MITADY DONS (Baiboly sy boky mahakasika ny fivavahana)

1. tsiafoi1 ( 03/04/2007 10:57)
Nandritra ny volana telo teo ho eo, dia nampianatra Soratra Masina an-taratasy maimaim-poana ny tenako, olona eo amin'ny 41 eo no manaraka izany tsy tapaka, ary efa ho tonga eo amin'ny tanjon'ny famaranana izahay ankehitriny (lesona 24), zay kasaina hatao ny Alahady 15 - 22 - ary 29 avril izao. Nandritra ny fianarana dia maro no tena liana, nefa tsy nanana Baiboly akory fa dia nifampindramana izany. Koa fanirina indrindra ny hanolorana ireo mpianatra ireo fanomezana toy ny Baiboly mifono (amin'ny anaran'ny mpianatra tsirairay avy), boky, na zavatra hafa.

Koa miantso ireo malala-tanana sy manan-katao ho amin'izany, mba hanampy tosika amin'io fampitomboana ny fanjakan'ANDRIAMANITRA io.

Raha maniry handray anjara ianao, dia aleo Baiboly na boky, na zavatra avy hatrany fa tsy vola. Contact : 0330235406 - 0324308522
novalian'i andry44 ny 07/06/2007 10:38
2. tsiafoi1 ( 03/04/2007 11:03)
Fanampiny : Azonao atao ny manolotra mivantana izay fanomezana foinao amin'ny anaranao manokana, mandritra ireto fotoam-pamaranana ireto :
Alahady 15 avril 2007 : 4ora - 6ora hariva
Alahady 22 avril 2007 : 4ora - 6ora hariva
Alahady 29 avril 2007 : 4ora - 6ora hariva
raha mila fanazavana manokana ianao mahakasina ny toerana sy ny hafa ankoatra izay, dia antsoy ny téléphone : 0330235406 - 0324308522
3. Fiffi ( 03/04/2007 14:32)
heu.....inona kay no filaza anao @ zany mampianatra baiboly zany ? (raha tsy maha-diso)
4. tsiafoi1 ( 03/04/2007 15:25)
Mpitory an-tsitrapo tsotra ihany za ka, zany hoe efa misy imprimés fianarana baiboly dia mizara izany no ataoko. Ny question rehetra ao anatiny dia tsy mivoana ny Baiboly, ka rehefa miverina ny lesona avy any @'ny mpiara-mianatra dia corrigé-na araka izay voalazan'ny baiboly. Mahafinaritra ny manao ilay fianarana satria betsaka ny fahalalana tsy noeritreretina tovozina ao.
5. tsiafoi1 ( 05/04/2007 14:25)
Dia maneho ny fisaorana feno anareo efa nanohina sy niantso an-telefaonina. Misaotra indrindra tompoko.
6. tsimatimanota ( 11/04/2007 11:46)
Mahereza Rahalahy mitory ny teniny,
ny Tompo anie homba anao,
Raha baiboly kato ve mety?
Isa Romana mantsy le izy,
Mirosoa @ lalina kokoa
7. tsiafoi1 ( 16/04/2007 10:52)
Isaorana Andriamanitra fa vita soamantsara ny séminaire biblique "Asandrato Kristy" andiany 1, izay natao omaly 15 avril 2007 folak'andro tao amin'ny Fiangonana Advantista Ampanotokana Ambohitsoa. Isaorana ianareo malala-tanana zay nandray anjara tamin'ny fanomezana boky isan-karazany. Isaorana eto ihany koa Mme Nyrina USA, izay nanolotra baiboly ho an'ireo mpandray anjara mendrika indrindra. Isaorana manokana ihany koa ianareo mpihira evangélique izay nanafana ny fotoana.

Isaorana ianareo namana 5 mirahavavy tato amin'ny serasera, izay tratra antso, ka tonga nanotrona izany fotoana izany.

Mbola hitohy ny séminaire biblique "Asandrato Kristy" andiany 2, ny 22 avril 2007 izao amin'ny 4 ora. Mbola hanasana antsika rehetra izany. Tongava maro
8. andry44 ( 07/06/2007 10:38)
Zahay zao te hihatrika zany fampianarana zany nefa tsy afaka makany.Sao de afaka atao eto ihany koa ny fampianarana?
Misaotra mialoha!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1651