Otrikafo:Sokajiana ho zaza ny vahoaka malagasy

1. xxx ( 09/03/2007 12:12)
Ny Mpitarika ny Otrikafo, Rajaonah, no nitondra ny fahitan-dry zareo azy io.

Tsy niditra firy tamin'ny vontoatin'ny rijan-teny hoenti-manitsy ny Lalàmpanorenana aloha izy fa ny fotoana nofidiana hanatanterahana azy no nokianiny. " Tena nosokajian'ny filohampirenena ho toy ny zaza madinika ny vahoaka ", hoy Rajaonah. Araka ny fahitan'ny Otrikafo ny raharaha mantsy, hoy izy, dia tsy ny toetsaina nambara fa mandala ny demokrasia mihitsy no mibaiko ny filohampirenena Ravalomanana amin'izao zavatra hirosoana izao.

Dia notsiahivin-dRajaonah ny teny nambaran'ny Filohampirenena hoe "samihafa ny demokrasia aty Madagasikara sy any amin'ny tany efa mandroso ". Izany hoe voaporofon'ny filohampirenena amin'izao zavatra ataony izao ny endriky ny demokrasia tiany hampiharina eto amin'ny firenena malagasy, hoy ny mpitarika ny Otrikafo. Ho an'ny Otrikafo mantsy dia tsy mieritreritra izay hevi-bahoaka any ny filoha fa izay hanarahan'ny ambanilanitra ny sitrapony sy ny tiany no mahafinaritra azy nefa ventesiny matetika ny hoe "ny vahoaka no masi-mandidy ".

Nokianin-dRajaonah koa ny toe-tsaina itondran'ny manam-pahefana ara-panjakana an'io fitsapan-kevi-bahoaka io.

Tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ilay fanontaniana asaina valian'ny vahoaka hoe " eny " na " tsia " mantsy ny fanitsiana natao amin'ilay volavola, hoy izy. Tena fitaka atao amin'ny vahoaka io fanontaniana io satria raha ny fampandrosoana isa-paritra sy fanatsarana ny fari-piainam-bahoaka no anontaniana dia tsy misy na andininy iray aza ao amin'ilay volavolam-panitsiana milaza ny hoe " raha izao sy izao no atao dia mandroso ny faritra ary raha izatsy sy izaroa kosa no tontosaina dia mihena ny fahantram-bahoaka ".

Tsy nohadinoin'ny Otrikafo koa ny nampifandray an'io fandaharam-potoana'ny fitondrana hanao fitsapan-kevi-bahoaka io amin'ny tontolo iainan'ny vahoaka, izay ny mpitondra ihany no nilaza tamim-pomba ofisialy fa " Tra-boina i Midagasikara ", hoy ihany izy. Maro ange ny vahoaka no rava fananana, nifindra monina, simba voly izay antoky ny fiainany noho ny loza voajanahary nihatra teto, nefa dia ao anatin'izany ve no ndeha hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka, hoy izy ?
novalian'i fijo ny 15/03/2007 05:46
2. lapino ( 09/03/2007 12:28)
Tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ilay fanontaniana asaina valian'ny vahoaka hoe " eny " na " tsia " mantsy ny fanitsiana natao amin'ilay volavola, hoy izy
Fa ilay fanontaniana ve tsy hoe : "Ekenareo ve ireo fanovana ireo? Eny sa Tsia" ?
dia tsy misy na andininy iray aza ao amin'ilay volavolam-panitsiana milaza ny hoe " raha izao sy izao no atao dia mandroso ny faritra ary raha izatsy sy izaroa kosa no tontosaina dia mihena ny fahantram-bahoaka ".
Tian-dry zareo hatao anaty lalàm-panorenana ve ny MAP ? :roll:
Maro ange ny vahoaka no rava fananana, nifindra monina, simba voly izay antoky ny fiainany noho ny loza voajanahary nihatra teto, nefa dia ao anatin'izany ve no ndeha hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka, hoy izy ?
Hatao an-kiandry marary ve izany ?
Dia notsiahivin-dRajaonah ny teny nambaran'ny Filohampirenena hoe "samihafa ny demokrasia aty Madagasikara sy any amin'ny tany efa mandroso ". Izany hoe voaporofon'ny filohampirenena amin'izao zavatra ataony izao ny endriky ny demokrasia tiany hampiharina eto amin'ny firenena malagasy, hoy ny mpitarika ny Otrikafo. Ho an'ny Otrikafo mantsy dia tsy mieritreritra izay hevi-bahoaka any ny filoha fa izay hanarahan'ny ambanilanitra ny sitrapony sy ny tiany no mahafinaritra azy nefa ventesiny matetika ny hoe "ny vahoaka no masi-mandidy ".

:-) Sokafy ary ny adihevitra
3. ds ( 09/03/2007 13:40)
lapino:

Fa ilay fanontaniana ve tsy hoe : "Ekenareo ve ireo fanovana ireo? Eny sa Tsia" ?
"Ekenao ve ity volavolam-panitsiana ny lalàmpanorenana ity ho fampandrosoana haingana sy maharitra ny isam-paritra hanatsarana ny fari-piainan'ny Malagasy"
Io no tena fanontaniana ka izao ny fandraisako azy :
- nanakana ny fampandrosoana haingana sns izany ireo andininy maro nahitsy ireo
- raha mamaly "Tsia" amin'ilay fanontaniana, dia namana mitsipaka ny fampandrosoana haingana sns izay katsain'ireo fanitsiana ireo
Tian-dry zareo hatao anaty lalàm-panorenana ve ny MAP ? :roll:
Ny Filoham-pirenena, talohan'ny nahalany azy izao, no nilaza fa io MAP io no fitaovana mahomby indrindra hampandrosoana haingana ny firenena...
Nilaza koa izy fahizany fa izay Filoha lany dia afaka hampiasa azy. Izany hoe efa voafaritra mialoha fa hampiharina manomboka ny taona 2007 ny MAP. Tsy misy filazana anefa ao anaty teti-bolam-panjakana 2007 izay nivoaka tamin'ny volana novambra 2006 fa hisy vola hatokana ho an'ny fitsapahan-kevi-bahoaka amin'n 2007 mba hahafahana mampandroso haingana ny firenena amin'ny alalan'ny MAP.

Hatao an-kiandry marary ve izany ?
Raha tsy diso aho, dia naroso ny daty fifidianana izay ho Filoham-pirenenana teo satria noheverina fa sakana amin'ny fanatanterahana azy ara-potoana ny mety fisiana rivo-doza sy izay mety ho vokany. Tamin'ny fotoana namoahana ny daty 04 avrily anefa, dia efa tadindomin-drivodoza Gamède ny faritra atsinanana.
Fehiny : nilatsahan'ny Fanahy Masina tampoka angamba ny Filoha ka nampanao haingana io fitsapahan-kevi-bahoaka io.
Na izany aza, dia tsy voatery ho ratsy avokoa ny fanitsiana atao ao.
4. simplex ( 09/03/2007 13:42)
le otrikafo mintsy kou no manao raisonnement -njaza kou :roll: sa tsy maintsy miteny foana na tsisy argument aza :)

ity zao no mba azo raisina
lapino:



Dia notsiahivin-dRajaonah ny teny nambaran'ny Filohampirenena hoe "samihafa ny demokrasia aty Madagasikara sy any amin'ny tany efa mandroso ". Izany hoe voaporofon'ny filohampirenena amin'izao zavatra ataony izao ny endriky ny demokrasia tiany hampiharina eto amin'ny firenena malagasy, hoy ny mpitarika ny Otrikafo. Ho an'ny Otrikafo mantsy dia tsy mieritreritra izay hevi-bahoaka any ny filoha fa izay hanarahan'ny ambanilanitra ny sitrapony sy ny tiany no mahafinaritra azy nefa ventesiny matetika ny hoe "ny vahoaka no masi-mandidy ".



Sokafy ary ny adihevitra :D
5. fijo ( 09/03/2007 23:25)
ireo voalazan'i DS ireo aloha noitako hoe mitombona kokoa rah ahitsikera.
za manokana moa dia misy fanovanatena tsy azon'ny saiko ekena ao.
io resaka firenena "laika"tsy nosoratana tao io amiko dia tena mitondra amin'ny zavatra ratsy be any aorian aany.
vinavinao fotsiny ity.raha i "rapozo "no lany filoha,dia iny izy no hiteny hoe"izao dia ny silamo no fivavahana ofisialy"??????aradalana mihintsy izany.rah aio lalampanorenana io no resahana.
6. bazylou ( 09/03/2007 23:46)
ka inona ary no hataonareo izany fa ireo ny tsikera konstriktiva hoy ianareo
7. lapino ( 12/03/2007 16:26)
ds > misaotra am\'le precision fanontaniana. Mazava kokoa ilay fanamarihan\'i Otrikafo raha izay. (sady mampihomehy ihany ilay zedemo :) )
Raha tsy diso aho, dia naroso ny daty fifidianana izay ho Filoham-pirenenana teo satria noheverina fa sakana amin\'ny fanatanterahana azy ara-potoana ny mety fisiana rivo-doza sy izay mety ho vokany. Tamin\'ny fotoana namoahana ny daty 04 avrily anefa, dia efa tadindomin-drivodoza Gamède ny faritra atsinanana.
Raha noho izay dia mitombina ny fanamarihana. Fa tsy izay no hitako amin\'ny resak\'i Otrikafo eto. :-P
8. fijo ( 15/03/2007 05:46)
mampiahiahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1837