firaisan-kina

1. ftma ( 30/03/2007 08:57)
tohin'ilay resaka nalefako tetsy ambany http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4605adddb3fc4 , tena tonga nirodoro ny gasy taty namangy ilay renim-pianakaviana na dia nifanontany aza hoe "iza izany", tsy vitan'izany fa mbola maro ireo tonga nanatrika ny fotoam-pivavahana ho fanaovam-beloma ilay zaza sy ho fanomezam-boninahitra an'Adriamanitra. Mbola hisy sakafo hahazoana vola hanampiana io fianakaviana io karakaran'ny communauté malagasy ny 21 avril izao.
Tsy ny gasy ihany no nidododo t@ ity fahoriana ity fa na ny vazaha aza, nivoaka gazety taty mihitsy ny ezaka nataon'ny Ecole nianaran'ilay zaza maty, afaka nanaraka ny razana ilay reniny nohon'ny fanampian'ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny conseil Général ary Air France.
Zavatra mampalahelo dia Air Madagascar mba nangatahina fanampiana dia tsy nanome valiny akory, asa ny antony.
Hita fa tsy fifaliana ihany no hiarahana fa ny fahoriana koa.


Nahitsin'i hery
novalian'i xxx ny 30/03/2007 10:09
2. Vahinala ( 30/03/2007 09:08)
Tena mahafinaritra ny toy izany, tena mba zava dehibe mintsy anie izany mifanohana izany indrindra fa raha samy antanin'olona e.
3. xxx ( 30/03/2007 10:09)
ftma> misaotra anareo izay nanotrona azy ireo tany, arahabaina "nahavita ratsy" hoy ny fitenenana, dia mirary fiononana ho an'ny fianakaviana.
Ny fifaliana tokoa vita ihany na tsy ifanotronana, fa amin'ny fahoriana no ahalalana ny tena havana, indrindra aty am-pivahiniana.

Mpitoriteny 7:4 Ny fon'ny hendry dia ao amin'ny trano misy fisaonana; fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano misy fifaliana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2822