HIRA

1. revy2 ( 23/02/2007 07:05)
MANAHOANA E !!!!!

MBA MANGATAKA ILAY HIRA MISY HOE :

- Eto aho,ihezaka hatrany,
hanadino anao ihany,
fantatro fa,tia ahy ianao
eto ambaravarankely....

NY MPIHIRA TSY FANTATRA

DIA MISAOTRA MIALOHA E!!!!!

novalian'i Fiffi ny 23/02/2007 07:32
2. Fiffi ( 23/02/2007 07:32)
Eto am-baravarankely aho no mitazana
Isan'andro ity ala maitso mavana
Ny voronkely mandalo sy miserana ihany
Tsy afaka hampitony ity foko tomany
Eto am-baravarankely aho no mitsetra
Mitanisa ny momba antsika rehetra
Fitiavana toy ireny hafa rehetra ihany
Na ho ela na ho haingana hisy fiafarany.

Eto aho miezaka hatrany
Hanadino anao ihany
Nefa tsy mety fa mampahatsiaro anao
Eto am-baravarankely.

Eto am-baravarankely aho no mandefa
Ny eritreritro tsy mety anefa
F'izay rehetra atao miantefa any aminao
Tsy laitra fa manjary ahatsiarovako anao.
Eto am-baravarankely aho no misaina
Ny fiarahantsika very maina
Ny orana milatsaka tsy tsaroako ny hatsiaka
Variana loatra aho noho ity tantarantsika

eto am-baravarakely Aloma no mihira azy..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0545