Izay mivoaka avy amin'ny vava dia avy amin'ny fo.

21. niryna ( 21/02/2007 06:44)
prime:

Ny hatezerana koa nefa tsy voatery ho ota avokoa...


ka izay no mahatonga ny fiteny hoe mitezera fa aza manota.
22. niryna ( 21/02/2007 06:51)
[quote=xxx]
Niryna a tena ilaiko io toro-hevitao io.Mpamaky ny a
Izay olona manodidina ahy dia halako daholo.Toa faly,tsy misy olana ao anaty.Izao aho vao sahy mivaky ny adi-tsaiko fa mavesatra ato am-poko ilay izy.Ary marina ny teneninao fa vokatry ny hatezerako aminy ato anaty foko dia mamono eritreritra amin'ny toaka aho.Afaka kely aloha ilay izy e fa avy eo indray dia miverina.Ny teny ratsy moa dia aoka fotsiny,lehilahy aho kanefa tiako ny mifosa,manenjika ny olona,misy kilema daholo ny olona eo amiko.Tapenako io toetra ratsy io ny ato anatiko ka hitako daholo ny tsinin'ny olona manodidina ahy.

Io efa voavalinao io ihany ilay izy. Satria ianao mitady zavatra mampifaly anao kanefa ny fonao mbola feno hatezerana sy tsy famelana io no mety mahatonga izany.
Mivavaka aho fa tsy mety afaka ny ratra ato am-poko.Hoy ny namako hoe satria tsy tiako ialany ny famelan-keloka any raiko.Marina ve izany?Raha tsy mamela azy aho izany dia tsy hihaino ny vavako A/tra?

Efa resaka matetika io hoe ahoana moa no angatahina famelana amin'Atra izay tsy hitan'ny masonao,raha ny olona hitanao maso aza tsy avelanao?
Valiny dia eny:raha tsy mamela azy ianao dia mety tsy ahazo valiny amin'ny vavaka ataonao.Mamela aloha ny tenanao dia avy eo mangataha amin'Atra omeny fo hamela azy

23. niryna ( 21/02/2007 07:00)
Raha miresaka fo isika dia tsy ilay mitempo ihany fa tafiditra ao amin'izany ny fihetsika izay vokatra avy amin'ny fo, ny fahatezerana, ny fanahy, ny emotion.Izay avy ao amin'ny fo daholo no loharano nipoirany.
Ho fanampiny dia ireto misy otrohevitra hanampy ny maro
1-Zavatra tsara foana no ataovy ao antsaina(positive)marina fa matetika ratsy no mandeha ao antsaina voalohany,dia ianao ihany no manova azy.Mat 8:13.Raha mitady hieritreritra zavatra ratsy dia ovay.Fidio ny hanaraka an'i kristy.@ kor 10:4-5.Mankalaza ny anaran'Atra fa tsara izy.Fil 4:8.Ary amin'izay rehetra ataonao dia ankino aminy ny lalanao.Rom 8:5.
24. prime ( 21/02/2007 10:34)
Fa hoy tokoa Kristy mikasika izany :

"tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no mahaloto ny olona." Matio 15:11

"17 Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana?18 Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.19 Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy*;[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3]20 izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin'ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona." Matio 15:17-20
25. majesty ( 21/02/2007 11:26)
cathy: :D:wink::wink:
26. xxx ( 21/02/2007 18:56)
Tena mamerina ny fisaorana feno anao aho ry niryna.Mbola lavitra ny ezaka hataoko ary hiezaka aho.Mianatra ny ho tia ny tenako aho ary anandrana ny hamela ny raiko.Misaotra anareo izay nanampy ahy koa sy nizara ny fivavahana tato amin'ny serasera.Tsy irery aho fa manana anareo ho namako.
27. niryna ( 22/02/2007 06:39)
Tsy misy fisaorana ry xxx a.Tadidio fotsiny fa miandry antsika hanantona azy.Ny fizaranao ny fiainanao dia efa ezaka iray lehibe.Vakio ireo toro-hevitra maro mikasika fivavahana ireo ka izay fantatrao fa tsara sy mahasoa anao raisina.:):)
28. cutie ( 22/02/2007 21:54)
Mpandefa : majesty [ Valio ] 21-02-2007 12:26:28
Lohateny : Re : Izay mivoaka avy amin'ny vava dia avy amin'ny fo.
cathy:

majesty:-w:-w:-w:-w
cathy njay hono:cry:
29. prime ( 23/02/2007 07:18)
cutie, majesty> :-D:-D...

Mahereza daholo e...
30. fijo ( 23/02/2007 23:51)
aoka leretsy ity fitanisana baiboly ity fa tena mahakamo an.ny sainareo ampiasaina fa tsy tsianjery
31. cutie ( 24/02/2007 18:11)
Mpandefa : prime [ Valio ] 23-02-2007 08:18:03
Lohateny : Re : Izay mivoaka avy amin'ny vava dia avy amin'ny fo.
cutie, majesty> ...

=((=((=((=((
32. cutie ( 24/02/2007 18:11)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 24-02-2007 00:51:27
Lohateny : Re : Izay mivoaka avy amin'ny vava dia avy amin'ny fo.
aoka leretsy ity fitanisana baiboly ity fa tena mahakamo an.ny sainareo ampiasaina fa tsy tsianjery

:-D:-D:-D:-D:-D
33. fijo ( 27/02/2007 22:57)
leo tsianjery aho ko
34. cutie ( 28/02/2007 00:13)
za koa :-D:-D:-D:-D
35. fijo ( 28/02/2007 06:27)
bedy ireo izany
36. linarako2 ( 03/03/2007 01:41)
fijo:

aoka leretsy ity fitanisana baiboly ity fa tena mahakamo an.ny sainareo ampiasaina fa tsy tsianjery

Izay ilay tenenin'ny namana hoe tsofitsofiny dia tsy tia ny baiboly,mankahala ny mpitori-teny,manompa ny mpanome sujet,mandratra ny teneny.Reraka,fanina,leon'ny tenin'Andriamanitra.Mifohaza fa aza variana eo ianao anie efa mpivavaka taloha e

37. fijo ( 03/03/2007 05:58)
manompa ny mpanome

mba asehoy hoe taiza aho no nanompa olona iray tato????hay ve nareo mpino mpmorina koa e
38. naughtyboy ( 06/03/2007 17:53)
ra misy oul kosa ve itatatata
koran amiko eto isaky zay mietsika nefa tokony resaka ifanakalozana no atao fa tsy monologue, leo ihany ny farany.
39. prime ( 07/03/2007 07:51)
Ka mitombina aloha izany fanamarihana izany satria lasa misy tsy mahalevon-kanina indray ka mamoaka izay kely efa voatelina...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079