izany no atao hoe: fitiavana amiko
2. vale
(
31/03/2007 08:29)
yes,
..."aimer c'est partager" zay mahafoy fotoana, ny tenany..., rehetra retra koa, raha eo @ny finona ndray de Christ(l) est un amour aussi, mazava be satria zanak'Atra!(l)
..."aimer c'est partager" zay mahafoy fotoana, ny tenany..., rehetra retra koa, raha eo @ny finona ndray de Christ(l) est un amour aussi, mazava be satria zanak'Atra!(l)
5. boubounezy
(
31/03/2007 22:10)
"aimé a perdre la raison" afa iany alou lé tena mifankaty é! otratsika 2 zao ry diams:}:lol::lol:
6. routa
(
01/04/2007 04:34)
diamondra tsy azoko mihintsy fa inona le izy ?jereko to titre na fillma efa hitao azavao de atoroy hoe ho jerena misaotra e!
7. daroll
(
01/04/2007 07:46)
tsy de mazava ny tianao hahatongavana
ny Fitiavana lehibe indrindra alou de ny Fitiavan'Andriamanitra
ny fitiavan'ny mpifankatia de sarotra be,fa zao raha te hahay hoe ianao tena tia olona 1 de mila mamaly an'ity:inona no itiavako azy? raha tsy mahita valiny de zay le tena tia,raha mahita valiny ianao de mety ho lasa amour par intêret izy, ohatra izy tsara tarehy na tsara vatana... fa zao sarotra ny fitiavana e
ny Fitiavana lehibe indrindra alou de ny Fitiavan'Andriamanitra
ny fitiavan'ny mpifankatia de sarotra be,fa zao raha te hahay hoe ianao tena tia olona 1 de mila mamaly an'ity:inona no itiavako azy? raha tsy mahita valiny de zay le tena tia,raha mahita valiny ianao de mety ho lasa amour par intêret izy, ohatra izy tsara tarehy na tsara vatana... fa zao sarotra ny fitiavana e
8. diamondra27
(
01/04/2007 09:15)
routa: yee film ilay izy ka
Izy io izany dia clip fa ny tian'ilay mpanao azy ampitaina amiko dia ny Soratra Masina
manambara hoe: avy taiza moa isika , nanomboka taiza ny fisiantsika, iza no Mpahary Manambara ihany koa ny fitiavan'Andriamanitra antsika
, ary maneho amintsika hoe: ahoana ny fiasan'izany Andriamanitra izany @ olona tiany sy manaiky Azt ary manatena Azy.
Efa nisy resaka teto hoe: avy aiza aho, inona no ataoko eto an-tany, inona marina moa izany atao hoe: fitiavana sns... Koa ho valin'ireo fanontaniana ireo dia io no hitako mahavaly azy.
Indro ary araka ny fangatahanao dia adikako eto @ teny gaasy ilay SM voalaza ao @ilay clip
Samy manana ny interpretation-ny fa ny ahy aloha dia io nomeko anareo io ny fahazoako ilay olona nanao azy.
daroll: yeee ny tena fitiavana dia fitiavan'Andriamanitra , ary lazainy ao @ le SM izany ka
Izy io izany dia clip fa ny tian'ilay mpanao azy ampitaina amiko dia ny Soratra Masina
manambara hoe: avy taiza moa isika , nanomboka taiza ny fisiantsika, iza no Mpahary Manambara ihany koa ny fitiavan'Andriamanitra antsika
, ary maneho amintsika hoe: ahoana ny fiasan'izany Andriamanitra izany @ olona tiany sy manaiky Azt ary manatena Azy.
Efa nisy resaka teto hoe: avy aiza aho, inona no ataoko eto an-tany, inona marina moa izany atao hoe: fitiavana sns... Koa ho valin'ireo fanontaniana ireo dia io no hitako mahavaly azy.
Indro ary araka ny fangatahanao dia adikako eto @ teny gaasy ilay SM voalaza ao @ilay clip
Samy manana ny interpretation-ny fa ny ahy aloha dia io nomeko anareo io ny fahazoako ilay olona nanao azy.
daroll: yeee ny tena fitiavana dia fitiavan'Andriamanitra , ary lazainy ao @ le SM izany ka
9. diamondra27
(
01/04/2007 09:17)
Miala tsiny fa lava be ilay izy fa vetivety ihany rehefa mijery ilay clip
Salamo139 : Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.2 Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.3 Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
Mat 10 : 29 Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.30 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.31 Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.
Genesisy 1: 27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
Asa Apostoly 17: 28 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: "Fa terany koa isika".
Jeremia 1:4 Tonga tamiko ny tenin’I Jehovah nanao hoe:5 hatry ny fony ianao mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena
Efes1:11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany [no nandraisantsika ny lova.], rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'Izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony,12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.
Salamo 139: 15 Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin'ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin'ny tany.16 Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
Asa 17: 26 ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany.
Salamo 139: 14 Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany
Salamo: 139: 13 Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
Salamo 71: 6 Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka* ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.[Na: no Mpiaro, na Mpanisy soa, ahy hatry, etc]
Jaona 8: 41 Hianareo manao ny asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka tamin'ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy hianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako aty; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo.44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny [mitoetra amin'ny] marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.
I Jaona 4: 16 Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika, Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA
I Jaona 3: 1 Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny[Gr. nomen'] Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy.
Mat 7 : 11 Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?
Mat 5: 48 Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.
Jakoba 1: 17 Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.
Mat 6 : 31 Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafianay? 32 Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Jeremia 29 : 11 Fa izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.[Heb. farany sy fanantenana.]
Jeremia 31 : 3 Tany lavitra any[Na: tamin'ny fahiny.] no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, Koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.
Salamo 139: 17 Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron'ny isany!18 Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.
Zefania 3: 17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana [Heb. hangina] amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy.
Jermia 32 : 40 dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin'ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.
AHOANA NY HEVITRAO?
Eksodosy 19 : 5 Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Jeremia 32 : 41 Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin'ity tany ity tokoa amin'ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.
Jeremia 33 : 3 Antsoy Aho, dia hovaliako hianao Ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
Deo 4: 29 Kanefa any hianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
Salamo 37: 4 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.
Filipiana 2: 13 Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.
Efes 3: 20 Ary ho an'Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.
MANAO AHOANA IZANY FITIAVANA IZANY ?
Ikort13: 4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
Salamo 34: 18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
Isaia 40: 11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Revelation 21: ”4 The expression “heaven and earth” is a biblical designation for the entire universe (cf. Gen 1:1). So John sees a transformation of the entire universe.
Apok 21: 3 Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
Jaona17: 23 Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
Jaona 17: 26 Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ao aminy.
Heb 1: 3 Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tànana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo
INONA TOKOA MOA NO AZON’NY OLONA ATAO?
Rom 8: 31 Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
II Kort 5 : 18 Fa izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, 19 dia izao: Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
Asehon’Andriamanitra anao ny Fitiavany anio … Inona no havalinao Azy?
I Jaona 4: 10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.
Rom 8 : 32 Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
I Jaona 2: 23 Izay rehetra manda ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; Izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray.
Rom 8 : 38 Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery39 na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
Lioka 15 : 7 Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
Efes 3 : 14 Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray,15 Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana,
Jaona 1: 12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,13 dia ireo izay tsy naterakin’ny rà, n any sitrapon’ny nofo, n any sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra.
Lioka 15: 11 Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy.12 Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany.13 Ary nony afaka kelikely, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany.14 Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ka nahantra izy.15 Dia nandeha izy ka niankina tamin'ny tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa.16 Ary satriny hameno ny kibony tamin'ny voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.17 Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy! Maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!18 Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho19 ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho.20 Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.21 Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony.22 Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;23 ary ento aty ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;24 fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.25 Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.26 Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany.27 Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.28 Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.29 Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako;30 fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy hianao.31 Ary hoy rainy taminy: Anaka, hianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako.32 Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.
10. prime
(
03/04/2007 08:00)
Deraina mandrakizay anie Andriamanitra noho ianao ry diams...^:^^:^^:^
Misaotra eeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee...=D=D=D
Misaotra eeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee...=D=D=D
12. tsiafoi1
(
03/04/2007 11:37)
Ny FITIAVANA dia manome, tsy mila sandany, mahafoy ny zavatra rehetra, mikendry ny hahasoa ilay tiavina mandrakariva.
Ohatran'ny FITIAVAN'ANDRIAMANITRA : izay efa nanomana ny zavatra rehetra novantanintsika (ny VOARY TONTOLO : zavamaniry, rivotra, masoandro, rano...)
Ohatran'ny FITIAVAN'NY RENY NY ZANANY : izay efa nanomana ny zavatra rehetra novantanin-janany. Nikendry izay hahasoa an-janany mandrakariva
Ohatran'ny FITIAVAN'ANDRIAMANITRA : izay efa nanomana ny zavatra rehetra novantanintsika (ny VOARY TONTOLO : zavamaniry, rivotra, masoandro, rano...)
Ohatran'ny FITIAVAN'NY RENY NY ZANANY : izay efa nanomana ny zavatra rehetra novantanin-janany. Nikendry izay hahasoa an-janany mandrakariva
13. prime
(
03/04/2007 13:01)
Andriamanitra mihitsy no fitiavana, araka ny voasoratra hoe :
"Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy." I Jaona 4:16
"Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana." I Jaona 4:8
"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3:16
Ary izay milaza ny tenany ho tia an'Andriamanitra dia nomeny didy, amin'ny anaran'i Jesosy manao hoe :
"Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny." I Jaona 5:3
"Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy." I Jaona 4:16
"Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana." I Jaona 4:8
"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3:16
Ary izay milaza ny tenany ho tia an'Andriamanitra dia nomeny didy, amin'ny anaran'i Jesosy manao hoe :
"Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny." I Jaona 5:3
14. Fiffi
(
03/04/2007 14:24)
prime:tsy misy adi-hevitra fa tena fitiavana marina...
Andriamanitra mihitsy no fitiavana, araka ny voasoratra
15. karinah
(
03/04/2007 18:53)
Andriamanitra mihintsy no fitiavana hoy Prime, Kristy izany tsy fitiavana:-w:idea:
16. diamondra27
(
03/04/2007 19:17)
karinah: qui dit Andriamanitra dia Jesosy ihany sy FM
Jesosy no tonga nofo nahatanteraka ilay fitiavana
"tout est accompli" dit Jesosy
Jesosy no tonga nofo nahatanteraka ilay fitiavana
"tout est accompli" dit Jesosy
17. prime
(
06/04/2007 10:26)
diams> Mitovy hevitra tanteraka...
karinah> Ka i Kristy mihitsy no Andriamanitra, sa Izy tsy Andriamanitra aminao?...:lol:
karinah> Ka i Kristy mihitsy no Andriamanitra, sa Izy tsy Andriamanitra aminao?...:lol:
18. Fiffi
(
12/04/2007 07:18)
diamondra: misaotra akia fa zay vao tena voavaky tanteraka....Andriamanitra fitiavana.....
