RAIKITRA MAMPIDITRA JIRO @ IZAY NY JIRAMA

1. naej ( 13/03/2007 09:47)
io ny lohateny lehibe teo @ gazety Ao raha omaly 12
mars laharana 0479.
7000 mahery no isan'ireo mpanjifa nanao famandrihana herinaratra tao @ jirama efa nahaloa vola. Efa manomboka tsikelikely ny famatsiana @ izao fotoana izao hoy izy etc...
marihina fa efa nanomboka t@ taon-dasa ireo mpanjifa ireo no niandry hoy ihany ity gazety ity.
Io no nanaitra ahy ka nandehanako tany @ jirama satria ny ahy efa t@ 2004 no nanomboka niandry , efa ho 3taona izany,kanjo dia hoy ny jirama hoe tsy marina io voalazan'ny gazety io fa mbola tsy manomboka ry zareo hatrami'izao, dia iza no tena marina e! sao dia mba misy mahalala vaovao marina momba izany ianareo namana,dia ho sahin'ilay gazety koa ve ny hamoaka zavatra tsy marina mivandravandra
be toy ireny ? inona ny hevitra fa sao dia mba miesona fotsiny izahay

novalian'i naej ny 14/03/2007 13:56
2. Robert ( 13/03/2007 14:08)
Io ry ise de tena mahagaga mintsy..
Mahatonga ilay fanontaniana hoe: mpanao gazety tokoa ve ny eto Madagasikara sa ....? déontologie..??

La gazette de la grande île aloha de tsy mahagaga,
tadidin'ise ve ilay resaka virus nahazo ny site dry zareo (virus -dra-ra8)? Ka nefa ry zareo nanao fanantsarana ilay site mba handoava-bola.. Efa betsaka ny manana teto @ serasera no nitsikera fa Ra-8 no nanao ilay virus...
3. naej ( 14/03/2007 13:56)
ahitsiko kely ianao ry Robert fa gazety AO RAHA ilay izy:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1366