Minoa fotsiny ihany!

1. soanja ( 12/03/2007 10:45)
Ahoana ny fametrahanao an'io amin'ny fiainanao? Mino ve ianao fa marina io? Misaotra mialoha.
novalian'i fijo ny 16/03/2007 23:42
2. Fiffi ( 12/03/2007 13:34)
35 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin' ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana hianao no mbola manahirana ny mpampianatra ihany? 36 Fa tsy nahoan' i Jesosy izany teny nataony izany, fa* hoy Izy tamin' ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.

Minoa fotsiny hiany.....teny kely mavesa-danja tokoa @ fiainan'ny mpino....

Zah aloha de mino an'io ary azoko hatao hoe mihaina @ io mihintsy.....(fivavahana hiany io) zany hoe raha misy vavaka hataoko fangatahana an'Andriamanitra de tena mino zah fa non seulement nihaino ny vavako Izy ary koh mino zah fa na ho ela na ho aingana de ho voavaly io vavaka sy fangatahana nataoko io.....arakin'le fiteny hoe "Andriamanitra tsy andrinareo , andriko foana"

Miankina @ finoan'ny tsirairay io....tsy hoe hiandry le valiny eo foana koh zah raha tsy mihetsika....mampitombo ny finoako sy ny fivavahako...
3. prime ( 12/03/2007 15:14)
fiffi> =D
4. kiranil ( 12/03/2007 17:19)
Misaotra Soanja @ fanontaniana sy ny adi-hevitra.

"Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy." Hebreo 11:6

Io no hitondrako ny hevitro eto.

Raha toa ka ilay Jehovah Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina na Baiboly no resahinao dia ny finoana ihany no tokony hanantonana Azy.

Ohatra: Miteny Izy fa ny olana @ fifandraisantsika Aminy dia ny heloka vitantsika na ny fahotantsika (Isa 59:2); ary milaza koa Izy fa hoe efa samy nanota avy isika olombelona rehetra eo anatrehany; dia ny tokony hataoko dia ny manetry tena manaiky izany teniny izany. Izay ilay hoe "MINO".

"fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, " Rom 3:23

Raha mbola mitady ny hanamarina ny tenantsika isika amin'ny asa tsara izay lazaintsika fa efa vitantsika, ka mety hilaza koa fa tsy mpanota sy tsy mila mino intsony dia efa tsy fanetrentena intsony izany amin'Andriamanitra.

Kanefa tsy mijanona eo Andriamanitra fa milaza izy @ tohin'io teny io manao hoe:

"nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy," Rom 3

Io ilay maha-Andriamanitra Fitiavana Azy izay manamarina MAIMAIMPOANA ireo rehetra (n'izan'iza) mino ny Zanany dia Jesosy Kristy ary mino ny teny izay nampanoratiny.

>>> Tsy vokatry ny asa na ezaka avy amintsika no hanamarinana antsika, na ahazoantsika miditra ny fanjakany any an-danitra fa vokatry ny finoantsika ny famonjena natolotry Jesosy teo ambon'ny hazo fijaliana.

"Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." Efe 2.

Rehefa avy nahazo izany fanamarinana izany izay vao manao asa tsara, manampy sy mampiseho fitiavana ny olona rehetra araky izay tratra, ary indrindra indrindra mamaky sy manaj ny Teniny ary mankato izany isan'andro isan'andro.

Misaotra.
5. rakaroka ( 12/03/2007 19:35)
Ilay izy aloha misy ny hoe "minoa fotsiny ihany" sy ny hoe "minoa FAHATANY!":lol::lol::lol:
Mampatsiahy ahy ilay olona marary dia mila "didiana" ireny, "raha didiana ianao" hoy ny dokotera dia sitrana, mba ahasitrana dia mila mino!
En faite ny "karazam-pahagagana", anisan'izany izany vitan'i Jesoa dia efa vokatra "réalisation de soi"
naseho mba hisintonana ny fihevitra fa ny fanahy aloha no mibaiko ny "matiére", naseho izany tsy hivanakàna @ famantarana sy hi"admirè-vana fotsiny
fa "FANEHOANA" indrindra hoe "POSSIBLE" ho an' Mino koa ny hanao toa izany ary "ANDRASANA" aminy ary raha ny marina!:idea::idea::idea::wink:8O:lol:
6. naughtyboy ( 12/03/2007 20:11)
" mino fotsiny ihany ",ny fandraisako io teny io de fanomezantoky eo andalampanantanterahana izay arahin'asa ,tsy ny ao @ baiboly ihany akory fa fiainana andavan'andro .
Raha oh. ndray miseho io fanambarana io nefa tsy misy asa anehoana ny fanantaterahana ny toky de lasa fampanantenana (mety pokaty aza ndray2)
7. rakaroka ( 12/03/2007 21:40)
naughtyboy:

" mino fotsiny ihany ",ny fandraisako io teny io de fanomezantoky eo andalampanantanterahana izay arahin'asa ,tsy ny ao @ baiboly ihany akory fa fiainana andavan'andro .
Raha oh. ndray miseho io fanambarana io nefa tsy misy asa anehoana ny fanantaterahana ny toky de lasa fampanantenana (mety pokaty aza ndray2)



Miombon-kevitra: ny hoe "minoa fotsiny ihany" karazana "fampanantenana"
8. Vahinala ( 12/03/2007 21:45)
Ankino amin'Andriamanitra ny fiainanao dia aza matahotra fa minoa fotsiny ihany. Izy mahala izay mahasoa sy tsy mahasoa anao.
9. niryna ( 13/03/2007 06:05)
Vahinala:

Ankino amin'Andriamanitra ny fiainanao dia aza matahotra fa minoa fotsiny ihany. Izy mahala izay mahasoa sy tsy mahasoa anao.



=D=D=D
10. fijo ( 13/03/2007 23:18)
rehefa misy aretina mila fitsaboana be ianao,dia eo handramanakely io minoa fotsiny io ,mba ho hitako raha tena marina
11. prime ( 14/03/2007 09:21)
Ny nahatonga io teny io dia indray andro tamin'ny fotoana indrindra nampaharary ny zanaky ny mpanapaka tao amin'ny synagoga ka nilazàn'ny mpanompony fa efa maty ilay zaza... Kristy tamin'ny hery sy ny fahefàna teo Aminy dia niteny tamin'io mpanapaka io hoe :"...Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.[*Na: Ary nony ren'i Jesosy ny teny nataony, dia]" Marka 5:36

Ary raha tena zohina ny zava-nisy, na dia nihomehezan'ny olona aza dia nanangana tamin'ny maty mihitsy Kristy teo...

Ny fahatokiana tao amin'ilay mpanapaka ny synagoga (fariseo ilay io), ny tsy fihambahambany ka nanekeny hitondra an'i Kristy tao an-tokantranony, ny fanajàna feno an'Andriamanitra ka nanekeny an'i Kristy hiasa mitokana tao amin'ny efitranon-janany... niseho ny fahagagàna...

Finoana tena lalim-paka no ilain'i Kristy... izaho manokana dia manaiky fa marina io...
12. ikaretsaka ( 14/03/2007 14:12)
"miracle mon'ami" rehefa hafahafa aminao ny dikan'ilay hoe "minoa fotsiny ihany e"
13. prime ( 14/03/2007 15:10)
fijo> Ka izay mihitsy no mahafinoana azy... ny finoana dia ao anatin'ny fahendrena no iainana azy...
14. Fiffi ( 14/03/2007 15:30)
ikaretsaka:
"miracle mon'ami" rehefa hafahafa aminao ny dikan'ilay hoe "minoa fotsiny ihany e"
an3 kah ! tsy mitovy ny hevitra lazain'le hoe "miracle mon ami" sy ny hoe "Minoa fotsiny hiany" satria tsy misy ny miracle raha tsy misy ny finoana.....io finoana io nefa raha tsy mihetsika enao tsy mety indray le hoe "minoa fotsiny hiany"


15. fijo ( 14/03/2007 23:59)
prime ,tsy hoe satria voatantara tao anaty baiboly hoe nisy izany dia voatery hoe marina,hoanareo mino ny tsy itanareo dia ekeo izany,fa hoanay dia angano izany
16. soanja ( 15/03/2007 00:37)
fijo:

rehefa misy aretina mila fitsaboana be ianao,dia eo handramanakely io minoa fotsiny io ,mba ho hitako raha tena marina


Tena efa betsaka ny aretina tena mamono ary efa nilaza mihitsy ny dokotera fa 6 mois sisa de nohon'ny finoan'ilay olona dia sitrana soamatsara izy ka. Zany hoe i Fijo tsy mino raha tsy i Fijo no mandalo an'io zay vao mino o.

Ny hevitro momba ny lohahevitra dia tsy misy hafa ny anareo ihany.
NY finoana no mitondra ny zavadrehetra ary tanteraka tokoa rehefa arahin'asa. Andriamniatra irery ihany no mahalala na mahasoa ilay zavatra angatahina dia izy manantanteraka azy raha too ka izany.

Ahoana ny fomba fampiharana azy :
1ere- Mangataka ilay zavatra tianao hitranga. Soratana na resahana vava mihitsy na ao ampo mangina.
2me- Misaotra izay efa nanana sy fiderana azy amin'ny zavabitany
3- Manao plan ny hanantanterahana ilay fangatahana napetraka eny an-tanany.
4- Mivavaka sy tsy mijanona mieritreritra (positive)fa hitranga ilay izy na ho ela na ho mandrakizay.
5-Fandraisana ilay hataka.
6-Fisaorana ny anarany Masina.
7-Fampitana izany hataka izany ho tombotsoan'ny rehetra. (asa)
8-Fanaparitahana ilay miracle hanaovana asa vavolombelona an'i Kristy Mpanjaka. na fijoroana ho vavolombelona moa.
9- Fanaovana plan vaovao ny fangatahana ho an'ny tombotsoan'ny rehetra fa tsy an'ny tena irery intsony.
10- Fampitambarana an'ireo rehetra ireo ho iray dia ny FINOANA nivadika ASA nivadika ANDRIAMANITRA/FITIAVANA.

Ka raha nanao an'io ho teny fanentanana i Prezida RA8 dia minoa ianareo fa EFA nitranga taminy io matoa izy mampita azy amintsika vahoaka entiny indray. Zany hoe efa any amin'ny fazy fahasivy izy.

Misaotra nanaraka. Hombanareo anie ilay Fanahy Mpankahery sy Mpanome ary mampiodina ity tontolo iainantsika ity sy izay tsy takamaso any. Soanja!


17. Fanambinana ( 15/03/2007 14:47)
Fijo: mpandainga sy mpanendrikendrika ary mpanalabaraka olona ialahy. Tranon-dainga, io ny porofo.


Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.

1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.
18. booboo ( 15/03/2007 14:55)
:arrow:
19. boozkel ( 15/03/2007 15:00)
Minoa fotsiny ihany
raha tsy mino enao tsisy zavatra ho tanteraka eo. ka na hivavaka be aza enao (hivavaka fotsiny zah ranga na ho any na tsy ho any a) nefa tsy mino hoe vitan'Andriamanitra ny mamaly izany na koa hoe IZY no mamaly vavaka, de ho rera-poana eo enao.
Ka na enao aza tsy mino :-$ ka inona no ho valiany eo?
20. Fanambinana ( 15/03/2007 18:20)
Averiko eto fa andriamatoa fijo dia sady feno fankahalana no tranon-dainga. Izay no mameno ny fiainany sy ny lohany, hita taratra izany amin'ny teny lazainy rehetra eto: endrikendrika, fanalana baraka, LAINGA
Io averiko eto ambany ny porofo tsy azony lavina intsony amin'ny maha olona MPANDAINGA azy.

Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.

1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.

Misaotra Rahery e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8148