mainty fijery

1. Solitikabe ( 01/03/2007 03:32)
Salama daholo eh
Misy olona mainty fijery, ka tsy mahita noho ny jamba. Fa mirary loza noho ny varatra ary miantso atambo noho ny havandra. Ka mampifendrofendro fahavaratra. Nefa tsy mahailika taian-trano toy ny angely akory.
Sarotra ny mijery olona mitonona ho mpanao politika nefa faly amin'ny loza amin'ny taniny
répondu par Robert le 01/03/2007 22:37
2. xxx ( 01/03/2007 03:34)
Solitikabe:

Salama daholo eh
Misy olona mainty fijery, ka tsy mahita noho ny jamba. Fa mirary loza noho ny varatra ary miantso atambo noho ny havandra. Ka mampifendrofendro fahavaratra. Nefa tsy mahailika taian-trano toy ny angely akory.
Sarotra ny mijery olona mitonona ho mpanao politika nefa faly amin'ny loza amin'ny taniny



marina zany, sady mampalahelo ny teotsainan'olona toy izany!!! tsy handroso ihintsy!!!
3. Robert ( 01/03/2007 04:45)
Io ilay efa noteneniko hoe aza valiana ny loha hevitra mihomehy ny loza mahazo an'i Madagasikara tanindraza-tsika.
Matetika aloha ny an'i Bazyl na Ronaldo no tokony tsy hovaliana tsony...

Aza miandry ny zavatra hataony firenenao hoanao fa ataovy izay hitanao fa mety hoan'ilay firenenao, hoy ....
4. fijo ( 01/03/2007 05:06)
izay ny an'ialahy ry bazy kely,fa marina ny voalazan'ny olona
5. Fiffi ( 01/03/2007 07:01)
hatram-zay ange marina foana ny zavatra lazain'ny olona akia ry fijo an ! fa lery no shhh....
6. xxx ( 01/03/2007 09:19)
Izaho dia mbola gaga aminareo mamaky sy mamaly ny zavatra lazain'i bazyl.
Vao mainka izy mahazo aina hoe be mpamaky sy be mpamaly ny soratany.
Izaho vao mahita dia tonga dia tsy mamaky.
7. Robert ( 01/03/2007 22:37)
Raha ny tenako aloha de tsy hamaly izay loha hevitra ampidirin'i Bazyl eto tsony.
Tena tsy miova mintsy ilay ramanana io, mety tena very fihinanana t@ androny Deba angah izy, hany ka tsy tia an'i Madagasikara tsony raha mbola Ra-8 no mitondra....Mampalahelo..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0428