Mangataka Tononkira

1. DODABE ( 23/02/2007 14:11)
Inona kay moa ny lohatenin'ilay hira misy hoe "Fotoana fohy na herinandro angamba izay no teto mahajnaga izahay" dia mba mangataka an'io za raha misy manana miampy ny mpihira; tiko le hira fa tsisy haiko na ny mpihira na nyt oniny.
Misaotra mialoha e!
novalian'i cutie ny 28/02/2007 21:36
2. cutie ( 23/02/2007 15:11)
Namako ianao (Mahajanga)


Fotoana fohy na herinandro angamba izay
No teto Mahajanga izahay
Tsy nanana an'iza hiresahana
Na hizarana hafaliana
Nalahelo fa irery
Mitazatazana ireo mpandalo
Na koa mikalokalo f'izany moa
No fialam-boly ankafiziko
Rehefa irery eny aho ka manary dia
Dia hira no tiako
Indray atoandro be migaina
Iny nisy tovovavy iray
Nirava nianatra izy angamba
Na koa asa lahy na mba ho aiza
Fa niavaka sy hafa
Fa jefijefy sy kanto ery
Ny fihetsiny mitomban-dahy
Sariadriaka endrika
Baliaka, sahisahy
Nahavarina, nambabo fo,nahafatifaty
Hay ianao no nandalo ahy ianao
An !
Hay ianao no nadalo ahy ianao
An !
Nifanadala teo isika
Nifananihany, nifampikopa-tanana
Nitsiky, :-) nihomehy
Ary nidify ianao
Nefa tsy nandao ny eritreritro
Fa nitoetra
Taty aoriana kely
Nifankalala isika
Nifankazatra satria
Ny tranontsika moa nifanakaiky rahateo
Ka dia nifankahita matetika
Toy ny mpiray tanàna rehetra
Toy ny mpinamana rehetra
Dia tsy nisalasala aho
Nanadikadina izay rehetra momba anao
Ary mba iza moa no anaranao
Mba lazao
Ianao koa moa tsy nihafahafa
Teny dia nitsotra hoe
Raha tianao ho fantatra ny ahy dia "Josée"
Ary mba iza ho'aho no hiantsoako anao
Sao "RIJA"
Hay moa fantatrao ny anarako
An !
Faly aho fa lasa namako ianao
An !
Faly aho fa lasa namako ianao
An !
3. Stretch ( 23/02/2007 15:23)
RIJA OELIJAONA.
4. sitlo ( 23/02/2007 22:38)
kay, maharaka kosa ireto tovovavy ireto.
tehaka ho an'i cutie
=D
dia tehaka ho an'i stretch =D
5. cutie ( 23/02/2007 23:30)
tsar ange io hira io ry sitlo e :lol:
6. Stretch ( 26/02/2007 20:41)
iza ko ny tsy mahay an zany nefa zao ?

ozy izy oe
zao Rija . . . sady miseto mafy ery. . .
:-D
7. cutie ( 26/02/2007 20:48)
ilay hirain'ny pazzapa no tena milay eo @ le Rija ry stretch a :-D:-D:-D:-D
8. DODABE ( 28/02/2007 14:17)
Misaotra cutie favoaray ah!

9. sitlo ( 28/02/2007 14:25)
Stretch:

iza ko ny tsy mahay an zany nefa zao ?

ozy izy oe
zao Rija . . . sady miseto mafy ery. . .
:-D



kay ve iny hira iny io eh, ohatra ireny anamamy masaka ireny.
10. cutie ( 28/02/2007 21:36)
Mpandefa : DODABE [ Valio ] 28-02-2007 15:17:13
Lohateny : Re : Mangataka Tononkira
Misaotra cutie favoaray ah!

tsy misy fisaorana e :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2034