torohevitra momba ny vavaka
21. prime
(
27/03/2007 08:14)
cutie:... Ka izay lazain'ny baiboly no ekeko sy itoviako hevitra...
ny hevitry i prime no tiako ho fantatra fa tsy ny hevitry ny baiboly
Raha ny pratikan'ny vavaka no tianao idirana lalindalina kokoa dia samy manana ny azy fa tsy misy "formules" tokana na "astuces" manokana fa mbola ny Tenin'Andriamanitra hatrany sy ny Fanahy Masin'Andriamanitra no afaka manoro lalana...
Raha ny ahy manokana dia tsy fombako loatra intsony (taloha aho no mpanao izany) ny manao be famaritra ny fahasoavan'Andriamanitra rehefa mivavaka manokana ka miteny toy izao rehefa any am-paran'ny vavaka manao hoe "izany sy izay rehetra mahasoa dia apetrako Aminao..." fa tena "précis" ny zavatra angatahiko rehefa mangataka...
Fa marina tokoa fa tsy voatery hangataka foana rehefa mivavaka fa mety tsara mihitsy ny midera ny fahatsaràn'Andriamanitra fotsiny ohatra... ny misaotra sy mankasitraka fotsiny rehefa mahazo valim-bavaka ohatra... ny mitanisa ny voninahitr'Andriamanitra fotsiny ohatra... na ireo ihany aza dia tena efa goavana raha ny fanantonana an'Andriamanitra no resahina...
23. Rasiligaoma
(
27/03/2007 12:10)
prime> Raha nivavaka izany ianao ka nanao precis : nangataka Vola be (ohatra io fa sao io indray no itarina an) ka tsy nahazo ilay notadiavinao... dia ahoana?
hay lasa niditra amin'izay koa ny Fanahy Masina fa lasa tsy ampy intsony ilay "sola scriptura":°):roll::-D
prime:
Tenin'Andriamanitra hatrany sy ny Fanahy Masin'Andriamanitra no afaka manoro lalana...
hay lasa niditra amin'izay koa ny Fanahy Masina fa lasa tsy ampy intsony ilay "sola scriptura":°):roll::-D
24. prime
(
03/04/2007 08:12)
rasiligaoma : Raha mivavaka aho ka précis dia fantatro raha efa mivaly na tsia ilay angatahiko (raha toa ka fangatahana ilay vavaka, nefa tsy voatery fangatahana foana araka ireo voalazako eo ambony ireo...)
Raha tsy mbola mivaly ilay vavaka (raha fangatahana ilay izy) dia tsy hamelako raha tsy mamaly ahy Andriamanitra (mitolona amam-bavaka)... ny valiny mety ho azoko amin'izay dia mazava tsara amiko hoe azoko tanteraka, azoko ampahany, tsy azoko fa zavatra hafa no nomen'Andriamanitra... (averiko indray raha fangatahana)... mazava hoa azy fa ao amin'ny sitrapon'Andriamanitra hatrany no ahitàna ny valiny (ny tenin'Andriamanitra omeny) mialoha vao hita mivaingana amin'ny fiainana andavanandro...

rasiligaoma:... :-D:-D:-D taiza aho no niteny hoe ampy ny sola scriptura? mila miverina mianatra ny momba ny protestantisma ise ry rasily...:-D:-D
hay lasa niditra amin'izay koa ny Fanahy Masina fa lasa tsy ampy intsony ilay "sola scriptura"