Ilay ps-ko

21. soanja ( 05/04/2007 00:12)
sitlo:

soanja koa ry kelly fa tsy soanjo izany ah :-D

Za aloha tia saonjo eh, na dia mangididy be aza ny tanana rehefa mamofy azy. :lol:
Asiana tantely dia hanina sady mihaino rivodoza mandalo. Na rehefa misy avandra iny. Heno ery hafanan'ilay saonjo. Sady amin'ireny no tena vokatra.

Dia rehefa vao maraina iny koa. Ilay mbola tsy levon'ny masoandro ny ranon'ando. Ilay mbola raisim-potsiny ny angidina. Amin'iny ianao no mankely an-tsaha dia mandraraka ny ranon'ando avy eo ambony ravin-tsaonjo eo amin'ny tanana. Milay ery, tonga dia hoe io no Madagasikara.


misaotra Sitlo!
Ary hadinoko tokoa fa mampangididy le ditiny. De mipetapetaka amin'ny tanana be mihtsiny.
Marina mihitsy le hoe mihinana saonjo andro cyclone tena tsy mahatsiaro noana elaela izay.
De refa vita cyclone de jerena ny tanimboly fa feno rano daholo ny lava-tsaonjo. Ireny mantsy mila lavaka bebe vao ambolena. Nefa ny raviny toy tsy nokasihandrano tokoa.


22. soanja ( 05/04/2007 00:13)
cutie:

Mpandefa : soanja [ Valio ] 04-04-2007 18:26:17
Lohateny : Ilay ps-ko
Nisy an'izay namana izay nanoratra tamiko dia nilaza ny momba ny ps-ko. Tapa-kevitra aho hijery akaiky an'io hoe inona tokoa moa izany no tena mahadiso ny fanonona azy. Ilay Soanja anie ka "Suuuu" alo vao Anja e! Fa tsy "SAO" vao hoe Njo. Teny gasy samihafa mihitsy ireo.
Raha jerena akaiky de hoe alohan'ny hanoratra ve zany le olona de Saonjo no ao anaty eritreriny sa hoe diso fanindry izy dia mifamadika le izy.

Tsy maninona fa noraisiko mihitsy alo le "Saonjo"
Inona no mahatsara ny saonjo sy ny maharatsy azy.
Ny saonjo aloha dia mahavoky, nefa mampanezana-vavony, mampiaizana koa raha be loatra. Mila misotro rano rehefa mihinana azy na dite na ronono sns.
De le saonjo koa be volony sady maisatra ihany ety ivelany refa tazonina nefa mahate hihinana ihany . Indrindra fa ny saonjo ramandady mora voasana rehefa masaka sady ilay malama ireny ny fialany teo. Asiana tantely de milay be.
De inona no maharasty azy. Tsy hitako mihitsy sa mahita ianareo?
Tsy maninona mihitsy na antsoina Soanja aho na Saonjo nony nandinika satria samy mety amiko ihany ireo e.
Tsy hoe akory te himenomenona aho fa mba tsetsetra tsy aritro sady somary lany atao aho ato. hihihi
Anareo njay? Ahoana ny fahitanareo ny Saonjo?

de in no dikan'le soanja?:lol::lol::lol:
suuuuuu-anja:lol:
hay haiko
sady soa no manja :lol:( sa tsy marina ry soanja?)



Soanja= Cutie zany?


23. cutie ( 05/04/2007 00:14)
soanja
hay moa za zanjin-jy hihihihihi
24. dongadonga ( 05/04/2007 04:49)
:lol:.
25. kelly13 ( 05/04/2007 07:09)
sitlo>an an an, tsy le ps no tiko lazaina fa ny fanoratra saonjo neveriko fa oe soanjo, sshhh esory iny solomaso sy cask iny fa tsy mahazo coz' 8)
26. DotMG ( 05/04/2007 07:18)
Andro tsy fiasana omaly dia nahandro saonjo izahay. (Izahay aloha tsy nifidy e! Hanao ENY toa ra8ista, hanao tsia toa akaman'ilay Lahiniriako ..., hanao vato fotsy toa ... tsy aleo manampy isa ny abstentionniste dia @zay mba ambany kely ny taham-pahavitrihana? )
Mba jerijereo io saonjo io malala (l) , hoy rafotsy mantsy ahy, fa hanasa loha vetivety aho. Dia sady mitaiza an'i Smiley aho izany no mahandro saonjo, sady manao programmation kely @ laptop-n-drafotsy eo.

Izaho ity moa izany rehefa mahazo solosaina dia ao ny fo sy fanahy iray manontolo, ka rafotsy any @ douche indray no naheno hoe may ilay saonjo.
:'( :'( :'(

Tonga dia mainty be ny vilany :-/ , fa ilay saonjo aloha mbô nisy azo nohanina ihany e! Soa fa tsy nisy sotrobe teo akaikikaiky teo na lapoaly fa angamba voavely (ôtran'ilay @ Z'amours ireny) ny lohako.

Ny tiana hotenenina @ zany dia: na may sy mangidingidy aza ny saonjo mbola matsiro foana.
:wink:

:-D:-D
27. DotMG ( 05/04/2007 07:21)
Mainka fa sady tsy may no tsy mangidy ...
28. sitlo ( 05/04/2007 18:16)
DotMG> nahazo laptopy njay an

kelly13> zay mbola mijery eclypse
29. xxx ( 06/04/2007 19:56)
tsisy atao koa soanja izany angamba ka mametraka size tahaka izao. hihihihi. :D:D(l)
30. dongadonga ( 07/04/2007 07:42)
mapa noana saonjo izy zany an ,nefa za tsy mahataty fa manaiky tenda be le izy
31. xxx ( 07/04/2007 07:48)
Toa resaky ny tsy misy atao nilazaon'ny tiana marina izany ampidirin'i Soanja eto izany.
32. tslem ( 07/04/2007 08:27)
sipagasy:

henabaolina saonjo



:miam::miam::miam: fa tsara kosa lé izy an, mampahatsiahy anah an lé catless reny mitsy
33. soanja ( 07/04/2007 21:09)
Misaotra amin'ny rehetra nanadihady e.
xxx> Tsy ny atao akory ny tsy misy fa ny tenako no tia mampiady adrisa rehefa tahak'izay.
Tratry n'i Paka sambatra aby!:-*:-*:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1593