hay ve

1. bazylou ( 27/03/2007 21:39)
mba mangataka ny tompony station radio eto @ ville (tana), ny antony nanajanonana ny radio ANTSIVA 97.6fm sy freqaunce Plus 92.8fm,fa dia mampalahelo mihitsy fa lasa tena mangina be ny analyse politika eto Mada,asa na manao tsindry azo lena loatra ny fanjakana dia tsy maintsy novonoina ny station sasany dia havela ho any MBS sy RNM ihany ny tanana .Mba milaza vao2 ihany ny radio sasany fa milaza mataotra.
Mba mangataka ny hevitrareo izay mankafy @ station ireo ny tenako mba hilaza ny hevitrareo momba ireo RADIO 2 najanona ireo""

kay ve efa nanomboka efa ela ny fanampenam bava ao madagasikara ao e!!:°):°):°)
novalian'i paris10 ny 28/03/2007 17:55
2. sitlo ( 27/03/2007 21:52)
Za aloha tena mpiondana radio antsiva be mihitsy talohan'ny nivarotana azy eh. Fa nony niova ny tompony dia lasa nanao an'ireny analysen'i Lalatiana tsy misy lozika ireny dia lasa tsy tiako. Za koa tsy tia vaovao isaky ny adiny iray izany. Tsy nahagaga ahy mihitsy raha mihena ny mpakafy azy.

Fa ny nampalahelo dia maty hatramin'ny haintso haintso taranja. :cry: Tsy misy mampihomeme intsony, tsy hita intsony ny hira vaovao avy any ambany gorodona.
3. Vahinala ( 27/03/2007 22:05)
Fa anga ireo najann ? Ary zay za vao naheno anzany fa tena tsy naharabaovao ndray taminy, fréquence plus no tena fihainoko matetika fa tato ato aho tsy d nisy fotoana nihainoana.
Misaotra anao mampita vaovao fa hafa kely ndray zany, resa politika daoly ndray no ambadik'izany zao e !
4. sitlo ( 27/03/2007 22:45)
za aloha tsy mino hoe politika izany eh. Efa ny mpihaino mihitsy no tsy tia mihaino azy. Zany raha misy lozika ny teneniny nefa isan'andro eo foana. Inona moa izay radio raha tsy misy mpihaino. Tsy misy manao pub dia tsy misy tombombarotra dia perte. Dia mangina ny ihafarany. Tsy ny mpitondra no mamono fa voan'ilay hoe aleo hiteny eo fa rehefa leo ve tsy hangina.
PS: ny MBS manana pubn'ny tiko isan'andro. Na dia hitako aza hoe tsy dia mamely ilay MBS dia misy financement izy.
5. Fiffi ( 28/03/2007 05:26)
heu....f'angaha kosa raha vao misy zavatra nihidy tondé ny fanjakana foana no nampihidy azy ? omeo ny source ry bazylou hoe ny fanjakana no nanidy an'io...

Misy antony maro mahatonga ny radio mihidy....ny audimat aloha voalohany....raha tsy manao pub koh le radio na ohatra hoe tsy malaza na heritreretan'ny olona fa tsy de tsara loatra na hoe tsy misy mpihaino loatra de tsy mandefa ny pub-ny any zareo....nefa tadidio fa io fandefasana pub io indrindra no tena ilain'radio hampandeha azy fa tsy hoe ny fanjakana daholo zao rehetra zao....
6. lanto ( 28/03/2007 10:13)
mba mangataka ny tompony station radio eto @ ville (tana), ny antony nanajanonana ny radio ANTSIVA 97.6fm sy freqaunce Plus 92.8fm


heu....f'angaha kosa raha vao misy zavatra nihidy tondé ny fanjakana foana no nampihidy azy ? omeo ny source ry bazylou hoe ny fanjakana no nanidy an'io...


mbola manadihady ra bazyl ka !
7. Fiffi ( 28/03/2007 11:02)
de hadihadio tsara ao zany ry bazylou an ! hihihhii
8. paris10 ( 28/03/2007 17:55)
ny radio antsiva hono toa novidin'i andry tgv ka naninona teo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.039