Hono hoa......

1. Fiffi ( 28/02/2007 18:28)
Hono hoa ry namana mahafantatra ny lalana any dago:

-azo hatao ve ny hiditra ho mpifaninana amin'ny filatsahana depiote raha olona efa niditra am-ponja ? efa voaheloka ?

zany hoe gaga hiany zah nahita an'ity lahatsoratra ity....eny na de hoe nohafahan'ny fitsarana aza ity olona ity nefa efa voasazy koh talohan'io ?

Nivoaka ny fonja Ra-Ckicki. Nivoaka omaly ny didim-pitsarany. Nohafahan'ny fitsarana noho ny fisalasalana izy. Hiditra ho mpifaninana amin'ny filatsahana depiote izy.

Hilatsaka depiote
Nosoritany mantsy fa nanam-pikasana ny hirotsaka ho fidiana ho solombavambahoaka ao Manakara Ra-Ckicki amin'ity fifidianana ity. “Efa tanjony hatramin'ny ela io. Ary tsy ho sarotra aminy satria tsotra, mahay mifandray amin'ny olona Ra-Ckicki”, hoy izy.
Tapa-bolana teo izay no nidiran'ity mpanakanto ity tany am-ponja tamin'ity raharaha nihazonana azy ity. Ny alatsinainy 12 febroary teo izy no voasambotry ny polisy teny Ampefiloha. Natolotra ny Fampanoavana taorian'izay ary teo ihany dia efa notanana vonjimaika tany am-ponja.
Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar
2. Robert ( 28/02/2007 20:55)
raha ity fiampangana farany ity aloha tsy mampaninona aza, satria tsy voaheloka izy.

Fa ilay nahavoaheloka azy t@ 2005 iny inoako fa tsy afaka hilatsaka izy, raha tsy hoe ahazo mamelakeloka @ filoha.

Eritreritra koa anie ny azy fa tsy hoe efa tena mahazo milatsaka izy...
3. simplex ( 28/02/2007 21:35)
grace no azon'ny filoha omena fa tsy amnistie. Izany hoe tsisy dikany intsony izany satria efa vitany ny saziny. De tte facon ny grace tsy mamafa casier judiciare. Ra tena voaheloka definitive izy tsy afaka ny milatsaka izany... Sady mpanolana zanak'ol zany kou ve ho lany eo :roll::)
4. jefra ( 28/02/2007 22:43)
Ny heloka mihatra ka voasoratra am Casier Judiciaire ihany no misakana fa tsy ny fandalovana eny Antanimora.
Misy efa teny Antanimora fa mbola lasa filoha mamin'ny sasany ihany :lol::lol::lol: Sa moa ahoana fiffi :wink:
5. jefra ( 28/02/2007 22:49)
Fiffi> Mba pi maso fotsiny ny ahy fa sao lazinao ho mahay vava ndray :-P
6. Fiffi ( 01/03/2007 06:49)
jefra: :-D:-D:-D

misaotra ry zareo an ! gaga manko zah hoe mba ahoana zany olona efa voaheloka zany nefa hirotsaka @ io depioté io ? izy ange toa efa voaheloka taloha sa zah no diso ?
7. fijo ( 15/03/2007 05:25)
jefra an ,ndao koa hoeny sao lasa filoha ihany avy eo kle
8. Fiffi ( 15/03/2007 06:32)
maninona tokoa moh ? :-D:-D:-D
9. bonaventure ( 12/05/2007 14:47)
marina aloha izany e,olona efa very zo tsy mahazo milatsaka hofidiana ^^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1331