mitady vady vaovao !

1. wooda ( 18/02/2007 02:50)
Ankamaroanareo izay manoratra ato @ ity takelaka ity izao dia mety mampiasa windows daholo. Ny tenako aloha dia tena anisany!

Vao vetivety izao aho no mba niova kely nijery système hafa (linux kaella knoppix azur 3.0), tena sahiran be fa tsy misy haiko mihintsiny izay atao aminy :(

Misy aminareo ve mba afaka manome hevitra ahy na torolalana mikasika linux en general? (mba tsy handaniana fotoana hijery @ google)
Efa nisy ihany no hitako fa maro be ka tsy hay izay hisafidianana.


Tsiky dia ampy...
novalian'i wooda ny 01/03/2007 01:25
2. Fiffi ( 18/02/2007 11:40)
fa maninona no hatao hoe "vady" ?
3. pottita ( 18/02/2007 15:46)
Installéo ubuntu edgy raha vao manomboka ianao, jereo ny site "ubuntu" (Forum)(systeme miankina @ debian io).
Io no hitako fa linux tsara iatombohanao.
4. wooda ( 18/02/2007 17:35)
Fiffi:

fa maninona no hatao hoe "vady" ?



Fiffi kosa, ka vady no iantsoako azy fa andaniako fotoana maro:( , bedesina rehefa midéconne (surtout),raha tsy mety de tambintambezina ohatran'inona, manadino misakafo indraindray ka ilay tena tompon'i anarana aza lasa saina hoe "fa sao de lasa adala eo ilay vendrana ity =))!" :-* :-* :-* ho anao :D

pottita> merci @ torohevitra, ilay ubuntu ve no instalena direct @ DDR sa mila manao partition hafa mihintsiny ametahana azy ankoatran'ilay système efa misy ao? (mbola tsy nijereko aloha ilay adresse fa manararaotra courant tsy tapaka izao aho!)
Ary ahoana kay ny fomba fijerenao ity linux ity? mety ho tsara ve na tsy atahorana hanimba zavatra hafa @ ordi toy ny ram ohatra na ny puce :?:
5. pottita ( 18/02/2007 18:54)
téléchargeo aloha ilay ubuntu (650Mo eo ho eo), format .iso io, dia gravéo amin'ny cd mba ho bootable au demarrage.

Mi-reserver partition malalaka amin DD (eo amin 2 à 5Go dia ampy eo am-panobohana : logiciel: partition magique na izay misy sous windows).

Linux dia systema matanjaka mihoatra ny windows, tsy atahorana mihintsy ary tsy misy zavatra simba izany eo :lol:.(na eo amin'ny resaka virus,spy aza sur le net dia rare izany hoe machine linux attaquer izany).

Rehefa manomboka kalaza ise dia andramo jerena ireo resaka virus sy ny firewall sns ireo...:D

Redemarreo ny pc amin'ilay cd dia araho fotsiny izay lazainy eo.
Aza hadino ny mijery ny forum ubuntu amin'ny installation :roll:
A+



6. hery ( 19/02/2007 00:35)
wooda> izaho koa dia tahaka anao mihitsy. http://hery.blaogy.org/2007/02/14/linux-is-not-that-free/ ny finiavako sy ny fijaliako nametraka an'ilay Linux. Vita ihany aloha. Amin'izao dia Xubuntu edgy no ampiasaiko. Ilay Xubuntu toa somary maivana kokoa noho ny Ubuntu. Raha toa ka somary tsy dia matanjaka ny ordi dia ilay Alternative CD no alaina fa raha tsy izany dia tsy mety installer-na mihitsy.
7. lapino ( 19/02/2007 13:35)
wooda > ohatra hoe : lea-linux.org

pottita:
Linux dia systema matanjaka mihoatra ny windows, tsy atahorana mihintsy ary tsy misy zavatra simba izany eo :lol:.(na eo amin'ny resaka virus,spy aza sur le net dia rare izany hoe machine linux attaquer izany).
Izao ohatra ilay karazana dokam-barotra mamitaka atao an'ilay OSS :b:). Dia manantena zavatra lafatra ny pokona kanefa vao eo amin'ny install dia efa misy ilana forum sahady. Ny fampiasana azy koa mbola tantara hafa indrindra raha tena vao voalohany mampiasa linux.

Ny zavatra simba, possible! Fa tsy fitandremana no mahatonga fahasimbana, ary ny données no tena sarobidy atahorana indrindra. Ny fahasimbana materiel aloha no tsy misy.

Ny tanjaky ny linux miohatra amin'ny windows indray, dia mety mitombina raha ny linux ampiasain'ny NASA na ny BlueGene sns. Fa raha ny desktop linux ohatra ny ubuntu na fedora sns dia tsy mitombina mihitsy io, na dia ireo distro malaza ho tsara indrindra aza.

Ary farany, mba hahafahana mampiasa linux raha mbola vaovao, dia mila manokana fotoana kely mihitsy hamantarana azy sy ny zava-misy miaraka aminy. Fotoana betsaka noho ny raha hampiasa mac na hifindra vista io an! :-P
8. wooda ( 20/02/2007 17:37)

pottita> tena henjana be izy zany klé, ataoko miandàlana ihany aloha izy ity fa ny fotoana de tena henjehina mihintsiny eh!

hery>XUBUNTU EDGY firy ème édition zao no ampiasainao?

lapino>efa tena ikoizana @ty linux ty ve ianao? mba te ahalala bebe kokoa momba ireo commande linux io manko aho fa io no tena micoince @ko.

de misaotra anareo nanome hevitra aloha eh! fa zao de somary tsy sahy firy mitélécharge logi fa misy an'izany virus "ZANGO" zany mandehandeha any!
9. pottita ( 20/02/2007 21:18)
lapino:
Ny tanjaky ny linux miohatra amin'ny windows indray, dia mety mitombina raha ny linux ampiasain'ny NASA na ny BlueGene sns. Fa raha ny desktop linux ohatra ny ubuntu na fedora sns dia tsy mitombina mihitsy io, na dia ireo distro malaza ho tsara indrindra aza.


Mino aho fa efa nampiasa tsara ny linux ianao...ary mahalala fa anisan'ny systéme de production manerana ny Entreprise izy io (Grande Entreprise,PME,Micro,...surtout ianao mipetraka eto France io agamba mahita izany tsara= serveur dns, serveur proxy, firewall, routeur, serveur web, ssh, ssl, sns...)8-).

Mampiasa Debian sarge sy redHat aho ankehitriny, ary mampiasa windows ihany koa:roll:.

Ary mbola mamerina eto ihany aho fa Linux dia manana avantage lavitra nohon'ny windows:x, tsy pub io fa zava-misy sy iaraha-mahita raha tena nampiasa marina ny monde linux ianao!:-P

Ny ambiny resakao dia marina dia marina tokoa=D
fa saingy aza hadino fa ny namantsika dia vao manomboka amin'ny linux..version desktop dia mahampy tsara ny fiandoana...:?







10. lapino ( 21/02/2007 11:45)
wooda, asa raha mety ho afaka manampy anao, torolalana tsotsotra : http://wiki.infogasy.net/doku.php/komandyunix
Za tsy maty hanina amin'io, fa misy namana ato na ao amin'ny infogasy.net koa mahafehy azy tsara.
pottita:
... fa anisan'ny systéme de production manerana ny Entreprise izy io (Grande Entreprise,PME,Micro,...surtout ianao mipetraka eto France io agamba mahita izany tsara= serveur dns, serveur proxy, firewall, routeur, serveur web, ssh, ssl, sns...)8-).
Izao mihitsy ilay izy : ny tanjaky ny linux atao server no andokafana azy kanefa desktop no tanjona !! Dia lasa ataoko hoe "mamitaka" :wink:
Satria ny desktop linux tena mbola taraiky be :b:D. Vidiny = 0 ihany no tena mahaliana aminy, raha tsy hoe vonona handalina kely azy --> izany hoe mandoa fotoana sy ron-doha ho an'ny linux fotsiny. :wink:
11. wooda ( 21/02/2007 20:31)
Tena misaotra ry zalahy ah!=D

Marina aloha fa ny "erreur" dia "toujours humaine", za vao nanomboka nikitika ordi zany aloha dia niplanté machine 3 samy hafa vao mba nanomboka mailo sy nieritreritra tsara satria nentiko ho kilalao izy io taloha, fa ankehitriny kosa dia natao entina hivelomana mihintsiny!

@ zavatra rehetra aloha dia tsy maintsy handaniana fotoana sy herim-pò raha tianao ny ahafehy azy tsara @ tokony ilànao azy!:)
Ntena mahaliana ahy daolo izay lazainareo ato satria mba misy bagage kely hentiko mifakafaka sy mandinika momba ity linux ity @ expérience izay efa hanananareo!

lapino>mbola tsy hitako indray ity dres nomenao ahy ity fa de misaotra betraka fa ten hanampy ahy toko! :)

De tena misaotra betraka ho anareo aloha nandany fotoana sy hatsembohana nanome hevitra sy torolàlana ahy, manome vao² eto ihany aho @ fizorako @ty système vaovao ity! :D
12. simplex ( 27/02/2007 12:44)
zao v d mbola misy adihevitra ihany: http://ubuntuforums.org/gallery/data/5/ubuntu-titi-color.jpg
13. wooda ( 01/03/2007 01:25)
simplex>ouaaah 8O tonga de hariko XP & VISTA tena marina !!!!!!
Hay mba ohatran'iny izy io! Omeo ahy ny adresse raha misy aminao fa tonga de... :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1984