Izany tokoa ve ny atao hoe Democratie?

1. xxx ( 27/02/2007 10:12)
Tena mila tsy ho zakan'ny Malagasy intsony ity fiakaran'ny vidim-piainana ity,ny vary miakatra ,ny charbon miakatra ,sns rehefa ilaina ao an-tokatrano,miha-enjana ny vidim-piainana.Izny tokoa ve no atao hoe "democratie"samy manao 'zay saim-patany ,niakatra 100% be izao tao anatin'ny herin'andro monja?
Dia havela hanjaka amin'izao ve ireo mpanao ny tsindry hazo lena ireo sy ireo mpanararao-paty isan-karazany ireo?
Mijaly ny Malagasy
2. melody ( 27/02/2007 17:31)
xxx ka ny mahatonga ny vary sy ny charbon niakatra ny vidiny ange dia noho ilay orambe tsy nijanona mihintsy nandrintra ny 1 volana mahery e, midika fa ny vokatra rehetra any ambanivohitra dia tsy tafakatra daholo, ny mpanao charbon tsy afaka mandoro noho ny orana....Izao indray mbola misy cyclone 2 mananontanona any dago, di ambola hiakatra indray ny vidin-javatra.:(
3. bazylou ( 03/03/2007 00:47)
hereto ao fa ianareo no nifidy an'io e!! mbola hoaiza !:lol::lol::lol::lol:
4. melody ( 06/03/2007 12:48)
oh ry bazylou a, f'iza no nofidinao aloha e?
Manarak'izany ny vokatry ny natiora tsy misy hidirany politika mintsiny. Tsy misy mahay mametra ny fetraikan'ny natiora na iza na iza..........
5. xxx ( 17/03/2007 11:52)
Marin'izany,tsy ny Filoha mihintsy no nahatonga an'io fa vokatry ny natiora ,fa isika Malagasy mihintsy no efa mpanararao-paty e!voa ireo fa aleho hasondrotra,tsy nampozina iny fa efa mitady solution ny fanjakana,efa hiverina @ laoniny io ry xxx fa mandria fehizay amin'izay an!
6. Herimiafina ( 23/04/2007 21:49)
Mety ho "demokrasia saovazy" angamba izany no azo hilazana azy sa? :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1219