ahoana ny ataonareo?

1. LazaDaddy ( 21/03/2007 06:55)
Miala tsiny fa averiko ilay fanontaniako teo aloha fa misy manodin-dresaka sy faly hanelingelina fotsiny. Aoka ho matotra ny valiteny azafady fa tsy toerana fampisehoana tsy fahamatorana ito sehatra ito.

Ahoana ny ataonareo mba hampitombo ny fitiavanareo ny Tenin'Andriamanitra? (Fianarana sy fampiharana).
novalian'i Zina ny 22/03/2007 14:56
2. kally ( 21/03/2007 08:51)
Ny ahy maka tantara aho dia ezahiko asiana sary sy atao amin'ny teny tsotra, somary misy voambolana manahirana ihany mantsy ao indraindray,fa be zavatra mampihomehy ahy ao anaty Baiboly ao.Iny aloha fahafinaretana ivelany fotsiny.
Raha ny fampiharana dia ampiasaiko ho toy ny fitaratra ny Tenin'Andriamanitra,eo aho no mitaratra ny fiainako ka hitako ao izay tsy mety ka tokony hahitsy.Rehefa varimbariana aho ka lavitra ahy ilay fitaratra dia hitako fa mandeha mitolila ihany aho.
3. simplex ( 21/03/2007 10:37)
za ndray aloha tsy mazoto mamaky baiboly, fa refa mamaky ah d any @ testamenta taloha foana no mamaky. Any manko otran'ny misy tantara kely izany le izy. Sady mafinaritra ny mi-imaginer an'le scenario t@ andro taloha izany. Somary fahafinaretana koa io izany. Taloha io no tena nataoko fa izao efa manana boky bedabe ho vakiana hafa k indraindray ihany vao mba mamaky...lasa fialana voly indray le izy :°);-)

Ny Fianarana indray d tena tsy manao mihitsy. Ny ankamaroan'ny vaki-teny any ampiangonana indrindra ny evanjely efa laniko tsianjery doly. Zao indray zany paika izany. Indraindray le izy lasa routine fotsiny aza, fa le toriteny sy fampianarana no tena interessant. Izany hoe mba mi-comparer hoe in no nolazain'le ol teo mihoatra @ t@ herin-taona ohatra... matetika misy zavatra manaitra hoe kay tena fataoko zany letia e. D eo zany mba maka fanampaha-kevitra hoe ahitsy ze tsy mety. Fa izany hoe, matetika tsy tadidiko akory le izy ra tsy misy zavatra mampatsiaro tampoka indray...

D otr'zany foana e, misy zavatra hay d avy eo adino, d tadidy indray. D adino indray,... izay no mahatsara an'le tenin'A/tra hoe tsy manin na miverina aza fa mba mampatsiahy ny tena essentiel. :-*:-*
4. kally ( 21/03/2007 10:54)
Iverenako ilay fampiharana an'ilay Teny.Raha misy fanapaha-kevitra manalasala ahy : ohatra hoe misy namako manitsakitsaka ny vadiny dia hoe tokony hiteny azy aho sa tsy tokony hiteny, dia ao anaty Baiboly na olona mahay manokana ny Baiboly no angalàko fanapahan-kevitra fa tsy miasa saina irery na maka hevitra etsy sy eroa.Ohatra fotsiny io.
Izaho koa aloha tsy afenina fa fohifohy ihany no vakiako fa te-hatory be aho rehefa ela ny ela:-P
5. prime ( 21/03/2007 11:04)
LD> Raha ny fahitako azy dia zavatra roa no tianao resahina... izaho tsy manoro hevitra satria tsy manam-pahefàna hanao izany fa mizara no azoko atao...

  1. Fitiavana ny Tenin'Andriamanitra: ny ahy ry Laza dia zavatra telo no fanaoko rehefa mitady hangatsitsiaka izay, dia ny fiaraha-mivavaka amina olona hafa iray finoana (na mamonjy vondrom-bavaka, na mamonjy asa fankaherezana, na midinika sy miara-mivavaka amina Ray aman-dReny am-panahy) sy ny fangatahana amin'Andriamanitra ny anomezany fitiavana feno ny Tenin'Andriamanitra ary ny fangatahana amin'Andriamanitra mandrakariva mba hohazavainy am-pitiavana ny Teny rehetra izay omeny amin'ny alalan'ny Fanahy Masina...
  2. Hebreo 4:12... Tsy dia manan-kambara aho afatsy ny hoe, fitiavana hatrany no ilazàn'Andriamanitra amintsika fa fantany ny am-po sy ny an-tsaina tsy miloaka ka tokony hifonantsika mandrakariva izay rehetra tsy fahamendrehana sy tsy fahatanterahana any anaty... eny fa na dia ny faniriana heverintsika ho tsara any anaty aza dia tsara averina Aminy Izy Andriamanitra mba handraisany an-tanana feno ny momba antsika ka tsy hananantsika ahiahy ny amin'ny anio sy ny ho avy... Matetika mantsy ny faniriana anaty izay heverintsika ho tsara dia mbola ahitàn'Andriamanitra fomba maro itahiana izany ka hatsarainy sy dioviny ka ahazoana valiny tsy takatry ny saina

... tsy torohevitra io hoy aho fa fizaràna... raha misy azo raisina dia isaorana an'Andriamanitra... raha toa ka heverinao fa tsy mitombina na tsy mety dia isaorana an'Andriamanitra ka aoka hiverina amiko ny nolazaiko...
6. prime ( 21/03/2007 11:28)

7. simplex ( 21/03/2007 11:39)
prime:

8. routa ( 21/03/2007 11:56)
ny fahatsapako manokanany fitiavako ny tenin'Andriamanitra de nisy nitory tamiko le moba Azy de nianatra zany aloha aho e! de nazoto niaraka namadika baiboly tamin 'ilay pitory farany lasa tia mamaky ny teny.
9. ikaretsaka ( 21/03/2007 12:24)
Simplex:
za ndray aloha tsy mazoto mamaky baiboly, fa refa mamaky ah d any @ testamenta taloha foana no mamaky. Any manko otran'ny misy tantara kely izany le izy. Sady mafinaritra ny mi-imaginer an'le scenario t@ andro taloha izany. Somary fahafinaretana koa io izany. Taloha io no tena nataoko fa izao efa manana boky bedabe ho vakiana hafa k indraindray ihany vao mba mamaky...lasa fialana voly indray le izy

1)Mitovy isika amin'iny..
ny ahy koa ilay tantara alaiko sy jereko scenario, saingy ny maha samihafa azy kely fotsiny dia dia za ko mamaky testamenta vaovao indrindra ny evanjely sy ny asa (ireny koa rehefa misy an le tantara ireny de mahafinaritra e) sy taratasin'ny apostoly... ahitana hoe kay ohatran zao izany ny fiainan'ny tany kolosy ohatra..kay niady ohatran'izao ry zareo samy kristianina tary ohatra, sady mamputombo culture izy no mampitombo finoana amin'izay

2) ny ahy indray ny fianarana dia mandeha ohatran'ny voalohany io ihany, ataoko ohatran'ny an;i kally io hoe jereko sy amboariko @ izay teny sy voambolana hahazoako azy aloha. Dia meditations sy spiritual exercices amin'izay
http://www.jesuit.ie/priere/fh070321.htm#Aide-pr%E9sance ny androany ho an'izay liana
10. ombalahy ( 21/03/2007 13:19)
LazaDaddy:

Miala tsiny fa averiko ilay fanontaniako teo aloha fa misy manodin-dresaka sy faly hanelingelina fotsiny. Aoka ho matotra ny valiteny azafady fa tsy toerana fampisehoana tsy fahamatorana ito sehatra ito.

Ahoana ny ataonareo mba hampitombo ny fitiavanareo ny Tenin'Andriamanitra? (Fianarana sy fampiharana).

Mba itiavana ny tenin'Andriamanitra sy iainana azy dia mila manokana fotoana hiresahana amin'ny Tompon'ny Tompo sy Mpanjakan'ny Mpanjaka isika.Mangataka ny Fanahy Masina hanazava ny Teny.Vakiana milahatra ny teny fa tsy dingandinganina.Oh:Filazantsaran'i Jaona toko 1 andininy 1 sy ny manaraka dia tohizana hatrany.Soratana amin'ny karne izay teny nanaitra na lesona azo ampiharina,ny fahadisoana ahitsin'ny tenin'Andriamanitra(fahotana)ka tokony ialana satria tsy mahafaly Azy fa manombo fanindroany an'i Jesoa eo ambony hazofijaliana.Tsy ny hahavaky ny baiboly iray manontolo akory ny tanjona fa ny hampihatra ny teny efa voavaky ka na andininy iray isan'andro aza no voavaky tsy maninona.Fotoana raikitra no tsara indrindra handinihana ny tenin'Andriamanitra.Ny ahy dia isaky ny maraina amin'ny 4:30.
11. niryna ( 21/03/2007 15:05)
Raha tsy mamaky ny tenin'Atra isika dia tsy ahalala ny teny nomeny antsika satria izy no nanome ny teny ahafahantsika mifandray aminy.
Mihaino:arrow:mamaky:arrow:mahafantatra:arrow:minoa:arrow:mampiantra azy amin'ny fiainana.
Mihaino toroteny isan'andro.Miara-mifanakalo hevitra, mifanohana ao amin'ny olana misy isan'andro ka miaraka mivavaka amin'izany. .
Mamaky boky mikasika fivavahana. Ny ohabolana dia fiainana andavan'andro sady misy 31 no isany dia ataoko io no ezahiko vakiana mifanaraka ny andro.Tsy voatery fa izay fantatrao fa mifanarako ny fonao.
Raha tsy mahafantatra izay hatomboka ianao dia afaka manomboka any amin'ny voalohany TV ary dia toy izany koa ny TT.Toy ireny mamaky boky tsotra ireny e.
Noho ny famakiana azy isan'andro sy ny hanipiana izay teny manintona dia matetika dia fantapatatra hoe atsy no misy an'izay na havia na havanana.
Soratako izay tiako sy mahaliana ahy sy ampiasaiko miaraka ny toko sy andininy.Iny no verenako vakiana matetika.
Ny 65% ny olona dia mino tokoa fa izay olana misy dia voavaly ao anaty baiboly daholo.
Toy ny mianatra zavatra hafa rehetra ny tenin'Atra satria arakaraka ny hamakianao azy no vao maika ianao liana ny ahalala ny mysterin'ity fiainana ity,mila manao famerenana toy ny mianatra mitendry piano, guitare ,mihira, manjaitra, mahandro sakafo sns..Nila fianarana daholo ireo vao tonga.
Noho ny famakiana azy isan'andro dia azonao ampiarina amin'ny fiainana hanampina ny namana sy hanomezana azy ireo ny fanantenana sy ny finoana .
Toy ny zazakely mianatra mandeha, mianjera dia mitsangana indray mandra-pahaizany mandeha tsara.Ny fikirizana ho azy izany tao vao afaka nandeha tsara izy ary tsy nijanona.Ho antsika koa dia ny tenantsika no miezaka hatrany ka mahatonga antsika hianatra. Mivavaha,mangataha ny herin'ny fanahy hanaza anao ny teny ao anatin'ny baiboly
12. Zina ( 21/03/2007 16:16)
Ahoana ny ataonareo mba hampitombo ny fitiavanareo ny Tenin'Andriamanitra? (Fianarana sy fampiharana).

Ny ahy ndray dia nianatra (nanao etudes bibliques) no tena nampi-ni s'interesser ahy ny hamaky ny tenin'andriamanitra. Tao no nahitako - fa kay ny tantaran'ny ra-olombelona rehetra dia ao doly comparer-na tamin'ny tantara (histoire) izay ita any Bibliotheque.

Zay no tena ninoko fa ny Baiboly dia ny Tenin'Andriamanitra

Andramo anie e...
13. LazaDaddy ( 22/03/2007 02:23)
Misaotra anareo rehetra :)

Zina> izaho koa manao an'io etude Biblique io. Nitarika "Cell Group" fahiny saingy voatendry ho "mpiandry ondry" ankehitriny.

Ombalahy> Misaotra anao. Tena ilaina mihitsy ny mifehy tena @ ilay fanokanana fotoana manokana fa tsy sanatria atao toy ny "asa koropaka" ny fandalinana ny Tenin'Andriamanitra.

Routa, Prime> ilaina tokoa ny mifampizara sy mifanakalo hevitra ary mifankahery ary ny fiaraha-mivavaka. Misaotra :-*

Kally> mbola tsy nataoko indray io hevitrao io kanefa mety mahasoa tokoa. Mankasitraka :)

Simplex> :wink:
14. prime ( 22/03/2007 11:50)
Raha ny fahitako azy tena manan-danja lehibe ho an\'ny mpino mihitsy ilay vondrom-bavaka ary maro ny olana ara-pinoana azo vahàna ao (tsy miresaka intsony ny asan\'ny Fanahy Masina sy ny Tenin\'Andriamanitra aho eto)... anisan\'izany ny fangatsiatsiahana indray2...
15. Zina ( 22/03/2007 14:56)
LazaDaddy [ Valio ] 22-03-2007 03:23:22
Lohateny : Re : ahoana ny ataonareo?
Misaotra anareo rehetra

Zina> izaho koa manao an'io etude Biblique io. Nitarika "Cell Group" fahiny saingy voatendry ho "mpiandry ondry" ankehitriny.

Dia mahereza, tazony ny finona :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2424