mix

1. salmo1 ( 28/03/2007 08:51)
fascination
Tsy maintsy tongako any ianao
fa efa izay no tanjoko
lay trano bongon'ny fitia no nomaniko
ho vantaninao any e e...

3 isan-jato
Madama anie manjamanja e!
Tiako be!(2)
Madama anie manjamanja e!
Nahoana e!(2)
Madama anie manjamanja e!

Mage 4
Mbola tsy afaka
An-tsaiko eny foana
Ny andro taloha
Niarahanay roa
Mbola tsy misy mihitsy fotoana
Nampamaivana fo
Tsy anembonako azy

Poopy
Fa raha toa moa ianao
Mbola te hilalao
Dia tsy hisakana aho
Ny ao am-poko efa matoky
Fa na mbola ilaozanao
Na koa ho raisinao
Ilay ao am-poko ao
Mionona ka efa tony

Ny ainga
Mbola eny ihany ilay tsikinao toa menamenatra
Ianao koa somary nihena, fa mafy ny fiainana
Izaho any am-piasana aky tsy mandry, miasa loha,
Raha misy izay andefimandry, hafenina ve ny taloha?
Tantara miafina...

Toko telo
Ho atako tsara karakara,
Fa efa anjara,nomenao ho ahy, mandrak'izay,

Fa raha ny anay, mafy orina, tsy voarodana, fitia tena matotra, vita fatotra

majeur 7
Isika roa no tafa-tambatra
Dia noho ilay fitiavana
Izaho tia anao
Ianao tia ahy
Izay ilay fo mifankatia
Tsiambaratelonao
Tazomiko mba ho ahy koa
Izay rehetra tianao
Ankafizinao
No mahafaly ahy koa

Feon'ala
Hoy ny kilongan'i Fianarana
Atambaro fa te-hihavana
Tarogny betsileo
Mifankatiava e!
Azo ny havana aty arivo
No mitambatra mpanarivo
Vazon'ny Espagne

Mifankatiavava e!



novalian'i cutie ny 28/03/2007 23:51
2. Fiffi ( 28/03/2007 08:57)
fa inona no tian'i salmo lazaina eto indray ? hasio fanazavana kely.....
3. salmo1 ( 28/03/2007 09:16)
Fiifi: efa ireo kou :D
4. ari.malala ( 28/03/2007 13:22)
ilay mage4 tonga d nampi boum boum ny (l)ko:P
5. salmo1 ( 28/03/2007 15:11)
ari.malala: saika nalahatro tao @ rvg, de nataoko ddcace hoanareo fa tsy hitako tao kle :D:(
6. cutie ( 28/03/2007 23:39)
ty no tiako e :-D
Toko telo
Ho atako tsara karakara,
Fa efa anjara,nomenao ho ahy, mandrak'izay,

Fa raha ny anay, mafy orina, tsy voarodana, fitia tena matotra, vita fatotra
7. cutie ( 28/03/2007 23:51)
majeur 7
Isika roa no tafa-tambatra
Dia noho ilay fitiavana
Izaho tia anao
Ianao tia ahy
Izay ilay fo mifankatia
Tsiambaratelonao
Tazomiko mba ho ahy koa
Izay rehetra tianao
Ankafizinao
No mahafaly ahy koa

tsy ratsy koa :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1037