NY TOAKA (TOHINY)
1. naritsimba
(
21/02/2007 06:29)
Notohizana eto fa lasa any ambadika.
http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m45b6f02b32914

novalian'i Fanambinana ny 15/03/2007 18:31
2. Fiffi
(
21/02/2007 06:44)
fahagagana voalohany nataon'i Jesoa...(aleo aloha haverina vakiana indray ny teo aloha...)
prime> tena marina mihitsy ny voalazanao fa tena divay io nataon'i Jesoa tao @ fampakaram-bady tao kana io,
3. naritsimba
(
22/02/2007 05:39)
Jesoa Kristy raha nanao fahagagana dia rano lasa divay no nataony fa tsy rano lasa toaka.
« Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany), » (Levitikosy 10:9)
« dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina. » (Nomery 6:3)
« Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan'ny andro ka ampirehetin'ny divay! » (Isaia 5:11)
Raha dinihantsika ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mampiseho fa t@ Testamenta Taloha dia nampitoviana ny divay sy ny Toaka, sy ny voka-dratsiny;
Rehefa jerena kosa anefa ireto andinin-tsoratra masina ao @ Testamenta vaovao ireto:
« Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. » (Lioka 21:34)
« Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; » (1 Petera 4:3)
dia ny toaka no tena nampitandremana mafy fa tena ratsy, fa ny divay dia nekena ho sotroina fa kely ihany: « Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika."
(1 Timoty 5:23)
Manambara zava-dehibe ireo fa dinihonareo ange eh!

4. fijo
(
22/02/2007 23:16)
ny dovay koa anie toaka e.ny toaka dia filazana ny rano misy alikola rehetra.labiera ,doavy roma;wisiki,cognac sns
5. hertix
(
24/02/2007 07:39)
"Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona." (IKorintiana 6:12)
"Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, dia aoka hofenoina ny Fanahy," (Efesiana 3:18)
"fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra."(IKorintiana 6:9,10)
Tsy misy manakana ny hisotroana ny karazan'alikaola fa tokony hahalala onony @ antonony mba tsy hanaonao foana ary koa mba tsy hanimbana ny tena satria tadidio fa tempolin'Andriamanitra io tenantsika io.

7. niryna
(
27/02/2007 07:50)
Divay no fahagagana nataon'i Jesosy voalohany ary na ny olona nasaina aza dia vaka nahita ny tsirony. Divay tsy mahamamo io na tsy fermentee.Ny zava-pisotro mahamamo izay fermentee sy ny rongony dia voarara ny fisotroana azy sy ny fampiasaina azy tsy ara-pahasalamana.
9. Rasiligaoma
(
28/02/2007 05:42)
mahalala onony fotsiny fa tsy misy zavatra ratsy izany rehefa voafehinao ny tenanao e
11. Fanambinana
(
15/03/2007 18:31)
Averiko eto fa andriamatoa fijo dia sady feno fankahalana no tranon-dainga. Izay no mameno ny fiainany sy ny lohany, hita taratra izany amin'ny teny lazainy rehetra eto: endrikendrika, fanalana baraka, LAINGA
Io averiko eto ambany ny porofo tsy azony lavina intsony amin'ny maha olona MPANDAINGA azy.
Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.
1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.
Misaotra Rahery e