Mosary

21. Rasiligaoma ( 23/03/2007 12:02)
prime> fimehezana sy ozona aza no nahazo ny fariseo koa satria ry zareo nihevitra hoe ry zareo no tena "role" sy mpivavaka .. ary ny fombany "manaraka ny lalanan'i mosesy.. sy izay voasoratra " no tena mety!
22. prime ( 23/03/2007 13:14)
rasiligaoma> Fa tsy ry zareo aza ve no nihomehy sy naneso an'i Kristy? dia bedin'i Jesosy matetika?...:lol:
23. Rasiligaoma ( 23/03/2007 13:53)
samy mihomehy sy maneso izy ireo na i jesosy na ry zalahy
24. prime ( 23/03/2007 14:31)
rasiligaoma> Aiza kosa e... i Jesosy tsy naneso azy ireo fa niteny mafy... ry zareo sady naneso no naka fanahy mihitsy (fanoharana ny amin'ilay farantsa fandoa ho an'i Kaisara sy ny amin'ny sabata ohatra)

Jesosy tena nasiaka mihitsy satria tafahoatra ny fandrabirabiana sy ny fanalam-baraka nataon'ireto fariseo (lainga, eso, fanamelohana ho demoniaka mihitsy aza...) fa tsy naneso izy na dia indray mandeha aza...
25. kiranil ( 23/03/2007 14:32)
Soanja> Nahatsapa tena anga ianao t@ resaka nataoko tery ambony? izaho tsy nanonona anaran\'olona mihintsy na iray aza kanefa ianao toa vatravatra fitenenana sy misafoaka be ihany..

Nareo zany ilay karazan\'ny amin\'ny ilay mora tezitra ireny raha izany.. sa sao dia marary fo aloha ianareo ka ialako tsiny dieny mialoha.. fa amiko raha ka resy lahatra aho fa DISO ny Tenin\'Andriamanitra dia tsy misafoaka toa ny ataonao izao.. fa matoa misafoaka izay dia misy zavatra tsy mazava ao izay..

Tsy ny olona no mangetaheta ny fahitako azy fa ny te hanjanaka ara-tsaina no betsaka Dogma.
Ndao hojerentsika fotsiny ny nahatongavan\'ny Kristianisma tao MADAGASCAR. Raha hainao dia mba hazavao anie e! Fitaka be vava ho an\'ny Malagasy.


1- Ny fanjakana na ny repoblika frantsay t@ zany fotoana izany ange no nanampankevitra nanjanaka ny tanintsika e. BASY sy tafondro no nentiny namoretana sy namonona ny Malagasy razambentsika amanaliny fa tsy boky velively, koa aiza ilay hoe famitahana be vava ny Tenin\'Andriamanitra?

Iza no hanaiky ho zanahana sy vonoina @ boky? iza? raha tsy hoe anga atoroka mafy be eny @ loha ilay boky? hahaha.. fa mety vitsy ihany ho faty fa tsy amanaliny..vazivazy

2- raha toa ka ireo olona tsy mino an\'Andriamanitra toa an-dry fijo sy tsimiandravola no nilaza fa io voalazanao io ambony io dia tsy dia nanaitra ahy fa ianao \"Ramatoa Soanja\" izay milaza ny toy izao atsy ambadika atsy hoe::

Ny fiangonana mahavantana ahy satria manara-bady aho dia Pantekotista Mitambatra. Ny ao ampoko kosa dia tena tsy manana raikitra aho fa izay rehetra manaiky ny fisiako dia mahafaly ahy avokoa. Ny nahazatra ahy hatramin\'izay tamimbolakely dia Katolika Romanina toa anao, ary izaho dia mandala ny mahavehivavy ahy izay hisaorako an\'i \"Fo Madion\'i Maria\" mpitaiza.


Nefa mbola sahy milaza eto fa fandementsaina ny kristianisma???.. Tsy mena mivadika toa andro ririnina ve ianareo sa te hivadi-dela tsotra izao?

Raha hanalemy saina no tanjon\'ny Soratra Masina tsy nilaza ny toy izao::

\"aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin\'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin\'izao tontolo izao.\" IJaona 4:1

Mampianatra ny olona tsy hanaiky be fahatany ny fanahy rehetra fa mizaha toetra aloha..



I Galileo zao saika maty mihitsy nilaza fa mihetsika ny tany ary miodina. Tsy nety ny Papa fa tsy maintsy manao fianihanana izy fa tsy hiteny izany intsony raha tsy izany vonoina


Papa ange maka ny toeran\'Andriamanitra eto an-tany e.. za manaja an\'i papa amin\'ny maha ray amandreny azy fa tsy manaja kosa ny hevitra hoe izy dia omena fahefana tahaka an\'Andriamanitra eto an-tany ka nahatonga azy hamono olona t@ izany.

Ny Tenin\'Andriamanitra dia mamporisika ny decouverte sy ny siansa hamantarana ny momba ny zavatra noharin\'Andriamanitra mba hanomezana voninahitra Azy .

Ohabolana 25:2 Voninahitr\'Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.

Eny indray ary aloha fa @ manaraka indray manao misimisy fa ny ny hamaranako azy anga dia ny hoe::

Fanahy roa samy hafa ny ao anatinao sy ny Fanahy nampanoratra ny Soratra Masina; ka izay iray alehany na ianao no marina [arahaba soa arahaba tsara, raha izay tokoa no izy] na ny Tenin\'Andriamanitra.

Misaotra.





velou
26. cutie ( 23/03/2007 15:47)
hummmm
iza tsara i kiranil
toa mahita ps veloo manko za :lol::lol::lol::lol:
27. kiranil ( 23/03/2007 16:00)
cutie> tsy veloo za ka.. :D
28. kiranil ( 23/03/2007 17:29)
Ny teniny izay heverintsika fa teniny aza tsy misy mpihaino intsony eny an-tsena. Mila maka micro mivazavaza eran\'io mandalo fotsiny ny olona.


Ny tsy fihainon\'ny olona ny Tenin\'Andriamanitra tsy midika hoe diso izany teny izany.

Ohatra kely fotsiny: Ndana maka micro dia tatatatao eran\'ny lalana hoe 1+1=2!!!!!!. Ny zavatra azo antoka dia handalo fotsiny ny olona araky ny lazainao ary tsy hisy mpihaino ianao kanefa marina tsy iadinkevitra ny 1+1=2 na ihodina avia ianao na ihodiana avanana. :lol:

Sa ianao ilaza indray ianao hoe, tsy mihaino ilay hoe 1+1=2 intsony ny olona @ izao fotoana izao fa \"efa somary lany daty\" izany ka aleo ovana 1+1=5632453????? fa io angamba no mety ho takiany ny vanin\'andro amin\'izao.. 8O

Toy izay koa ny soratra rehetra voarakitra ao Soratra Masina. Hoy ianao hoe \"efa lany daty\"; ny Tenin\'Andriamananitra kosa tsy milaza izany mihintsy : vakio raha tianao ny Apok 1:1-3. sy ny 2 Timothy 3:16.

\"Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan\'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;\" IITimoty 4:3

Mazava be izany ry soanja a..

Tsy mahazaka ny fampianarana tsy misy kilema ny olona ka dia samy manao izay saimpatany fotsiny @ fivavahan-diso isankarazany sy ny hoe henoy fotsiny ny ao anatinao fa miteny ao Izy...

Fanahin\'Demony sy Losifera sy satana sns koa ange afaka miditra ao anatin\'ny olona koa ee...dia izany ve no henoina???

\"Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.\" Jaona 14:23

Ny fitandremana ny teny sy ny fampianaran\'i Jesosy Kristy ihany no fomba hidirany ato ampontsika fa tsy izay rehetra miteny hoe ato anatiko andriamanitra ilay namorina ahy kanefa tsy mitandrina ny teniny akory, no hoe tena ao anatiny tokoa Izy..

\"Fa izao zavatra izao no nataon\'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.\" Isaia 66:2

>>>> Iza no tsinjovin\'Andriamanitra??

Misaotra.



29. Zina ( 23/03/2007 17:56)
oy soanja,

Zany an! Hisaoranao ny fanjanahan-tany!
Mety tsy ny dadabenao marina no maty tamin'izany!

mety tsy t@ fanjanhan-tany angamba ny nidiran'ny Kristianity fa t@ anglisy tonga taty...na dia izany ary hisaorako ry zareo satria ny fianakaviako rehetra lasa Kristiana doly...

Hoy aho hoe: Ny baiboly dia boky somary efa lany daty. Efa mampiseho sy milaza momba azy Andriamanitra amin'ny alalan'ny fiainana andavanandro. Miseho amin'ny tsirairay amin'ny fomba isan-karazany. Mahereza mitory izay heverinao ho fahamarinana saingy mety izy heverinao tsy fihevitry ny hafa.

Tsy misy olana izany samy manana ny Safidiny isika.. fitenenana fotsiny ny eto.:wink:

kiranil :wink: velou = veloo = velo
30. soanja ( 23/03/2007 20:10)
kiranil:

Salut> Misaotra ny amin'ny fanamarihina nataonao. Hanome fanazavana fanampiny ary aho raha toa ka tsy mazava::

Ny sasany nolazaiko eto dia ireo milaza ny tenany fa kristianina kanefa mahalaza ny toy izao:

1- "Tsy lafatra ny Tenin'Andriamanitra":: Isika olombelona entin'ny filantsika fotsiny no tsy lafatra fa tsy ny Teniny velively..

"fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa;
araka ny voasoratra hoe: "Tsy misy marina na dia iray akory aza;
Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra.
Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza" (Sal. 14. 1-3)." Rom 3

Mpanota ny olona rehetra eo anatrehan'Andrimanitra fa ny mahasamy hafa azy dia misy ny nohamarinana dia ireo izay manetry tena ka mino ny famonjena natolotry Jesosy Kristy Azy; kanefa misy koa ireo izay mbola tsy manaiky izany.

Vakio ny tantaran'ireo jiolahy roa niara-nofantsihina t@ Jesosy. Ilay anakiray nanetry tena dia tafaray indray amin'Andriamanitra, ny anakiray kosa niavonavona hataramin'ny farafofonainy.

Na ilay tantaran'ilay mpamory hetra izay nanetry tena sy ilay fariseo nanamarintena ao @ Lioka 18.


2-"tsy ilaina intsony ny mamaky ny Soratra Masina na Baiboly amin'izao fotoana izao fa zavatra hafa indray izao no ilain'ny olona; efa hay tsianjery daholo koa ny ao anatin'io, no sady efa boky lany andro".

Dia jereo indray ny tenin'Andrimanitra::

"Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,
mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra"
II tim 3

Anjaran'ny mpijery no mandinika aiza ny fahamarinana.

3- "Izaho aloha dia tsy mino ny helo velively" :: Dia vakio ny Tenin'Andriamanitra raha misy mianamafy izany hoe tsy misy ny helo fa noforonin'olombelona.

http://jesus-is-savior.com/Basics/what_kind_of_god_would.htm


****************

FEHINY :: "aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao." IJaona 4:1

Ny Soratra Masina dia manentana ny olona tsy hino ny fanahy rehetra fa hizaha toetra izany na avy amin'Andrimanitra na tsia.

>> Ary izaho koa dia manamafy izany eto fa aza mino ny zavatra rehetra soratako eto fa izahao toetra raha avy amin'Andriamanitra izany voasoratra ary mifanaraka amin'ny Teniny fa sao dia mety ho vokatry ny fisainako fotsiny

Misaotra.


Kiranil , sambany aho nanonona ny anaranao satria ianao foana no mpanonona sy mpilaza amin'olona eto fa manompo an'izao sy izao aho. Raha alaiko eto daholo izany dia ho menatra ianao.

Fa ehe tsy probleme akory izany. Raha misy olona mahatanty soka eto de zah matoa zah tsy niala na dia naratsianao hatram'izay. Tsy mora tezitra aho ary zakako ny azo zakaina rehetra.

Tadidio fotsiny fa tsy miady amiko ny Dogme- nao ka ny handeha mbamin'ny lohanao aza dia tsy hahatafita izany ato an-dohako.

Efa impiry moa zah milaza fa miseho vatana. Soa fa mba efa lasa kiranil ianao fa tsy le xxx nahazatra intsony.

Tiavo le fahavalo hozy Jesoa. De noho izany dia hotiaviko ianao. :-*:-*:-*:-*:-*


31. sakaizakely ( 23/03/2007 21:20)
hono hoa ry zareo,

raha toa moa ka ny arabo no tonga nanjanaka antsika voalohany dia navadiny ho silamo daholo isika, dia mety ho niteny hoe "misaotra ny arabo fa lasa silamo daholo ny fianakaviako rehetra" ve isika ?

Ahoana no ahafahana mijoro ampahibemaso milaza fa ny fivavahana kristiana no tsara indrindra @ fivavahana rehetra ? Satria samy finoana daholo :roll:
32. Zina ( 23/03/2007 21:31)
raha toa moa ka ny arabo no tonga nanjanaka antsika voalohany dia navadiny ho silamo daholo isika, dia mety ho niteny hoe "misaotra ny arabo fa lasa silamo daholo ny fianakaviako rehetra" ve isika

mety ho possible mety tsy possible,
ireny anie aky efa lahatra e... Andriamanitra no nandefa ny misionera vaza tany amintsika fa tsy tonga2 tany fotsiny izy...mahery Andriamanitra...

Ahoana no ahafahana mijoro ampahibemaso milaza fa ny fivavahana kristiana no tsara indrindra @ fivavahana rehetra

Io no fahamarinana mbola averiko eto indray Andriamanitra mahery an'azy ny tany rehetra, ary izany no nasiany antsika Kristiana mba hijoro vavolombelona sy hitory amin'ny olona rehetra ny filazan-tsara...:-*
33. cutie ( 23/03/2007 22:10)
: kiranil [ Valio ] 23-03-2007 17:00:48
Lohateny : Re : Mosary
cutie> tsy veloo za ka..

ka manin misy we veloo ery ambany eruy
handeha hanontaniako i veloo zany :-D
34. cutie ( 23/03/2007 22:14)
hay moa velou fa tsy veloo :-D
35. kiranil ( 24/03/2007 23:23)
soanja>
Tiavo le fahavalo hozy Jesoa. De noho izany dia hotiaviko ianao...


Misaotra saonja an.. Izao no fanamarihina kely ataoko angamba:

Amiko tsy ireo izay manaja ny Baiboly ho Soratra sy Teny Masina avy amin\'Andriamanitra no manenjika anareo.

Raha mandinika @ fijery tsy miangatra ny mpamaky tonga eto dia izao :::

Ianareo (AT, agnostic, eny misy sahy milaza ny tenany ho kristianina katolika, protestanta, pantekotista ,..sns) no manenjika amin\'ny hoe \"mpidrindragilo, mpanao pli vava, mpitsimpona, baibolista, mpilaza ny zavatra efa hay tsianjery, mpilaza zavatra lainga, mpilaza dogma..sns\"--

Kanefa tsy atao mahakisy dy mahagaga io fa raha mbola eto an-tany foana dia tsy maintsy enjehina izay rehetra te-hanaja ny Tenin\'Andriamanitra.

Soanja, avohay eto izay zavatra nolazaiko any ambadika izay hitanao fa tsy mitombina fa tsy ataoko olana mihintsy . Ary hitondrako fanazavana @ mpamaky izany raha ilaina.

Izaho koa efa nilaza foana fa aza mino be fahatany izay lazaiko na izay lazain\'ny olona, fa mba izaha toetra aloha ny fanahy rehetra izay milaza zavatra eto raha tena mifanaraka amin\'ny Fanahin\' Andriamanitra, dia ilay Jehovah Andriamanitra namorona izao rehetra izao sy naniraka ny zanany lahitokana Jesosy kristy hamonjy ny olona ety an-tany.


>>> Fehiny :: Io Jesosy Kristy izay lazainao eo ambony io dia nampianatra ny hitia ny olona rehetra hatramin\'ny fahavalo; Izaho dia manamafy izany.

fa saingy io Jesosy io ihany koa no manamafy fa:: \"Misy dia Misy ny Helo..\" ary tsy resaka dogma izany fa TENA ZAVA MISY.

Kanefa moa ianao soanja dia sahy milaza ampahibemaso ny mifanohitra tanteraka amin\'izay. Ka izay ilay lazaiko foana hoe:: na ianao no marina 100%, na Jesosy Kristy.

Maro no tsy miraharaha izany afobe izany intsony @ izao isika miteny izao, indrisy, kanefa ny atongavako eto dia ny hampitandrina ny mpamaky hafa, izay tsy manamafy ny fony sy mitompo teny fatratra, mba tsy ho voafitaka.. sanatria tsy fampitahorana velively azy izany fa filazana ny zava-misy fa tsy \"dogme\" velively. http://jesus-is-savior.com/Basics/truth_about_hell.htm

Matoky ahy ianareo izay sendra tonga mamaky eto fa tsy niezaka ary tsy hiezaka hanova ny fisainanareo aho, satria mety efa misy namafisin\'Andriamanitra fo noho ny tsy firaharahiny ny Tenin\'Andriamanitra, fa ny andehanako eto dia mampitandrina ireo mpamaky izay mbola tsy nanamafy ny fony mba tsy ho voafitaka @ kabary mety ho tsara lahatra nefa tsy ahitana ny tena fahamarinana dia ilay filazantsara tsotra aon @ Jeosy Kristy.


**********************


1 Koa amin\'izany dia aoka hanahaka an\'Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala;

2 ary mandehana amin\'ny fitiavana, toy ny nitiavan\'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana [fanatitra alatsa-dra] amin\'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.

3 Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,

4 na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na vosodratsy, izay tokony hatao, fa aleo misaotra.

5 Fa fantatrareo marimarina, fa samy tsy manana lova eo amin\'ny fanjakan\'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).

6 Aza mety hofitahin\'olona amin\'ny teny foana hianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran\'Andriamanitra amin\'ny zanaky ny tsi-fanarahana.

7 Koa aza mety ho mpiombona aminy hianareo.

8 Fa maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin\'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava

9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin\'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),

10 mamantatra izay ankasitrahan\'ny Tompo.

11 Ary aza miray amin\'ny asan\'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.

12 Fa izay ataony ao amin\'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.

Efesiana 5.

Misaotra.

PS:: Miala tsiny be dia be raha somary lavalava kely..:D
36. kiranil ( 24/03/2007 23:27)
Kanefa tsy atao mahakisy dy mahagaga io fa raha mbola eto an-tany foana dia tsy maintsy enjehina izay rehetra te-hanaja ny Tenin'Andriamanitra.


Miala tsiny kely fa diso frapy..

>>> " tsy atao mahakivy sy mahahaga io fa raha mbola eto an-tany dia tsy mantsy enjehina izay rehetra te-hanaja ny Tenin'Andriamanitra...

Misaotra..
37. soanja ( 26/03/2007 00:02)
kiranil:

Soanja> Nahatsapa tena anga ianao t@ resaka nataoko tery ambony? izaho tsy nanonona anaran\'olona mihintsy na iray aza kanefa ianao toa vatravatra fitenenana sy misafoaka be ihany..

Nareo zany ilay karazan\'ny amin\'ny ilay mora tezitra ireny raha izany.. sa sao dia marary fo aloha ianareo ka ialako tsiny dieny mialoha.. fa amiko raha ka resy lahatra aho fa DISO ny Tenin\'Andriamanitra dia tsy misafoaka toa ny ataonao izao.. fa matoa misafoaka izay dia misy zavatra tsy mazava ao izay..

Tsy ny olona no mangetaheta ny fahitako azy fa ny te hanjanaka ara-tsaina no betsaka Dogma.
Ndao hojerentsika fotsiny ny nahatongavan\'ny Kristianisma tao MADAGASCAR. Raha hainao dia mba hazavao anie e! Fitaka be vava ho an\'ny Malagasy.


1- Ny fanjakana na ny repoblika frantsay t@ zany fotoana izany ange no nanampankevitra nanjanaka ny tanintsika e. BASY sy tafondro no nentiny namoretana sy namonona ny Malagasy razambentsika amanaliny fa tsy boky velively, koa aiza ilay hoe famitahana be vava ny Tenin\'Andriamanitra?

Iza no hanaiky ho zanahana sy vonoina @ boky? iza? raha tsy hoe anga atoroka mafy be eny @ loha ilay boky? hahaha.. fa mety vitsy ihany ho faty fa tsy amanaliny..vazivazy

2- raha toa ka ireo olona tsy mino an\'Andriamanitra toa an-dry fijo sy tsimiandravola no nilaza fa io voalazanao io ambony io dia tsy dia nanaitra ahy fa ianao \"Ramatoa Soanja\" izay milaza ny toy izao atsy ambadika atsy hoe::

Ny fiangonana mahavantana ahy satria manara-bady aho dia Pantekotista Mitambatra. Ny ao ampoko kosa dia tena tsy manana raikitra aho fa izay rehetra manaiky ny fisiako dia mahafaly ahy avokoa. Ny nahazatra ahy hatramin\'izay tamimbolakely dia Katolika Romanina toa anao, ary izaho dia mandala ny mahavehivavy ahy izay hisaorako an\'i \"Fo Madion\'i Maria\" mpitaiza.


Nefa mbola sahy milaza eto fa fandementsaina ny kristianisma???.. Tsy mena mivadika toa andro ririnina ve ianareo sa te hivadi-dela tsotra izao?

Raha hanalemy saina no tanjon\'ny Soratra Masina tsy nilaza ny toy izao::

\"aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin\'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin\'izao tontolo izao.\" IJaona 4:1

Mampianatra ny olona tsy hanaiky be fahatany ny fanahy rehetra fa mizaha toetra aloha..



I Galileo zao saika maty mihitsy nilaza fa mihetsika ny tany ary miodina. Tsy nety ny Papa fa tsy maintsy manao fianihanana izy fa tsy hiteny izany intsony raha tsy izany vonoina


Papa ange maka ny toeran\'Andriamanitra eto an-tany e.. za manaja an\'i papa amin\'ny maha ray amandreny azy fa tsy manaja kosa ny hevitra hoe izy dia omena fahefana tahaka an\'Andriamanitra eto an-tany ka nahatonga azy hamono olona t@ izany.

Ny Tenin\'Andriamanitra dia mamporisika ny decouverte sy ny siansa hamantarana ny momba ny zavatra noharin\'Andriamanitra mba hanomezana voninahitra Azy .

Ohabolana 25:2 Voninahitr\'Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.

Eny indray ary aloha fa @ manaraka indray manao misimisy fa ny ny hamaranako azy anga dia ny hoe::

Fanahy roa samy hafa ny ao anatinao sy ny Fanahy nampanoratra ny Soratra Masina; ka izay iray alehany na ianao no marina [arahaba soa arahaba tsara, raha izay tokoa no izy] na ny Tenin\'Andriamanitra.

Misaotra.





velou


Kristianina aho fa tsy mitovy amin'ny Kristianina vozin'izay milaza azy ho Kristianina raha toa ka ny baiboly no lalana sy ny fahamarinana tanteraka.
Amiko i JESOA no Fahamarinana ary ao anatiko ny fanahy no manome izany torolalana izany. Tsy miady hevitra no ho io aho.

Ie Pantekostisata aho satria izay no avadiko ka inona no olanao amzany. Manaraka azy aho satria izay no fiarahamonina mety sy milamina fa tsy midika hoe noir sur blanc ny ao anatiko. Izay fakanao an'io tsy blem akory.

Hozy i Luther mantsy an'i Copernicus ilay filozofy malaza. " Mihaino ny olona ary tsy izay astroger vao mianamamindra akory no hilaza fa miodina ny tany, fa tsy ny lanitra na ny firmaments, ny volana sy ny masoandro... Io adala io dia manantena fa hamadika ny voalazan'i soratra masina amin'ny izay science of astronomy-any any."

Calvin ndray moman'io ihany: "Iza no sahy hanova ny fahefan'ny fiangonana sy ny Fanahy Masina amin'izay fahaizan'i Copernicus?"

Koa tadidio fa ireo izay nandahatra ny baiboly dia anisan'ny nitsipka ny siansa. :-*:-*:-*


38. prime ( 26/03/2007 14:29)
O ry soanja a, tsy hifanenjika araka ny finoana eto no ahazoana ilay tena fahazavàna... tsy ny fanamarinana fa diso i Lotera sy Calvin akory no mahamarina izay lazain'ny hafa.... efa saiky tsy hilaza ireto aho nefa moa dia tsara ihany ny ilazàna azy mba ahafantarana ny marina...

http://fr.wikisource.org/wiki/Histoire_des_papes,_rois,_reines,_empereurs_%C3%A0_travers_les_si%C3%A8cles_-_II
http://fr.wikisource.org/wiki/Histoire_des_papes%2C_rois%2C_reines%2C_empereurs_%C3%A0_travers_les_si%C3%A8cles_-_Pascal_II
http://perso.orange.fr/union.rationaliste44/Cadres%20Dossiers%20en%20Ligne/Dossiers_en_ligne/Philosophie/Encyclopedie/Encyclopedie_inquisition.htm
http://www.infobretagne.com/liste-des-papes.htm

Maro ny zavatra tsy nety nataon'ny fiangonana ary tsy misy mahamarina izany na dia iray aza... noho ireny indrindra no tsy itsaharana ilazàna fa ny Tenin'Andriamanitra no "textes de base" tokony iaingàn'ny fahamarinana rehetra... ary izany ihany koa no mbola mahafototra ny baiboly... kanefa moa indrisy fa io mihitsy no tsy itoviana hevitra...

Fa dia samy mazotoa amin'ny finoany avy, aoka anie Kristy no hanazava ny fontsika mba tena itoerana marina ao amin'ilay Andriamanitra tokana dia ny Rain'i Jesosy Kristy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0807