fanontaniana hoan'ny pretra

21. majesty ( 23/03/2007 07:47)
Hoy salut:

Raha tsy diso aho dia niteny tamin'ireo mpianany Jesoa hoe: ny fahotana izay avelanareo dia voavela. Ka ahoana no ilazanao fa tsy tokony hanao izany ny Pretra? Nomena fahefana hanao izany izy ka tsy mantsy manao izany na dia isany andraikitra sarotra indrindra ho azy aza izany.
Tsarako tsara fa niteny koa i Jesoa hoe: raha eo am-panolorana sorona ianao no mahatsapa fa nanana hadisoana tamin'ny rahalahanao dia mandehana mangata-pamelana aminy aloha... Mila miaiky fa diso isika mba handraisana ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo nanaovana hadisoana sy amin'ny alalan'ny solon-tenany eo anivontsika


Sao dia mba ny fahotana izay nataon'ny olona tamintsika no noresahan'i Jesoa t@ io fa ho voavela rehefa avelantsika,ary mbola manohana izany io lazainao io hoe "raha manatitra ny fanatitrao enao ka mbola misy olona manana alahelo aminao ....mangataha famelana aminy"
Satria na ny Jiosy aza nilaza an'i Jesosy hoe manao blaspemia ilehio,fa iza moa no afaka mamela heloka afa tsy Andriamanitra,
anjarantsika ny mieritreritra :D
22. ari.malala ( 23/03/2007 08:13)
Fiffi a, tsy hoe nahavita zavatra tsy norm za vao hikonfesy, fa rehefa nahavita zavatra tsy norm oha za de tsy mandry ny saiko raha tsy mandeha mikonfesy aloha, fa rehefa nahavita zavatra tsy norm aho dia na ny Rainay any andanitra aza tsy vitako fa menatra aho.

majesty, ka i JEsoa anie Andriamanitra e! sady Andriamanitra izy no olombelona, ko nahoana no hoe manao blasfemia izy? ny fitsaran'Andriamanitra tys fitsaran'olombelona izay ilay ho e ny fihevitro sy fihevitrareo!

Fjo a, ianao no tsy mino dia anao izay, fa izaho efa ela no nino, ary mbola mino, ary mbola hino fa ny pretra dia irak'i Jesoa, manampy ny dimbin'ny Apôstoly, nahazo fahefana manokana hamela heloka @ anaran'i JEsoa izy ireny dia mandeha any aho rehefa ilaina izany :-)
23. Rasiligaoma ( 23/03/2007 12:29)
rehefa tsy mandry ny saina... mandehana mikonfesy e
24. Fiffi ( 23/03/2007 13:26)
io hiany no solution.....
25. Zina ( 23/03/2007 18:01)
dia izay zany ko inn dray moa:wink:
26. Zina ( 23/03/2007 20:00)
Ity jereo momban'ny confesy.
Salamo 32:5
Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
Je t'ai fait connaître mon péché, je n'ai pas caché mon iniquité; J'ai dit: J'avouerai mes transgressions à l'Éternel! Et tu as effacé la peine de mon péché.
5I acknowledge my sin unto thee, and mine iniquity have I not hid. I said, I will confess my transgressions unto the LORD; and thou forgavest the iniquity of my sin.
27. Fiffi ( 23/03/2007 20:43)
Sambatra ny olona izay voavèla ny helony sy voasarona ny fahotany.......
28. niryna ( 24/03/2007 00:18)
ikaretsaka:

Io no atao hoe "Tsiambaratelon'ny Kaonfesy".. efa fantatry ny polisy io normalement.

Rehefa mikaonfesy koa dia ny tokony atao an-tsaina sy-ampo dia hoe Andriamanitra no ikaonfesena sy ilazana ny ota. Fa i mompera ange mihaino fotsiny e! manampy sy manoro hevitra anao amin'ilay vavakao sy Andriamanitra.

Tsy miditra lalina fa Theology grave be io ary semesters 2 no lanin'ny seminarista sasany mandinika an'io fotsiny!





namaste ika.
29. Rasiligaoma ( 24/03/2007 13:27)
Bravo Ikar> rehefa zavatra tsy hay marina dia ianaro aloha na mangala info misimisy alohan'ny hijerena raha mety na tsy mety ilay izy
izay vao manakiana.

Tsy amin'ny maha resa-pinoana azy ity fa resaka fiainana amin'ny ankapobeny:

ny hitako zavatra tsara @ le konfensy koa dia ilay izy misy fandinihantena lalina be aloha hoe avy aiza aho izao dia hankaiza, inona daholo ny nataoko, dia inona no tsy nety, mba tonga saina aho , dia miezaka tsy hanao an'iny intsony aho amin'ny sisa

noho ilay manao fotsiny hoe avelao ny fahotako andriamanitra o! nefa tsy fantatro akory hoe inona ny nety sy tsy nety nataoko,dia lasa tsy misy voka-tsoa amin'ny fiainana akory ilay mangataka famelana, de aby eo ny teo ihany no teo

Sady aleoko milaza ilay izy @ Mompera gratosy toy izay handeha handany vola hanarama psy le!:-P avy eo iny hitoroka anahy! tsy hay tsy hay voalavo!
30. pissoa ( 25/03/2007 09:21)
ny hitako zavatra tsara @ le konfensy koa dia ilay izy misy fandinihantena lalina be aloha hoe avy aiza aho izao dia hankaiza, inona daholo ny nataoko, dia inona no tsy nety, mba tonga saina aho , dia miezaka tsy hanao an'iny intsony aho amin'ny sisa

noho ilay manao fotsiny hoe avelao ny fahotako andriamanitra o! nefa tsy fantatro akory hoe inona ny nety sy tsy nety nataoko,dia lasa tsy misy voka-tsoa amin'ny fiainana akory ilay mangataka famelana, de aby eo ny teo ihany no teo

Io koa no tena hitako tombony be aminy ! Mba ho tena tsapa ny tsy mety natao, ary mitaky zavatra betsaka amiko ny fandehana miKonfesy indray mandeha fa tsy vitavita mora ... Izaho manokana aloha, raha ny hevitra asehon'i Prime sy ry Zina sy ny tariny eto amin'ny forum, dia mahita hoe toa "Vitavita ho azy" ny fahotana amin'ny "Fiangonana" sasany e (de faly ery ny Devoly ozy ny fiteny mahazatra ny hafa eto amin'ny forum :-D). Tsy hidirako lalina nefa fa hitako hoe ampy ahy ary mety amiko ny arahiko amin'izao. :-D:-D:-D
31. rush ( 25/03/2007 09:53)
pissoa:
amiko ny fandehana miKonfesy indray mandeha fa tsy vitavita mora ... Izaho manokana aloha, raha ny hevitra asehon'i Prime sy ry Zina sy ny tariny eto amin'ny forum, dia mahita hoe toa "Vitavita ho azy" ny fahotana amin'ny "Fiangonana" sasany e (de faly ery ny Devoly ozy ny fiteny mahazatra ny hafa eto amin'ny forum :-D).
tsy mahagaga io ry pissoa a!izany ny azy hoe vitavita moramora avokoa ny zavatra rehetra rehefa misy ny finiavana!ny zavatra tsy fantany angamba dia ny hoe tsy zavatra mora ary tsy raisina ohatran'ny fihinanam-bariny io fandehanana mibebaka io!be dia be ny zavatra ilaina sy hatao alohan'ny andehanana hibebaka fa tsy hoe lazaina foana ny olona hoe mandehana mibebaka e!i Prime aloha no hitako be ziriziry @ tsy misy antony mihintsy indraindray e!


32. ikaretsaka ( 25/03/2007 18:03)
sarotra dia sarotra tokoa ny mibebaka fa tsy vitan'ny hoe avelao ny fahotanay de izay fotsiny:roll:
Marina daholo ireo voalaza ireo satria inona tokoa moa ny angatahana famelana ilay heloka nefa tsy fantatrao akory ny nataonao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.097