Tena fanovàna ve?

1. ilanto ( 04/03/2007 16:14)
Ahoana ny hevitrareo, tena fanovàna ve ity fanitsiana ny lalàmpanorenana ity? Inona no soa mety ho entiny ary inona no lesoka ilna fahamalinana?
novalian'i fijo ny 09/03/2007 06:17
2. sitlo ( 06/03/2007 00:08)
malalaka be ilay fanontaniana dia tsy hita izay havaly azy
3. TFP ( 06/03/2007 13:39)
Ie tena fanovana, ko mba dinio:
1 - tsy laika intsony izany zao ny firenena, zany hoe afaka manapaka i Ra8 sy ny forongony fa rehefa tsy ao @ ffkm dia devoly misy rambony avokoa :twisted:
2 - Mahazo mamoaka lalàna ny filoha. Na miteny aza izy zany zao hoe Mannombboka @ vanin'andro anio dia ahy Madagasikara dia efa zay no izy.:^)
3 - Azo gadragadraina daholo @ izay zany zao na depiote na senatera rehefa mandika lalàna. Ary fa maninona moa ny Prezida tsy mba ao anatin'izany e?
4 - Mitovy lanja @ teny gasy zao ny teny anglisy lasa tenim-pirenena ofisialy. Asa ra nanamaina izay nahita an'io hevitra io fa maninona koa ny teny sinoa tsy atao teny ofisialy satria ireo izao no maro anisa sy mihamatanjaka indrindra ara-toe-karena.

Tena miha-mahantra izao ny gasy eto Dago hafa tsy ireo vitsy an'isa izay mahay mitsikafona eny foana fa ity tsalo iray ity no tena biby @ tany ra hanamboatr'é!
4. fijo ( 09/03/2007 06:17)
le 1 sy 4 aloha dia tena tsy ekeko mihintsy e.tena ohatran'ny hoe nataotao foana le izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1699