hira mifono hevitra...

1. sakaizakely ( 29/03/2007 08:39)
Ny tarika Mahaleo dia nalaza t@ fanaovana hira mifono hevitra. T@ zany dia nolazaina fa misy hevitra hafahafa hono iny hira mitondra ny lohateny hoe Voasary mamy iny.

Hatr@zao dia mbola tsy azoko foana.

Natokako ho anao ny voan'ilay voasary
Ilay voasary mamy


Inona ary io voasary io ?
Ary inona ilay voany ? Pépins ?

Izay mahay milaza ary ;-)
2. xxx ( 29/03/2007 09:08)
sao dia mitady zavatra lavitra ny sainao ? Ny Fitiavana no tiany lazaina . Toa tsy misy resaka voany @ ilay hira fa ny "fon'ilay voasary" raha tsy diso aho
3. miarina ( 29/03/2007 09:21)
Fonon'ilay voasary no nolazain'ny Mahaleo fa tsy fony
4. Vahinala ( 29/03/2007 09:34)
Tsy d hitako loatra izay hevitra hafa mifono anle izy ko.
5. xxx ( 29/03/2007 09:40)
miarina:

Fonon'ilay voasary no nolazain'ny Mahaleo fa tsy fony


Tsia fa hodiny sy fony no resahiny ao :
Ny hodiny nomeny olon-kafa fa ny fon'ilay voasary natokany ho an'i ilay olona avy any an-tampo-kavoana


" somary gaga anefa izy , nijery ilay voasary
voasary efa vita vaofy no nomeko azy
nanontany ahy izy hoe nankaiza ny hodiny
....
Natokako ho anao e, ny fon'ilay voasary a "



Efa lasa ny hodiny dia fony sisa tavela
6. hery ( 29/03/2007 09:48)
Azo eritreretina ho toy ny fitiavana mateti-pitranga amin'izao fotoana izao ilay izy.

Taloha mantsy ny olona dia olona iray ihany no fantany mandritra ny androm-piainany. Iny no namany @ mbola kely dia iny no sipany dia iny no lasa vadiny. Fa taty aoriana dia betsaka no tsy ohatra an'io intsony. Ny lehilahy maro dia manana sipa be dia be aloha vao mahazo ny tena vadiny.

Dia mba niteny izy teo hoe izay rehetra talohanao dia nomeko hodiny daholo fa ianao no tena nomeko ny fony.

Fa misy lehilahy mamerimberina an'io teny io an :-) angamba misy fony bedabe ilay voasary.
7. simplex ( 29/03/2007 10:20)
hery:
Fa misy lehilahy mamerimberina an'io teny io an angamba misy fony bedabe ilay voasary.
maromaro ihany ny isan'ny hasiny 8)
8. Rainikarabo ( 29/03/2007 11:16)
mifono zava-dalina io tononkira io, sahala amin'ny tononkira maro fanaon-dry Lôlô sy ny tariny. Sarin-teny no betsaka, izay mihitsy ny endrika isehoan'ilay kolokanto. Tselonina koa mpanao sarin-teny sahala amin'izay, ohatra ilay hoe "lasa aiza i Ravaomaria? lasa natsaka rano!" , mifono zava-dalina io.
9. Vahinala ( 29/03/2007 15:14)
hery > Ny lhl ihany ve sa ny vhv ko !
10. cutie ( 29/03/2007 20:11)
Mpandefa : sakaizakely [ Valio ] 29-03-2007 10:39:38
Lohateny : hira mifono hevitra...
Ny tarika Mahaleo dia nalaza t@ fanaovana hira mifono hevitra. T@ zany dia nolazaina fa misy hevitra hafahafa hono iny hira mitondra ny lohateny hoe Voasary mamy iny.

Hatr@zao dia mbola tsy azoko foana.

Natokako ho anao ny voan'ilay voasary
Ilay voasary mamy

Inona ary io voasary io ?
Ary inona ilay voany ? Pépins ?

Izay mahay milaza ary

aiza ary io mandrindra:-D
izy no mahay tsara ny dikan'io :lol:
11. cutie ( 29/03/2007 20:13)
maromaro ihany ny isan'ny hasiny

:-D:-D:-D:-D:-D
12. sakaizakely ( 30/03/2007 12:53)
Rainikarabo:

mifono zava-dalina io tononkira io, sahala amin'ny tononkira maro fanaon-dry Lôlô sy ny tariny. Sarin-teny no betsaka, izay mihitsy ny endrika isehoan'ilay kolokanto. Tselonina koa mpanao sarin-teny sahala amin'izay, ohatra ilay hoe "lasa aiza i Ravaomaria? lasa natsaka rano!" , mifono zava-dalina io.



ka ilay dikany mifono iny mits ange no tena tiako ho fantatra ry Rainikarabo e !

Ary Ravaomaria natsaka rano iny dia gaga tokoa aho satria de noheveriko fa tantara fe tantara fotsiny ihany.


Mba voaboasy ho anay eto ilay sarinteny raha toa ka azo atao fa liana te hahafantatra izahay ;-)

Misaotra mialoha:P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0656