Sary noesorina

1. xxx ( 26/02/2007 22:10)
Manao ahoana daholo,

Hono ho'aho ry ireto, f'angaha tsy mety ny mametraka sarin'ny zazakely ato anaty serasera, izany hoe sarin'izy irery????
Nametraka sarin'ilay zanako mantsy aho à deux reprises fa noesorin'ny admin.
Ka tsy haiko na izaho no tsy namaky tsara ny fepetra, na tsy fomba sao mampanitatra ny sain'ny hafa????
mba valio re izay efa nandalo t@ io toerana io.
misaotra mialoha.
novalian'i sitlo ny 28/02/2007 00:28
2. fasaly ( 26/02/2007 22:24)
hanaovy ps manokana ho azy izy e! de tsy ho voafafa trony angamba!:wink:
3. hery ( 27/02/2007 09:09)
Ny ao amin'ny fepetra (natao menamena rehefa mametraka sary ianao) dia hoe ny sarinao no ilaina.
Noho izany dia ny sarinao no tokony hapetraka fa tsy ny sarin'ny zanakao. Raha ohatra ka tianao haseho amin'ny namana vitsivitsy ny sarin-janakao dia azonao atao sary manokana. Dia ataonao namana manokana izay te hijery azy.

Raha ny tokony ho izy, rehefa fafaina ny sary dia mahavoaray email ianao milaza fa nofafaina ny sarinao.
4. xxx ( 27/02/2007 17:53)
ny mpamafa sary tsy mandefa mail akory kou!:twisted::evil:
5. hery ( 27/02/2007 23:32)
Tsy mandefa email mivantana ny mpamafa sary kah. Fa mahavoaray email mandeha ho azy misy ny antony ianao.

Hmmm. Raha diso izany dia misy diso izany ny ao @ serasera.
6. sitlo ( 28/02/2007 00:28)
jereo ny junk mail (spam am yahoo) fa ndraindray tonga dia lasa any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3026