa no atao zary mampitsoaka sy mampatahotra toy izao?....
13. ainga ( 05/04/2007 15:51)
Ka inona no olana na nolovaina ta@ frantsay na tsia ny fandatsahambato @ andro alahady e ? Inona indray ity à priori ity e ? Koa tsy ariana sy avarina an-kady daholo izay mety maimbomaimbo frantsay!
1°) Ka tsara ary ve izao nanaovana ny alarobia 04 avril ho férié izao NEFA NY MARO TSY NIFIDY ?
2°) Nanankana ny mpivavaka ho any ampiangonana ve ny fifidianana natao andro alahady hatramin'izay ?


:P:P:P:P:P:P:P:P:P:evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil:

14. fijo ( 05/04/2007 20:28)
mbola vokadratsiny fivavahana daholo izao ry havana isany
15. Rainimaharavo ( 05/04/2007 22:26)
Ho an'i : AINAHERI :

ny silamo tsy mihevitra ny alahady ho andro ivavahana fa zoma ny azy...tsy fantatro raha efa nahita ianao hoe manao ahoana ny ataon-dreo rehefa zoma ary ny sabotsy hoan'ny finoana hafa koa dia torak'izany. Raha ny amérikana indray dia fanta-daza eran-tany fa hoe olona mivavaka daholo HONO ry zareo ao "Puritain" moa no filaza azy sa ahoana ? hany ka na handatsaka bombe aza dia mivavaka aloha ny filohan'ny mpanafika.
Raha eo amin'ny vola tsy miditra amin'ny orinasa dia iaraha-mahalala io fa tsy mampandroso firenena firy, indrindra ho antsika andalam-pandrosoana ny fériés fériés lava izao. Samy manana ny fomba entiny mampiasa ny démagogie-ny ny mpitondra nifandimby.

Valiteny ho an'i : AINGA :

tsy ny nanaovana azy hoe alarobia no nampifidy ny olona na tsia fa ilay raharaha efa ho lava toy ny afon'antongona nefa ny vahoaka sahirana amin'ny fikarohana izay hohanina isa-maraina. Ka na alahady io na alarobia tsy nasian'ny olona sira satria tsy mitondra ny hoaniny androany. Izay mbola hiseho afaka dimy taona tsy ahoan'ny vahoaka akory fa ny anio dia anio. Ary raha milaza aho fa lova tamin'ny frantsay io fifidianana andro alahady io dia tsy misy mahadiso an'izany satria ny frantsay no nitondra hatramin'izay na dia tamin'ny repoblika voalohany aza; ny amin'izao fotoana izao dia mivadika ny bolina ka asa izay hiafarany.
16. lost ( 06/04/2007 17:56)
Ny ao Italy ko zany ovana alakamisy :? satria ao no foiben'ny fiangonana katolika!!Aza mitapitapy ry gasy kely oo!!
Tsy mahasakana ny oul tsy ho any io na atao zoma na sabotsy ary refa tsy ivavako ko izy tsy azao ataon'iza antery fa refa alamina ny progany afaka mifidy sy mivavaka fona ny zanak'olombel
17. fijo ( 06/04/2007 20:39)
izay mihintsy;aleo alahady ihany fa ny adidy vita ny revy manaraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0642