vohoka sy ny sira...

1. segadombolo ( 20/02/2007 14:07)
Manao ahoana daholo!
Ny dokotera sasany milaza fa rehefa amin'ny faha-7 volana dia ahena ny sira, ny ahy aloha dia izay no nampahalalana ahy hatramin'izay e, nefa nisy nilaza teto fa hoe: tsara kokoa raha toa ka tsy mihinantsira mihitsy hahamora ny fiterahana. Ka hoy za hoe: raha tena tsy mihinantsira ve nefa ny tena hitolona amin'ny fiterahana de mba hisy hery entina hamoahana ilay zaza ihany?
novalian'i Zina ny 22/02/2007 19:35
2. sakaizakely ( 20/02/2007 14:36)
Izao an ! Aza minomino foana an'izao sy izao fa manana hevitra anao manokana. Mijereva boky mikasika ny vohoka fa maro isankarazany izy ireo. Ny fahalalana azonao avy amizany dia hialana @ idées reçues sy tsy hinohino foana dia manaonao foana.

Ny sira dia ilaina @ fiainana, ka tsy tokony fadifadiana @ tsinapany izany. tsy tokony atao be loatra koa anefa. Ary arakarakiny ny valin'ny analyse de sang no ahafahana miteny hoe ahena na tsia ny sira. Misy antony ara-medikaly manokana toy ny hyper tension ohatra no mila mifady sira tanteraka.

Tsy haiko mintsy hoe inn no tinao ho lazaina @ le hoe mora fiterahana. manaraka lalanany ny fiterahana, tsy maintsy mandalo @ contractions daholo vao misokatra ny col, izany hoe tsy maintsy marary foana. Misy étapes isankarazany ny fihetsehanjaza, entre 8/24h izay vao tonga amin'ny explusion. Rehefa tonga am'lay hoe mihetsijaza dia miasa ny tenanao hanampy an'ilay zaza hidina. Mihenjana ny tranonjaza ary somary tsy afaka miaina aza rehefa tonga io satria tena maharary. Ao anatinao dia mihatery ny tranonjaza isaky ny misy contractions, izay mibaiko ankolaka an'ilay zaza hidina moramora manenjika ny bassin. Lalampiainana io fa tsy ny fihinanana an'itsy na ny fifadiana an'ry no hahamora azy fa arakaraky ny toebatana koa. Ny vhv zatra mafy toto toy ny mpanao sport sy ny mpandeha tongotra lava ohatra dia tsy dia maheno sahirana loatra.

Ny tiako ho lazaina dia manaova bilan matetika dia arakaraky ny valiny no andraisan'ny dokotera fepetra @ fifadiana na tsia. Ny torohevitry ny dokotera ihany arahina fa tsy ny honohono. Nefa koa tandremo ny manao excès (menaka, sira, mamy, matavy sns...)

Aza be ahiahy loatra fa ny fitondrana vohoka dia fotoana sambatra tokoa ho an'ny vhv fa tsy natao hiahiahiana, manjary stressé ny zzkely
3. tywa68 ( 21/02/2007 07:50)
tena voalazan'i sakaizakely dhl fa d manaova mora e !
Aza maka kilao be fotsiny (satria raha betsaka dia 7kgs no miala rehefa teraka ny zaza dia ny ambiny tavy mijanona ho anao !)
4. nenipita ( 21/02/2007 10:08)
ny ahy indray de tsy hoe minomino foana na ahoana fa araka ny henoko t@ sage femme de tsy dia tsara loatra ny mihinana sira be loatra manomboka eo amin'io 7 volana io satria mahamafy ny col ny fihinanan-tsira be loatra ka izany hono no mahatonga azy ireo manafatrafatra io.
Raha ny momba ny fiterahana indray dia tsy le hoe mihetsi-jaza anie no mora rehefa mifady ireo fa amin'ilay fotoana amoahanao ilay zaza de mora misokatra tsara ny col ary de tsy ela ny fivoahan'ny zaza avy ao,
sakaizakely>>>>>>>>> izay ilay hoe mahamora fiterahana amiko, marina fa na inona na inona hohaninao sy fadinao mandritry ny vohoka de tsy maintsy marary foana ny mihetsi-jaza, fa mandritry ny fotoana amoahanao azy no hitanao ny vokany amin'izay mba tsy taraiky ela ao le zaza, ireny koa mantsy no mahatonga ny zaza ho lent indraindray, ohatra ny an'ilay zokiko izay de tena lasa tara fivoahana ilay zaza, mba tsy hahatara fivoahana azy izany no tiana ho lazaina amin'nilay hoe mora fiterahana fa tsy ny hoe tsy marary rehefa mihetsi-jaza
5. sakaizakely ( 21/02/2007 10:17)
Ka za ry nenipita efa 2 anaka fa tsy mbola notenenin'ny dokotera resaka sira izany a ! Zany no mahagaga ahy.
Fantatro fotsiny hoe 2g/jour ny minimum vital hi oxygéner ny atidoha. dia anjaranao ny mitsinjara sy mametra fa tsy manao excès be loatra. Satria misy sels minéraux daholo ny sakafo rehetra.
6. kelly13 ( 22/02/2007 11:02)
ny henoko indray nefa d oe tsy hampivonto no tsy d hinanana sira, nefa za vers 7è mois de grossesse d nistyle nifady sira fa non seulemnt za nalemilemy fa nivonto b ny tongotro, donky tsy hitako loatra oe inn no tsy hinanana sira si c'est pour avoir le meme resultat!
7. segadombolo ( 22/02/2007 11:31)
Za aloha tsy hoe minomino foana akory e, fa raha zavatra hahamora ny famoahana ny zaza ve tsy hataoko. Marina fa efa amin'ny zazqa fahatelo za ankehitriny fa ity no tonga amin'ny fitenenana hoe tsy misy taonany ny fianarana.
Io tongotra mivonto io tokoa matetika raha toa ka bevohoka dia tsy avy amin'ny sira mihitsy. Efa naheno tantara toy ny an'i Kelly io koa manko za.
8. kelly13 ( 22/02/2007 13:11)
fa sady marary le mivonto tongotra io an no tsy afaka manao lamôdy hihihi
9. fanantenana2003 ( 22/02/2007 19:17)
oedeme zany hoe retention d'eau, dia aza mihina-kanina be loatra le farany , misotro rano foana dia mandeha tongotra , ary mila manantona dr rehefa tratran'io mivonto tongotra io, satria mety misy prise de tension na anomalie any aminy pipi, dia manao douche tiede foana isakariva koa izay hoan'i kelly13 sy segadombolo


xxx: 4 taona le zanako fa eo ampieritreretana na asiana fanindroana na ahoana na efa en route mihitsy aza hi hi hi
10. Zina ( 22/02/2007 19:35)
Ny dokotera sasany milaza fa rehefa amin'ny faha-7 volana dia ahena ny sira


matoa ny dokotera milaza an'io dia satria mety misy albumine ilay olona... ka tandremo ihany ataovy kely fotsiny ny sira

marary le mivonto tongotra

ny von'ny albumine sy diabete no tena misy an'io
ny sira moa dia hamaivano
ary ny siramamy dia mamy avy @ zavatra natoraly (voankazo etc..)ihany no ho hanina

ka raha ohatra tsy fantatrao na misy Albumine na diabete ianao alohan'ny maha bevoka anao dia mandana mijery ny dokotera mba assurena tsara ny vohoka pendant 9 mois ayayayayayayya:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2273