Misy fona ny fanahy ratsy na aiza na aiza

1. xxx ( 16/03/2007 21:30)
Betsaka ny olona milaza oe any ampiangonana tsy tokony hisy fanahy ratsy hiasa , ny kristianina tokony hanana ho masina foana na aiza na aiza toerana misy azy , ny pasteur tokony ho mendrika araky ny filazany olona io , dikany zany ra azoko tsara kritstianina iray tsy tokony hanaraka ny fanaon'izao tontolo izao tsony , nefa ange Jesosy milaza oe "Italic textMBA TSY HAMPIALA AZY ETO AM IZAO TONTOLO IZAO FA MBA HIARO AZY AMMINY RATSY " ahoana ny hevitrareo am io , na ilay fiangonana 7 voalaza ao anaty APOKALIPSY tany Asia io aza nisy fanahy ratsy tao anatinreo nefa neken'i Jesosy ho fiangonana fona ka araky ny fahalalako izay mba sombitsombiny kely dia ny devly misy fona na aiza na aiza , fa ny tsirairay no mila mandinika sy manohitra
Ohatra iray ra misy kristianina iray ohatra manao zvt tsy mety tampoka ka hitany olona manodidina azy tonga de resa-be oe zany ve no mba mivavaka nefa tsika ange ka humain e , en plus Jesosy efa niteny oe hiaro azy am ratsy Italic text
MBA AFAKA MILAZA NY HEVITRAO VE IANAO MISAOTRA
novalian'i prime ny 19/03/2007 11:21
2. fijo ( 16/03/2007 22:31)
miala pas indray ny kristianina an,nefa te hanoa aminy eo
3. xxx ( 17/03/2007 06:40)
Zavatra logique be zany e! fa raha misy olona mbola miaraka @ devoly de tsy hanana afatsy fanahy ratsy iray na roa izy fa raha misy kosa olona iray lasa Kristiana de ho amanjatony no devoly ho avy eo
4. pissoa ( 17/03/2007 13:37)
Fijo, tsy fialana pa izany io --- fa tena takian'ny mahaKristianina mihitsy ny fanekena fa MPANOTA ny tena ! Mahavoa ny tsy mpino (sy ny mpino sasantsasany) io fihevitrao io ! tsy mahay manavaka ny teny hoe --- Kristianina --- sy ny hoe --- Kristy --- ny ankabeazany ka mitaky ny Kristianina tsy hanam-pahotana. Tsy izany nefa no atao hoe Kristianina, fa ny TENA Kristianina dia manaiky fa MPANOTA (matevin-koditra ozy ny sasany) ary miezaka miala amin'izany fahotana izany :lol:
5. mamiah ( 17/03/2007 23:01)
Tsy ho avy hoa n'ny marina Izy fa hiantso ny mpanota mba hibebaka.
6. prime ( 19/03/2007 09:35)
xxx> Ka iza moa no nifidy ny Apostoly 12, moa tsy Jesosy ihany va? nefa nisy devoly iray tao... dia ahoana koa izany hoy ianao?...:lol:

Ny Kristiana tsy mpanota intsony rehefa nibebaka sy natao batisa fa manota kosa noho ny tsy fahatanterahana ao aminy dia ilay nofony manohitra ny fanahiny isanandro isanandro...

Ny mpanota dia io ota io no fiainany vao mihiratra ny maso... ny manota, na dia milaza tena ho feno ny Fanahin'i kristy aza dia mety ho lavo satria ilay nofo tsy mitsahatra mampanjàka ny filàny...
7. rush ( 19/03/2007 10:13)
prime:
Ny Kristiana tsy mpanota intsony rehefa nibebaka sy natao batisa fa manota kosa noho ny tsy fahatanterahana ao aminy dia ilay nofony manohitra ny fanahiny isanandro isanandro...
mahagaga indray izany!


8. prime ( 19/03/2007 11:21)
rush> Inona ilay mahagaga?...:lol:

Saiky tsy hiteny ity aho satria mbola maro no tsy mahazaka izany nefa dia ambarako ihany ahafantarana ny marina, (hitako mahagaga an'i rush sy iresahana fahamasinana sy fahamarinana io atsy ambadika maneso ho "tonga lafatra" ny mpino Kristiana)

Hoy ny Tenin'Andriamanitra :

"Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika." Romana 8:34

Ny mpino dia manana tombony be sady be dia be eo imason'Andriamanitra satria Kristy mihitsy no misolo vava azy ary mifona ho azy... tsy ny mpino akory no marina fa Kristy mifona mandrakariva ho azy no manamarina azy...

"aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be." Jakoba 5:20...

Ka raha efa mibebaka ilay mpanota dia mbola mijanona ho mpanota ve? maty antoka ny Kristiana mihevitra izany fa mitovy amin'ny tsy nibebaka ihany raha izany...

Izany tsy midika hoe masina sy marina tanteraka ny Kristiana ka tsy manota intsony... ny Tenin'Andriamanitra mihitsy no manamarina izany fa mbola mety lavo amin'ny ota na dia izay milaza tena ho mpino aza ary izay no antony isian'ny fifonana mandrakariva tokony atao araka ny voasoratra hoe :

"Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra." Filipiana 4:6
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0369