Mpanohitra ve ny katolika sa tsia ?

1. newyork2007 ( 27/02/2007 08:03)
Taorian'ny fanazavan'ny arsevekan'Antananarivo, Odon Razanakolona, ny faran'ny herinandro teo, ny fomba fahitany ny fiainam-pirenena, dia hita fa nahazo vahana indray ny mpanohitra eto amintsika rehefa nangina nandritra ny fotoana maro.
Toa zary nanome hery lehibe ho an'ny hafa ny fanambarana izay milaza fa hiteraka fahapotrahana ity hazakazaka arahin-tosika ity, ary ny rotoroto no mampivarina an-kady. « Na may toy ny inona aza ny mpitondra dia tsy ny fahamaikana no hampisy fampandrosoana marim-pototra raha tsy ny vahoaka no miara-mientana. » Mbola nahabe fanantenana ny hafa ihany koa ny filazana fa na misy aza ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 4 avril ho avy izao, dia sarintsarina demokrasia ihany, ary zary fanaovana « z’inona » ny vahoaka andriamanjaka, raha tsy ezahana ampahafantarina azy mialoha ny zavatra hitsapana ny heviny.
Hevitry ny katolika iny fa tsy an'ny FFKM sy ny fiangonana maro, kanefa tsy azo lavina fa maro an'isa eto amintsika, mba tsy ilazana fa manerana izao tontolo izao ny katolika. Koa ho raisin'ny fanjakana ho tenin-dray aman-dreny ve ireny sa ho kilasiana ho mpanohitra ihany koa ity finoana iray ity ? Ampahan-tsikera io voalaza io, kanefa tsy azo hamaivanina, eny fa na hevitry ny finoana iray aza io. Saingy ny tsy azo adinoina dia ny nampisokatra ny masom-panahin'ny mpanohitra ho misy hery hafahafa ho azy iny fanambarana iny.
Ny eto amintsika mantsy izay milaza ny heviny ka tsy mifanaraka amin'ny eo amin'ny fitondrana dia kilasiana ho mpanohitra foana. Koa mpanohitra ve izany ny katolika sa tsia ? Mba misy hevitra azo raisina ve ny fanambarana sa dia atao rano raraka an-tany toy ny an'ny hafa? Fanehoan-kevitra goavana iny ka hisy akony eto amin'ny tany sy ny fanjakana, ary anio maraina dia mbola hisy fihaonana ataon-dry zareo amin'ny mpanao gazety, koa inoana fa hitombo hatrany ny vaovao ho voaray manoloana ity fanehoan-kevitry ny katolika ity.


Source :Madagascar Tribune
novalian'i potsikely ny 30/11/2007 11:44
2. ronaldo09 ( 27/02/2007 08:20)
Odon Razanakolona tena olon'Andriamanitra tokoa ianao .Ny Tompo anie homba anao ary hitahy anao sy hampitombo ny fitahiana izay efa narotsany taminao .Ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany anie hirotsaka ho anao!
Tena efa nandre ny fitarainan'ny olony ny Tompo ka naniraka ny mpanompony !Tsy mpanohitra ny Katolika fa amin'ny maha-mpitaiza ara-panahy azy no amoahany resaka!
EKENA 10000000000000000% ...
3. jefra ( 27/02/2007 08:21)
Izay TIANA no anarina :wink:

Tsy fanao ny mijery arina an-tava, indrindra fa hoe olona hajainao :wink:

Ny vady iaraha-matory no mahita ny kilema, ka afaka miteny hoe "Andehana miborosy nify aloha", na "Sasao ny tongotra fa efa leo kamambera aho"...:wink:

Mba aoka amin'izay ity fihevitra hoe izay teny na hevitry Ra8 dia tokony hatao amen daholo :evil:
4. pimaso ( 27/02/2007 08:21)
Tsy resaka Position Droite sy auche le izy,
fa ny Esprit hitondrana le référendum mihitsy no tsy mifanaraka @ ny an'i Catholique,
Dia tsy manentana ny Kristianina hifidy fotsiny izy,
Tsotra be,
Misaotra ny nanomana ny fanontaniana
5. ronaldo09 ( 27/02/2007 08:24)
za ange ry mpiray tanindrazana malala efa niteny fa tsy mamely ho'a io!Zao ny mpanompon'Andriamanitra mihitsy no miteny .Tohizooo ihaaaaanyyyy io manao zavatra tsy amim-piheverany io o!
6. hery ( 27/02/2007 09:06)
Faly ery i Ronaldo kanefa tsy fantany fa hoe tsy mitovy mihitsy ny zavatra ataony sy ny ataon'ny Fiangonana Katolika.

Mgr Odon eto tsy miteny hoe tsy mamely mihitsy Ravalo fa aongany teo. (tahaka izay antsoin'i Ronaldo isanandro)... fa hoe tsy mamely io fanapahan-kevitra anakiray io ka tokony hovaina.

Izany no tena Demokrasia... avela miteny izay tsy mety ny olona. Dia mihaino ny fanakianana mampandroso.

Raha tena olon'ny demokrasia toa izany i ronaldo dia manao tahaka an'i Mgr. Odon koa. Rehefa misy tsy mety dia ahitsy fa tsy mankahala olona be fahatany.
7. ronaldo09 ( 27/02/2007 09:27)
OK rahery a!Miaiky ianao fa misy ny tsy mety ka tokony hahitsy!Ianao ange izany mahalala fa tsy mamely fa mody nanarontsarona fotsiny e!:-D:-D:-D
Za aloha razoky be hery tsy niteny kosa hoe aongany Ravalo a!Hoy i Davida sanatria amiko raha hanijitra ny tanako aho ka hamely ny voahosotry Jehovah ,nefa iSaoly tena tsy namely mihitsy tamin'io a!Izaho koa toraky izany tsy haninjitra ny tanako aho na hmolavola hevitra hampiala an-dRavalo teo fa ny tsy mety no teneniko!
8. rabaradaka ( 27/02/2007 13:15)
Diso fijery ny nanoratra an'ity lohateny ity sady kentrina. Tsy manao politia ny Katolika fa mahita ny tsy mety dia miteny sady tsy saribakolin-dRavalo koa toa an'ny Kardinaly Gaetan razafindratandra ity Kardinaly Odon Razanakolona ity. fa rabaradaka tsy Katolika
9. jefra ( 27/02/2007 15:17)
rabaradaka:

...Tsy manao politia ny Katolika fa mahita ny tsy mety dia miteny sady tsy saribakolin-dRavalo koa toa an'ny Kardinaly Gaetan razafindratandra ity Kardinaly Odon Razanakolona ity. fa rabaradaka tsy Katolika

Aiza kosa e! Manana fijery politika izy fa tsy manao asa. Zavatra roa samy hafa be ireo.

Ny tanjon'ny asa politika dia ny hitantana/handray toerana/hampihatra ny fijeriny. Izay no zava-kendren'ny antoko politika rehetra.

Fa misy ny fikambanana/olon-tsotra, manana ny fijeriny/firehany, saingy tsy mihevitra hitantana na handray toerana. Manana fijery fotsiny ireo, na dia manao politika koa aza.

Ny maha firenena mahaleo tena ny Vatican moa dia vao maika mampibaribary ny fanaovan'ny katolika politika. Betsaka ny ohatra tany Amerika atsimo, izay nisian'ny damopra te handray toerana ka nobedesina.Mody hoe tsy manao politika, fa izay ilay politika.
Katolika tia politika ilay manoratra.


10. Lalah ( 28/02/2007 04:51)
Asa raha mba tadidinareo tsara, t@ Ravalo nirotsaka ho fidiana t@ 2002 nilaza lery hoe "tsy mila vola avy any ivelany zany isika, tsy mila mangataka any @ reo vazaha ireo intsony, tsy maintsy vitan-tsika io" aiza nefa zao tsy menatra akory mangataka etsy sy eroa, aiza re ilay toky nodradradraina e! mbola any mihintsy iny raki-tsary iny, andraso fa ampidiriko eto. tsy olon-teny le rangahy io e! mandreraka be fa dia aleo hoa mangina fa hifanasa vangy @ ve tsy hoatran ny adala?
11. xl ( 28/02/2007 07:34)
Ny katolika dia finoana"Apolitique"
fa rehefa misy toe-draharaha hita fa tsy hahasoa ny firenena dia rariny ny Ray aman-DReny Amam-panahy raha mananatra,
Vu RA8 anie mbola zanak'i ny Fiangonana e!
Ary raha ny Katolika no manongana azy tena miala teo izy, Demokrasia izany ary fantany tsara
ny 50% ny mpino eto Dago dia Katolika,
Natao hanairana sy hampieritreretana ny mpitondra fotsiny iny tenin'ny Mgr iny fa tsy midika velively hoe "mpanohitra ny katolika"
Any @ mpitondra ny baolina izao
Tandremo lahy!!!!
Catho c'est pas une blague!!
12. fijo ( 28/02/2007 23:36)
za koa dia momba io zavatra nataon'ny katolika io.tsy ilay fond no resahako eto,fa ny forme hitondrana le resaka no tsy voako.le hevitra hanova "lalam panorenana "dia ekeko,satria raha te hiasa aradalana ny MAP dia mila aravina miaraka amin'ny lalana.
saingy ny fitsapana ny hevitry ny vahoaka kosa ,dia tiako raha anontaniana amin'ny zavatra fantany izy,fa tsy zavatra vao mafana be no aroso azy.
13. xxx ( 01/03/2007 13:35)
Zaho aloha dia sady tsy honaman'ny etsy no tsy ho naman'ny eroa ,sady tsy haka ny akilany no tsy hanomba ny andaniny fa dia mitazana fontsiny e! za indray tiko le mamaky ny hevitrareo ary tia manaraka vao2 politika ihany koa e!
Raharaha ihany izy ty Zama an !!!!
14. potsikely ( 30/11/2007 11:44)
Zao e!ilay izy dia tsy misy resaka be satria raha hitarina dia lasa manaratsy zavatra, fa izao na ny fitondrana na ny Fiangonana katolika dia mahalala ny zavatra tokony ataony izy, fa izany tsy hoentina handriritana zavatra be loatra eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2216