Antso vonjy

1. ds ( 26/03/2007 17:31)
Ry havana malala ,

" Mba ho iray ihany izy rehetra" Jaona 17: 21

Miala tsiny izahay ray aman-drenin'i Rudy raha manoratra ho anareo ity taratasy ity.
Rudy dia zaza enin-taona. Narary izy nandritry ny volana vitsivitsy tany an-tanindrazana. Voatery nentina aty Frantsa notsaboina izy nanomboka tamin'ny 01 febroary.
Izy sy ny reniny Lady no niaraka nitolona tamin'izany. Ny 28 febroary dia nafaran'ny dokotera tao Necker ny rainy satria hitan'izy ireo fa efa sarotra be ny hitsaboana an'i Rudy.
Tamin'ny 23 martsa lasa teo no nandao antsika Rudy. Zaza nahafinaritra kely izy, nitsiky lava , tia olona sady tia nivavaka.
Nanao antso avo taminareo izahay tamin'i Rudy mbola narary, betsaka ianareo no efa namaly izany antso nataonay izany.
Amin'izao fotoana anefa dia tianay ray aman-dreniny ny hitondra azy any an-tanindrazana.
Mangataka ny hitondrana am-bavaka azy sy fanampiana avy any aminareo izahay.
I Rudy dia ao amin'ny "morgue" ny hopitaly Necker. Izay manana faniriana ny hijery azy dia afaka manao izany manomboka amin'ny 1 ora tolak'andro ka hatramin'ny 4 ora hariva.
Ny famangiana dia azo tanterahana ao Necker amin'ireo ora voalaza ireo na any Courdimanche 24 rue du Fief à Cavan manomboka amin'ny enina ora sy sasany hariva.

Telefaonina azo hantsoina: 06.70.34.23.08 (Lobo) - 06.83.03.84.15 (Mirana)

Misaotra anareo eram-po eran-tsaina izahay mivady.Andriamanitry ny fiadanana anie hitahy sy homba anareo tsirairay avy.

Lady sy Ursul (ray aman-drenin'i Rudy)

================================
NDLR :
Hôpital Necker-Enfants Malades
149 rue de Sèvres
PARIS 15è

24 rue du Fief à Cavan
95800 Courdimanche (Val d'Oise)
novalian'i tolona ny 09/04/2007 23:38
2. Fiffi ( 26/03/2007 17:36)
miara ory @ fianakavian'i Rudy kely....
Mahereza hatrany Tompoko.
3. sipagasy ( 26/03/2007 18:13)
mahaiza mionona tompoko fa izay no efa lahatr'Andriamanitra ho antsika e!, mampalahelo tokoa moa raha ny zanaka no lasa alohan'ny ray aman-dreny fa atao ahoana moa e! fenoy fiononana ny fo fa mbola zakantsika matoa natolotry ny Avo ho antsika e!:-*
4. tisera ( 26/03/2007 18:28)
dia mirary fiononana feno ho an'i lady sy ursul ray aman-drenin'i rudy tokoa; tena mafy amintsika olombelona izany mandevin-janaka izany nefa na izany aza ny hevitra iheveran'Andriamanitra antsika dia hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza . Andriamanitra Tompon'ny fiononana ho amin'ny fianakaviana manontolo.:-*:-*:-*:-*
5. Ralay ( 26/03/2007 18:47)
Mahaiza mionononafa zay no lahatra dia aza misosoka alahelo intsony ianareo mianakavy.
6. kelly13 ( 26/03/2007 19:38)
:-*:-*:-*
7. tynah ( 26/03/2007 19:43)
Dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'i Rudy kely. Hivavaka ho azy mba ho eo ampelatanan'ny Ray ny fanahiny ary ny Ray aman dReniny ho hampiononin'ilay Ray be fitiavana.
8. melody ( 26/03/2007 22:11)
Miara miory @ nareo mianakavy izahay namana eto ary mahereza hatrany re!
9. dadie ( 27/03/2007 09:04)
dia mamangy fahoriana anareo sy ny fianakaviana manontolo koa koa ny tenako
10. rafilozofy ( 27/03/2007 10:21)
Mirary fiononana feno ho anareo zany fa izay no efa nalahtr'Andriamanitra ka ekena amim-pahatoniana.MIvavaka ho anareo.
Mirary soa tompoko
11. rvoulah ( 27/03/2007 16:06)
Mamangy amin'ny fahoriana , mahaiza mionona tompoko.
12. maintsokely ( 29/03/2007 10:47)
Mamangy ny fahoriana tompoko, Mirary fiononana ho anareo fianakaviana izahay.

Maintsokely
13. tywa68 ( 29/03/2007 11:32)
Mamangy @ fahoriana tompoko !
14. fijo ( 29/03/2007 22:07)
tsy misy mafy toy ny nilaozan janaka,nefa rehefa tonga ny fotoana tsy misy azo tazomina,ka dia mionona sisa n oanjarantsika velona.mahereza,fa mbola maro no miandry ,ary efa nanao izay hoafaka ianareo.
15. Vahinala ( 07/04/2007 11:41)
:-*:-*:-*
16. tolona ( 09/04/2007 23:38)
dia mirary fa ho lasan'izay ny ratsy rehetra,mahereza fa efa nanao izay azo natao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3062