Zavatra marikoriko/mampandoha ahy?

1. niryna ( 16/03/2007 21:06)
Inona no zavatra tsy tianareo indrindra ny mijery azy ary mety mandoha na marikoriko foana ianareo raha mijery an'io.Na rehefa miverina ato an-doha dia toa hita foana ilay izy?
Ny ahy nisy mpivaro-kena komoriana izay taloha,tsy fantatro aloha na izany ny fombany na fifandrifian-javatra fotsiny na izy mihitsy no tia an'io.Feno lelobe mavomavo mitarozaka ireny ity zanany ary faly ery izy mitsetsitra ilay lelo:?,efa niketrona aho aloha nahita ilay zaza mitroka dia mitroka ilay lelo a ,dia iny ny rainy fa nanantona azy ary nitrohany tany am-bavany ilay lelon'ilay zaza ary tsy hitako narorany a:roll:Toy ireny mitroka ronono nestle ireny ilay rangahy:miam::miam: moa ilay izy koa mitovo loko ny ronono nesle ireny.
Na efa ela aza raha misy zavatra mitovitovy io dia mbola tadidiko ary mila handoha foana.:b
2. fasaly ( 16/03/2007 21:35)
zà zao vao mireritreritra analy tsy tiko de lmirokoditra ny lohako manfididy dool ny vatako kiriko be aho!
mahita zavatra maro loha kely madinika bedb brrrrrrrr kay kay kay manfididy be aho zany vao mireitreritra azy sahdy:x^^
3. vale ( 16/03/2007 23:13)
niryna: :x mankadoh koa izy zany :x
(le ol io).
4. niryna ( 17/03/2007 01:25)
fasaly:

zà zao vao mireritreritra analy tsy tiko de lmirokoditra ny lohako manfididy dool ny vatako kiriko be aho!
mahita zavatra maro loha kely madinika bedb brrrrrrrr kay kay kay manfididy be aho zany vao mireitreritra azy sahdy:x^^



=))=))=))anjekaky o.Izany tokony e
5. niryna ( 17/03/2007 01:27)
vale:

niryna: :x mankadoh koa izy zany :x
(le ol io).

Vale efa tamin'ny mbola kely anie io e.Raha toa io tokony ny atao hoe tsy mamela heloka dia tena dange-be soa ihany fa kiriko.Izaho aho mahita ny ronono nestle toa tsy tiako asiana an'io ny diteko:roll:

6. niryna ( 17/03/2007 01:31)
Nandeha naka vakansy tany Toamasina indray izahay.Noho ny andro mafana,sy ny fasika no betsaka dia tsy mba manana kabone lavaka izany ry zareo fa antsasana daba ireny no ataony.Hitan'ny tena daholo ilay olitra mihetsiketsika ao anaty daba:?.Rehefa feno ilay izy dia miakatra mivoaka.Izay vao miantso ilay mpaka tinety ny anaran'ilay izy ary dia ireny no mitondra ilay maloto amin'ny soroka roa.
7. kanto10 ( 17/03/2007 10:23)
fa inona ary ity? koditra aho
8. tafita ( 17/03/2007 11:36)
ny ahy indray le ramatoa nivarotra anana teo Behoririka , fa hitako nipipy izy de nataony anaty boaty le pipy , fa tsy nisasa tanana akory izy avy eo no nannome ny anana novidin'le olona hafa , misy elo be izay eo akaikiny eo de ao izy no miafina rehefa mipipy , fa tsy mandeha @ W C , narikoriko aho , ary raha vao mahita anana petsay ireny de toa lasa ny eritreritro hoe sao de tany amin'ilay ramatoa tsy misasa iny ..... loza zany letia
9. kelly13 ( 17/03/2007 12:12)
kay kle! mampalahelo ranamana mpibata le maloto ka!

ny ahy indray ny tena zvt mampandoha ahy d rehefa le mitsaika (manomboka bevoka) iny d tsy zakako ny fofona hena hendasina, ny lasopy legumes, ny café, ny ranomanitra a la vanille (dain)

ny maharikoriko ahy indray d ny mijery kakana bdb mivangongo aaaahhhh vonjeo
10. sitlo ( 17/03/2007 12:51)
maharikoriko ahy> vhv mimenomenona amin'ny teny ratsy eny imasom-bahoaka
11. kelly13 ( 17/03/2007 12:55)
na tsy eny amsombahoaka aza d marikoriko kou
12. xxx ( 17/03/2007 13:47)
ity dinika ity
13. booboo ( 18/03/2007 18:25)
:-D:-D
14. niryna ( 19/03/2007 04:15)
vale:

niryna: :x mankadoh koa izy zany :x
(le ol io).

Izany ange no teneniko e.
Nandeha nijery ireny mpanetsa ireny indray aho dia nojerevako feno maintimainty ny tongony ary misy ra miraraka.Hay ilay ramatoa veno dita mihinana ny ra aminy ary miditra ny hoditra mihitsy:twisted:

15. niryna ( 19/03/2007 04:17)
kanto10:

fa inona ary ity? koditra aho


kanato> zavatra maharikoriko anao taloha na ankehitriny,raha tsy mba sarotiny moa ianao dia tsara.Ny ahy na mijery ireny japonais mihinana crevette vao nalaina tao anaty rano mbola mipelipelika ireny aza dia kivy aho kanefa hono be calcium sy vitamine?:miam:
16. niryna ( 19/03/2007 04:22)
tafita:

ny ahy indray le ramatoa nivarotra anana teo Behoririka , fa hitako nipipy izy de nataony anaty boaty le pipy , fa tsy nisasa tanana akory izy avy eo no nannome ny anana novidin'le olona hafa , misy elo be izay eo akaikiny eo de ao izy no miafina rehefa mipipy , fa tsy mandeha @ W C , narikoriko aho , ary raha vao mahita anana petsay ireny de toa lasa ny eritreritro hoe sao de tany amin'ilay ramatoa tsy misasa iny ..... loza zany letia



=))=))=))
Androany izahay miara-misakafo eo dia mandeha ny resaka .Nisy zanak'olona nangalatra jus amin'ny tavoahangy foana isaky ny miditra ilay tsena ilay izy.Tsy fantatro aloha izay nanisy rano maloto ilay tavoahangy fa tonga dia nisotro izy ary noresahiny hono ny namany miara-mangalatra aminy,tsy nisy nino ireo ankizy lahy efa-dahy ary samy nieritreritra hoe hosotroin'ity fotsiny ilay fa mody mandainga eo ity,samy nisotro daholo izy rehetra ary lany ilay tavoahangy ka ilay izy pipy:evil::snif: Niteny ny zanany ity mpitantara hoe tena nihinana ny tsy fihinana daholo izahay rehetra ary fay tsy nangalatra intsony tao amin'ilay tsena.
17. niryna ( 19/03/2007 04:25)
kelly13:

kay kle! mampalahelo ranamana mpibata le maloto ka!

ny ahy indray ny tena zvt mampandoha ahy d rehefa le mitsaika (manomboka bevoka) iny d tsy zakako ny fofona hena hendasina, ny lasopy legumes, ny café, ny ranomanitra a la vanille (dain)

ny maharikoriko ahy indray d ny mijery kakana bdb mivangongo aaaahhhh vonjeo



:roll::roll:
Izaho koa tamin'ny bevohoka tsy tia fofona lasantsy ary tonga dia mihoaka mando rehefa mandeha fiara na maheno ilay izy,izany fofon-kelika izany moa dia dray
!dray!dray!
Tena mandositra manampina orona mihitsy aho,hatramin'izao rehefa mafana ireny ny andro ka sendra mandeha train aho,tonga dia mihataka lavitra raha maheno olona maimbohelika.
18. niryna ( 19/03/2007 04:27)
sitlo:

maharikoriko ahy> vhv mimenomenona amin'ny teny ratsy eny imasom-bahoaka

Ahoana tokony? Raha samy miteny ratsy aza ny lehilahy sy ny vehivavy dia toa efa zatra ny sofina mijery ilay lahy fa raha vehivavy toa manambany tena no fijery azy:roll:

19. niryna ( 19/03/2007 04:36)
kanto> miala tsiny fa diso no nanoratako azy:wink:
Any anindrana indray dia misy ireny parasy kakana,parasy lafirika ireny.Ary na dia manadio tongotra tsara aza ianao dia miditra izy ary dia manatody ka asorina amin'ny paingotra izay dorana ilay atodiny boribory be:roll:,ankizy kely maromaro no nilalao teo antokontany ary tamy ity cousine kely nalainy daholo ireo zanaka mpivarotra charbon dia nampandrony teo amin'ny mpaompy ary nony nanontaniako izy dia hoe feno parasy lafirika daholo hono ilay ankizy.Nojerevako tokony ny tanan'ilay ankizy dia misy ary vao miditra ny tanany sy ny faladihany avy.
Angamba tao anaty sain'ilay zaza hoe sasana dia lasa kanefa ilay izy parasy kely fa misitrika ny hoditra koa
Dia tsy fantatro hoe avy aiza ihany koa ilay parasy lafirika (izay no fitadidiko azy) miholakolana toy ny bibilava ilay izy ary fotsifotsy manaraka ny hoditra teo amin'ny fehin'ilay fianakaviana no nisy azy,raha tsy diso aho dia nosorana tongolo gasy isan'andro ilay izy ary ela vao maty.Nisy dian'ilay miolankolana toy ny bibilava anefa ilay fery sitrana ary tsy fantatro izy niafarany raha mijanona eo amin'ny nofony eo ilay izy na tsia;-)






20. Rasiligaoma ( 24/03/2007 14:22)
ny ahy anefa tiako ery ny mihaino ilay fipoapoakan'ny todin'ilay parasy lafirika ireny...
ilay avy sokirina amin'ny tongotra ilay izy dia atao eo ambony landihazo misy alikaola dia tselarana ny afo..

mipoapoaka ery! mampi te hanao hoe .. izay ny an-tenisany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0507