Ny finoana=>schizophrénie

21. Salut ( 22/03/2007 18:03)
Fijo: tsy nahita fotsiny raha izay no tianao ho fantatra fa zary iray aina tanteraka tamin'i Kristy, ka nitondra ny fery diminy: Padre Pio, Saint François d'Assise, Marthe Robbin.
Porofo hita-maso ireo fa misy Andriamanitra.

22. Salut ( 22/03/2007 19:41)
Tsy voaporofo hoe ny fisian'Andriamanitra. Ny marina kokoa angmba dia hoe tsy te hanaiky ny fisian'Andriamanitra ny sasany. Raha niresaka tamin'i Fijo manokana aho dia niaiky izy fa:

1- Tsy azo lavina fa nisy niandohany ny misy rehetra.

2- Tsy mbola afaka manazava ny zava-misy rehetra koa ny siansa, izay itompony teny fatratra.

3- Ekeny fa mahavita zavatra tsy vitan'ny mpahay siansa ny Mpanao fanafody gasy, ary mbola tsy hain'ireo mpahay siansa koa ny manazava izany.

4- Ekeny fa maro tokoa ny zava-miseho tsy mbola hain'ny siansa ny manazava azy (raha nasaina nijery ny zava-mahagaga niseho tamin'ny fiainan'ireo mpino vitsivitsy izy)

Tsoa-kevitra:
1- Ny tsy fandavany fa misy niandohana ny misy rehetra dia efa porofo iray ny fisian'Andriamanitra

2- Ny fiekeny fa mbola be ny zavatra tsy hain'ny siansa hazavaina dia midika fa tsy izay voaporofon'ny siansa ihany akory no misy. Noho izany na tsy voaporofon'ny mpahay siansa aza fa misy Andriamanitra dia misy

3- Ny fiekeny fa tsy mbola afaka manazava ny zava-bitan'ireo mpanao ody gasy ny siansa (ary sahiko ny milaza fa tsy hahita fanazavana azo omena momba an'izany izy), dia afahana milaza fa raha ny siansa no ianteherana hanazavana ny herin'Andriamanitra dia ho aina very maina, satria ny herin'ny haizina aza tsy hahitany mangirana.

4- Ekeny koa fa misy ny zavatra mbola tsy ahitana fanazavana hatramin'izao nefa tsy azony lavina ny fisiany. Milaza izany fa misy ny misy tsy hay hazavaina.

Raha te hahalala an'Andriamanitra ianao dia aza varina loatra amin'izay nohariany ka hitady fanazavana lava amin'ireo, fa akaro kely ny fomba fandinika. Raha te hahalala izay nanao ny fiara Toyota, ohatra, de tsy fanazavana ny fomba fihodin'ny motera ao aminy no hahalalana izay namorona azy fa ny fandehanana any amin'ilay orin'asa namorona azy. Ny fihaonanao amin'izay olona ao sy firesahanao amin'ireo no hahalalanao ilay namorona azy...
Sarin-teny io, nefa ampy ilazana fa fahadisoana ny fihezahana manaporofo ny tsy fisian'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanomezana petra-kevitra maromaro miainga avy amin'ny zava-boaary.
23. diamondra27 ( 22/03/2007 19:45)
eritra:

Ekeko fa maro amin' ny kristiana eto amin' ny forum no somary mora miakatra rehefa sendra mamaly ny hevitr'ireo tsy mpino saingy heveriko fa amin'ny maha-olombelona saro-piaro amin'ny finoany azy izany ary tsy omeko tsiny izy ireo fa kosa ny Soratra Masina dia mampianatra ny hoe "aoka ho malain-kotezitra , mihavana amin'ny olona rehetra araka izay azo "sns...
Noho izany dia tsy ny personnalité ny olona anankiray no tokony hitsarana ny mahamarina na tsia ny finoany fa ny Soratra Masina ihany.

__________________________________________________

eny ho'aho momba anao aho

tsy tokony ny réligion no dradradradraina fa JESOSY raha tena Kristiana amiko

Ny fomba fotsiny no tsy mitovy fa samy mino an'i Jesosy sy mitory Azy ny Kristiana
Ny tsy mpino @izany dia vao maika very sy mahazo aina satria tsy hainy intsony izay tena marina.

Hoy ny SM raha misy mirehareha dia aoka Jehovah no reharehany ( amiko izany tokony tsy hi-afficher hoe: za katolika na protestana pentekotista na inona...)

24. Salut ( 22/03/2007 19:56)
Lazaina fa hadalana ny mino. Ambara fa efa misy kely sy adala ny kristiana.... Mahagaga anefa fa ny adala no mahalala mizara ny soa ho an'ny olona, fa ny hendry kosa dia tsy mahita afatsy ny tenany ihany sy zay mahafinaritra azy. Ny adala no milofo mampianatra ny zaza tsy mba misy mpanampy, mitsabo ny olona tsy manam-bola sns... fa ny hendry tsy mitsahatra ny manambaka sy mifetsy ny sasany...

Fantaro fa izay manda Andriamanitra dia zary lasa andevozin'ny zava-mandalo: vola, sex, harena, voninahitra, sns...

25. tsimiandravola ( 22/03/2007 21:32)
Salut:

.... Mahagaga anefa fa ny adala no mahalala mizara ny soa ho an'ny olona
§Fantaro koa fa izay soa rehetra dia eritreretin'ny kristiana fa avy aminy daholo,toy izany koa ny fampiantefana ny soa sy ny morale tsara rehetra amin'ny Dieu Kristiana.Vokatr'izany dia toy ny tsy misy soa sy tsara mihitsy avy amin'ny tsy mpino fa lasa monopole kristiana daholo izay tsara sy mendrika rehetra izao.

Toy izany koa ny an'ny musulman: raha misy musulman mila fanampiana ohatra ka ampianao izy,dia zara izy fa misaotra anao satria tsy ianao no ni-rendre service azy fa i Allah.Izany ve tsy natao handrangitra???

Raha iverenana ny eo amin'ny kristiana dia azo lazaina mihitsy ny hoe "usurpation" izany hoe fangalarana ny soa sy ny tsara rehetra ka aompana any amin'ny Andriamaniny.
Salut:
, fa ny hendry kosa dia tsy mahita afatsy ny tenany ihany sy zay mahafinaritra azy
.Mazava loatra fa voaenjika ny tsy mpino.
Ny adala no milofo mampianatra ny zaza tsy mba misy mpanampy, mitsabo ny olona tsy manam-bola sns...
idem
fa ny hendry tsy mitsahatra ny manambaka sy mifetsy ny sasany..
.

Fantaro fa izay manda Andriamanitra dia zary lasa andevozin'ny zava-mandalo: vola, sex, harena, voninahitra, sns...
Izany mihitsy...ary fantaro fa matsiro be ny sex,saingy mba asaovy manisy kapaoty ry maopera rehefa mikomaka fa sao tratran'ny HIV ka sao mihanaka any amin'ny paroisiennes.:°)

Farany dia tsy te hiaro an'i fijo aho akory fa hitako fa mba tena nijabaka mihitsy i lery an!Amin'ny fisiana na tsy fisian'Andriamanitra ve dia sujet ho hita hiadian-kevitra ra-Fijo a! Aza miditra amin'izany hoaho!Ataon'dry Salut sy ny tariny masiso amin'izany ianao.Hevitra iny ary ny hevitra samy azo asosa,fa saingy toy ny fahavorianalika ihany ny famosahan-kevitra toy izany ka ny hevitra tapaka tsisy fa ny oro-bd no betsaka.

Fa izao e (efa imbetsaka aho no manipika an'ity) Ny Andriamanitra (singulier na pluriel) wa dia mety misy,ary mety tsy misy.Raharahanareo izany.Ny ahy ny fantatro fotsiny dia izao:raha misy andriamanitra dia tsy i Jehova mihitsy no izy,ary soa ihany fa tsy io Jehova io no andriamanitra hoy aho teo aloha fa raha tsy izany efa ela aho no lasa vongantsira.Ary i Jesoa dia tsy nisy na hoviana na hoviana,na ara-tantara na ara-nofo.

26. prime ( 23/03/2007 13:29)
tsimiandravola> Indrisy ho anao fa nisy Izy...:)
27. Salut ( 23/03/2007 14:01)
Izany mihitsy...ary fantaro fa matsiro be ny sex,

Dia tsy mahagaga raha be ny viole ao amin'ny tontolo tsy mino an'Andriamanitra satria izay mahafinaritra no tadiavina ka zary tsy misy fanajana ny hafa intsony.
Ao amin'ny tontolon'ny tsy mino koa dia manjaka ny tsy fandraisana andraikitra amin'izay natao (l'irresponsabilité). Porofon'izany io lazainao io: Manao firaisana nefa tsy te hizaka ny vokany dia mampiasa kapoty. Fantaro fa ny Fiangonana dia mampianatra mandra-kariva ny olona hanaja ny maha olona sy hahay hifehy tena.

Ny fandavanao ny fisian'i Kristy dia manamafy ny fisiany satria tsy afaka hankahala na hanohitra olona tsy misy velively ianao. Ary isaory Andriamanitra fa Izy no Andriamanitra raha tsy izany efa tsy isan'ny velona intsony ianao. Izy mantsy Fitiavana, tia ny olona rehetra, manome ny fahafahana ho an'ny rehetra koa, ary manasoa na dia ireo manoso-potaka ny anarany aza.
28. naughtyboy ( 26/03/2007 19:33)
tsimiandra malalaka ny fisiany ny safidinao nefa tsy azo anakonana reo zvtsoa nomeny anao aminy fiainana ho vavolombelony asany,na ho takomanao aza ny maso sy tapenana ny sofina idina ny fo akatona ny saina sns..
Tsy misy olona tsy resiny fitiavana zany na iza2 ,otrany rivotra mamelona aina io,afaka miteny mintsy enao oe tsy Jehovah na A/tra no izy satria safidy zay fa ny maniry ratsy ho any tena toy ny oe:
\'ra tsy zany aho lasa vongatsira\' tena fehinkevitra tsy mitombina loatra satria tsy misy olona aniry ratsy ny tenany zany manoloana ny zv tsy misy.
fampatsiahivana: tsy mitraotra mintsy aho fa malalaka ny saiko mamerina, teny voalaza eo ambony
Ka ozy za Il y a 1 debut a tout, meme en matiere de connerie!tsy ianao rery ko no lazaiko amy io fa io le failure toetra voajanahary @ olombelona(miteny2 foana ndray2)..

29. tsimiandravola ( 26/03/2007 22:31)
Salut:

Izany mihitsy...ary fantaro fa matsiro be ny sex,

Dia tsy mahagaga raha be ny viole ao amin'ny tontolo tsy mino an'Andriamanitra satria izay mahafinaritra no tadiavina ka zary tsy misy fanajana ny hafa intsony.
Ao amin'ny tontolon'ny tsy mino koa dia manjaka ny tsy fandraisana andraikitra amin'izay natao (l'irresponsabilité). Porofon'izany io lazainao io: Manao firaisana nefa tsy te hizaka ny vokany dia mampiasa kapoty. Fantaro fa ny Fiangonana dia mampianatra mandra-kariva ny olona hanaja ny maha olona sy hahay hifehy tena.

Ny fandavanao ny fisian'i Kristy dia manamafy ny fisiany satria tsy afaka hankahala na hanohitra olona tsy misy velively ianao. Ary isaory Andriamanitra fa Izy no Andriamanitra raha tsy izany efa tsy isan'ny velona intsony ianao. Izy mantsy Fitiavana, tia ny olona rehetra, manome ny fahafahana ho an'ny rehetra koa, ary manasoa na dia ireo manoso-potaka ny anarany aza.

Interessant!:lol:
30. soanja ( 29/03/2007 06:24)
tsimiandravola:

http://atilf.atilf.fr/dendien/scripts/fast.exe?mot=schizophr%E9nie
Raha tsorina dia voadika matetika amin'ny hoe fisamahan'ny mahaolona.Satria manao tantanana roa lela ny mpino matetika ,ary malama toy ny savony.Sarotra be ny mandray azy ,ary mahita havaly foana ry zareo.Tsy mahagaga mihitsy raha mitady hitroatra ny mpanohitra indraindray.Ny mahagaga kosa dia ny fahatsapana fa ry zareo mpino indray no mitroatra voalohany:ohatra hoe andriamatoa Ra-Piste:diniho ange ny famaliny ny resako ê!!:D Izahay tsy mpino ange tsy voafehin'ny morale kristiana ê,fa ianareo afatotry ny morale-nareo nefa ianareo indray no miseho mitraotra!:D
Sa ahoana ra-Piste?:-*

Mahavariana ahy be ity size ity.
Mazotoa nareo.
Tsiamiandra a, ny zavatra iray lehibe koa mila ananan'ny Mpino Kristianina hitory teny rehetra rehefa mino izy dia ny fahaizana mandahan-teny sy mandresy lahatra. Na dia eo koa aza Andriamanitra /finoana fa manampy azy amin'izany asa izany.
Ny olana anefa hitako dia tsy natokana ho an'olona rehetra io asa fitoriana teny io. Ka raha sendra ilay tsy manana izany skills na gift na fahaizana izany dia io voateninao io tokoa no mitranga.
hatramin'zao aloha dia mazava fa tsy mbola nandaitra taminao ireo asa ireo na tafita tany aminao le hafatra! Mbola miandry an'ilay tena mahay azy! :D

31. boubounezy ( 30/03/2007 10:49)
^:^^:^^:^^:^^:^=D=D=D
32. rabilabila ( 31/03/2007 00:52)
Dia tsy mahagaga raha be ny viole ao amin'ny tontolo tsy mino an'Andriamanitra satria izay mahafinaritra no tadiavina ka zary tsy misy fanajana ny hafa intsony

Nisy statistika vao nivoaka tsy ela izay milaza fa :Amin'ny isan'ireo olona rehetra any am-ponja dia vitsy dia vitsy ny "tsy mpino"(athée) ary ny ankabeazany dia migadra noho ny heviny fa tsy " délits de nature criminelle".Indrindra fa any Etazonia ,any amin'ny etat vitsivitsy dia voasazy mafy (migadra) ireo olona sahy milaza ampahibemaso ny tsy finoany( ohatra i Gott mpanao politika ,dépioté voafidy indroa ).

Ao amin'ny tontolon'ny tsy mino koa dia manjaka ny tsy fandraisana andraikitra amin'izay natao (l'irresponsabilité).

Fa inona no ao amin'ny tontolon'ny mpino ?
Famonoana olona aman-tapitrisany ?amin'ny alàlan'ny fanandevozana ,fanjanahana,eny fa na ady amin'ny samy izy ihany aza (inquisition) .Iza no ankabeazan'ireo olona nandeha nandripaka ny mponina tao Zamerika hakàna ny tàniny ? Dia avy eo nanao sesitany ireo afrikana (novidiana) ho andevoizina?
Fakana andraikitra ve no miteny amin'ireo olombelona hoe "aza manao kapoty" nefa ny fiparitahan'ny sida efa handringana kotinanta iray manontolo ?
Ankoatry ny tany koministe (izay marihina fa ny athéisme dia idéologie ary tsy nofinidy fa natao tery vozona )dia ny kristianina (vokin'ny tantaran'i Josoa ) no niady , nampiady ,ary namono olona betsaka indrindra ary noho ny inona ? Ny tany Rwanda,tany Yougoslavie, ny teto Eoropa (iza ireo nifidy sy nampakatra an'i Hitker te amin'ny fitondrana?) ,ary fantatra ny vokany.

33. soanja ( 01/04/2007 00:36)
rabilabila:

Zavatra tena misy aby io amin'ny lafin'ny Mpino sy tsy mpino. Samy efa nanao "ratsy aby" eo amin'ny fiarahamonina ka migadra sns.
Tsy any le izy no mipetraka fa hoe: " izay hinoanao ve manome hatsarana anao sy ny tontolo iainanao ; tafiditra ao ny olombelona rehetra sy ny rehetra ato amin'ny universe?"
Rehefa tsy ireo no mitranga dia sasapoana ny fanompoana amiko.
Omeko ohatra iray ny olombelona tena deraiko ny asany sy ny tranga nasehony dia I Mother Theresa.
Sambatra aho raha toa azy!

34. rabilabila ( 01/04/2007 22:59)
Soanja:

Tsy voatery" hino"Soanja a! Efa hita izao fa efa tapitr'isa maro no niforonan'ny olombelona (raha ekenao izany fa tsy ny création no hinoanao).Ka raha tao anatin'izay fotoana lavabe izay izy no tsy nanana "fahendrena",na "conscience" sy "raison"dia efa ripaka tsy nisy intsony ,tsy niserasera teto akory isika.
Raha toa indray moa ka ny créatio no hinoanao dia hafa indray ny fandehany.

Ary izaho tsy mandà ny fanaovan-dratsy ataon'izay olombelona (na iza izy na iza ),ny tsy ekeko fotsiny dia ilay ekasiona "tsy mino =mpanao ratsy.Ny cntraire aza matetika no miseho raha ny tantara no zohiana.

Fa i Mère Théresa rehefa narary dia nitady mpitsabo fa tsy nanao ny "fanekena" ny fahafatesana izay nampianariny an'ireo Indiana mahantra "nampiany" .
Ny tiako lazaina dia :Azoko atao ny midera ny zavatra nataon'ny olombelona iray ,sans pour autant hanaraka ny idéolojiany.
(ohatra:Izaho izao faly fa vita ny làlana ,fa izaho indray tsy hino fotsiny ihany :lol:)
35. soanja ( 02/04/2007 03:10)

O Rabilabila, Ekeko aby ny raha tarogninao. Tsa mahita diso amin'izay aho.

Ny Creation vs evolution dia mino ny evolution aho ary tena fantatro avy tamin'ny fianarana ny fiaingan'ny nahaolombelona antsika sns. Siangy kosa ny elements nanamboarana antsika sy ny Universe dia iray (zany hoe ny etona sy ny vy sns ao amintsika dia hita any koa) Iray zany isika sy ny Universe amiko. Fototra IRAY. Finoana io an. Fa ny siansa efa nanaporofo.
Efa voaporofo ny siansa izany raha ny amin'n galaxieS manodidina antsika sy ny momba antsika. Ary mbola miasa foana ry zareo tsy mitsahatra mikaroka, izay isaorako an'Andriamaniatra nanome azy ny saina sy ny atidoha ary ny energy tsy ho kivy hikaroka.
Amiko dia azo jerena amin'ny fomba roa ny zava-drehetra ary ampifandraisina:
RAha mijery ny supernova eo amin'ny computer na tele na telescope aho dia hahatsapa fa efa voafaritra ara-tsiansa zany hoe efa misy formules mampifandraika ny fitrangan'iny seho iny na zavanisy iny, zany hoe mety mbola tsy voazavan'i siansa fa mbola kosa na ho avy izany satria "biby mikaroka ny olombelona" sasany fa tsy midodonanam-poana miandry tolorana.
Eo ampijerena azy aho dia mahita Andriamanitra miasa! Asa na azonao. Ka raha tsia dia tsy manahy fa sarotra be ny manazava azy.
Raha miposaka voa maraina ny masoandro dia fantatro hoe niodina ny tany tamin'ny alina ary mbola miodina izy izao, ary mahatsapa aho fa fitiavan'Andriamanitra ny mbola nanomezany ahy io andro io ahitako ilay masoandro sy isaorako azy amin'ny "zavabitany" nampiodina ny tany.

Misy force ao ry Rabilabila a! Asa na ahita an'io ny siansa na tsia fa zah kosa dia hilaza aminao fa mahery io forca io ary maharitra mandrakizay ka na ho levona aza ny tany Izy mbola ao foana manodina ny hafa. Isika fotsiny no lasa fa ny planeta sy ny galaxies hafa mbola miaina azy.

Io forca io no Andriamanitra amiko ary ao anatiko izy, ety ivelany amin'ny zavaboary ary ao amintsika tsirairay avy mitantana antsika. Tadiavo Izy na Katsaho Izy fa hohitanao! Bizz :-*:-*:-*:-*:-*

36. prime ( 02/04/2007 13:35)
rabilabila> Na avadika aza ny ekoasiôna nomenao dia vao maika tsy mitombina... satria ireo olona eritreretinao nanao ireo habibiana tianao ahatongavana ireo dia mbola anisan'ny tsy mino ihany koa na dia nitonona ho fiangonana aza...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0626