Asa Ianao

1. maamybe ( 28/03/2007 07:10)
Mba te hanana ny tonon'ilay hiran'i delacr hoe "Asa ianao" iny aho raha mba miasy afaka manome.
novalian'i Fiffi ny 28/03/2007 13:47
2. Fiffi ( 28/03/2007 07:29)
delacr ?
3. hery ( 28/03/2007 08:35)
Fiffi> le ao @ Black Jack's zany delacr zany :-p

maamybe> tena tsy maharaka fa azo arakarahina ao @ Radiovazogasy ao ilay izy e.
4. Fiffi ( 28/03/2007 08:57)
arytena tsy arako indray zany mpihira zany an !
5. hery ( 28/03/2007 10:45)
Fiffi> Angaha kosa moa dia ho araka daholo izao rehetra izao e :-)
6. Fiffi ( 28/03/2007 10:56)
heu...ka mba mihaino radio foana zah presque 24/24 koh ! :oops:
7. ari.malala ( 28/03/2007 13:16)
asa ianao raha ohatra ahy
fa ny fahoriako sy ny fijaliako dia ezahiko hozakaiko irery
tsy haiko ianao raha ohatra ahy
fa ny hasambarankeliko eto antany dia koloiko tsy ho verivery
tsy ilaina angamba akory hoy aho ny mitantara lava izay manjo
mety ho maizina ny tany fa atrakao ny loha
mety ho ratsy ny androany fa ny ampitso ho soa
satria efa voasoratra fa samy mba mizaka ny hazo fijaliany
samy manana kapoaka kely misotroa ilay rano tsy tiana
asa ianao raha hino ahy
fa maro ireo mizaka fahoriana avo folo heny noho ianao
tsy haiko ianao raha hino ahy
kanefa tsy misokabava kely akory izy ireo na mitaraina
ezahiny tsy hisoritra eny antavany eny kely akory ny hakiviany
vao maika volamena hoazy ny mangina
vao maika harena hoazy koa ny fiahafiany
na dia fadiranovana aza izy tsy hitakiky aminao tsy hiangavy
fa raha mbola misy fofon'aina kely hijoroana
dia aleony mitady
asa ianao raha ohatra ahy
fa aleo mizaka tena dieny izao sao dia mba ny aoriana no tsy zaka
tsy haiko ianao raha ohatra ahy
fa mafy koa raha mafy raha ny havana ilapiana no indreo mandatsa
ny hambom-po tsy noindraminao iny na nataonao trosa
ny maha ianao anoa io no ataovy miavosa
kanefa na dia izany aza adinonao kosa
miloloha lanitra ny tena ka tsarovy f'indray andro any
mbola mety mba ho lena sy ho potraka koa raha mandia ny tany
tsy aleo ve niaina tsisy romoromo tamin'ny rambomanga kely sy patsa
toy izay amin'ny havana hanimpitoloha fa arahindatsa
8. Fiffi ( 28/03/2007 13:47)
io ary no nolazaiko hoe humm.....ari.malala mahay an ! :):-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1027