Tsara raha atsahatra ny fanosoram-potaka be fahatany.

1. Fiffi ( 17/02/2007 07:33)

Efa vita vakisiny........

Tsara raha mba atsahatra amin’izay ny anganonganom-baovao foronin’eritreritra mifono endrika fanosoram-potaka tsotra izao. Efa vita vakisiny amin’izay lafiny izay ny olona.
Lasan’ny Tiko tamin’ny alalan’ny famaliana tolobidy ny tany mirefy 5 000 ha eo ho eo ao Vohidiala tamin’ny taona 2004. Nolazaina tamin’izay fa nanaovana “kopo soroka ny fakana ny tanin’ny tantsaha”.
Tanim-panjakana io ary efa am-polo taonany maro no natao tantely afa-drakotra ny zava-panjakana. Ireo mpanao kely tsy mba mamindro no nigoka ny mamy tamin’izany tany izany. Nampiadiana ireo vahoaka madinika. Niniana nopotehana mihitsy ny fianan’ireny olona ireny.
Rava ilay orinasam-panjakana tao ary tsy nisy nivelomana ny vahoaka. Nampahonena ny nahita ny fijalian’izy ireo. Ankehitriny, taona iray mahery monja taorian’ny nihodinan’ny orinasa Fanampy Rice Mill ao Vohidiala, tafarina ny fiainan’ny mponina. Afaka mandeha any ireo izay tsy mino manamarina izany.
Ny firenena iray manontolo mihitsy no mahazo tombontsoa amin’ny fisian’io orinasa ao Vohidiala io fa tsy ny mponina ao ihany tsy akory. Efa an-tsasaka taonjato latsaka izao i Madagasikara no tsy nanondrana izany antsoina hoe vary tsara karazana indrindra izany.
Nanainga omaly hariva ho any Eoropa ny vary aondran’ny Fanampy Rice Mill. Vary novokarina tao Vohidiala izy ireo. Ireo mahafantatra ny lasa dia tsy atoro intsony fa tao ny tanin’i Vohidiala no famokaran’ny “voanjo” ny vary tsara nalefa tany Frantsa nandritra ny fanjanahantany.
Hampiditra vola vahiny ho an’i Madagasikara izany fanondranana vary izany. Izany hoe hitondra aina vao ho an’ny toekarem-pirenena izy raha tsapa ho marefo ankehitriny ireo sehatra hafa nampiroborobo ny varotra ivelany fahiny.
Orinasa maro no efa nifandimby nitrandraka tamin’ny fomba samy hafa io tany ao Vohidiala io. Tsy nisy tamin’izy ireny nahavita namatsy tanàn-dehibe maro toy ny ataon’ny Fanampy Rice Mill miaraka amin’ny tranombarotra Magro.
Nitrandraka am-pahatany kely ireny olona ireny ka sady tsy nampitombo ny hareny izany no koa vao mainka nampahantra ny olona. Tsy afaka manarama olona betsaka toy ny Tiko ireny mpitrandraka madinika ireny. Etsy an-daniny dia bahanany ny tany tsara tokony hamokaran’ny olona.
Mampiasa olona maro kosa ny Tiko raha mitrandraka ny tany izy ankehitriny. Izay no ilazana fa tsara raha atsahatra ny fanosoram-potaka be fahatany.
Le Quotidien
répondu par fijo le 23/02/2007 00:09
2. Fiffi ( 17/02/2007 18:00)
io bazy an ! de raha tsy teo ny TIKO de mba nanao ahoana ny fiainan'ireo olona maro an'isa ireo ?
Nampiadiana ireo vahoaka madinika. Niniana nopotehana mihitsy ny fianan’ireny olona ireny.
Rava ilay orinasam-panjakana tao ary tsy nisy nivelomana ny vahoaka. Nampahonena ny nahita ny fijalian’izy ireo
de ahoana ozy nareo @ zao ?
Ankehitriny, taona iray mahery monja taorian’ny nihodinan’ny orinasa Fanampy Rice Mill ao Vohidiala, tafarina ny fiainan’ny mponina.
=D=D=D=D
Afaka mandeha any ireo izay tsy mino manamarina izany.
io......
Mampiasa olona maro kosa ny Tiko raha mitrandraka ny tany izy ankehitriny. Izay no ilazana fa tsara raha atsahatra ny fanosoram-potaka be fahatany
^:^^:^^:^
3. vydal ( 18/02/2007 12:19)
Afaka mandeha any ireo izay tsy mino manamarina izany.

Izay no aoka hatao e

Fa ity mba misy soso-kevitra hafa. Fijeriko samy irery izy ity fa dia atsipiko ihany aloha.

Inona angaha no tanjona @ ilay hoe tsikera rehefa misy sarin' ny namana ? Misy mantsy manesoeso be @ ireny tsikera ireny. Very ny tanjona @ hoe namana. Mankanesa ianao eo @ toeran'ilay olona tsikerana toy ireny. Mbola ho sahy hijanona ato @ namana ve ?
4. ravatorano ( 19/02/2007 07:14)
io zany zao e ny andrabazy d ny manala sy manohitra ny fitondrana misy amin izao no adiny ary zo ananany izany satria ajaitsika ny heviny sy ny ao amin ny gdi izay fakan drabazy ny loharanoù-baovaony
io koa ange aleo hilaza zay te hilaza efa ny fitondrana tsy maintsy hifandimbiasana foana ny an'Ingahy Ravalo aloha izao mbola misy dimy taona ary mbola afaka milatsaka indray izy fanitelony farany ka raha mbola lany dia mbola hisy fito taona izany rabazy hanohitra eto foana sy hilaza ("ny tsanga tsy aman orana ")ny firehany e !
:wink:
5. ronaldo09 ( 19/02/2007 13:05)
Tsy manan-ko lazaina aho!Le quotidien mpanohana ny fitondrana!Dia izay.......
6. bazylou ( 20/02/2007 00:52)
izay tsy mahatanty dia aoka hijanona fa ny fanosoram-potaka dia tsy misy fa ny fatahorana no betsaka satria tsy misy sahy mandray mandray andraikitra ny anareo fa faly ny hangataka etsy sy eroa fotsiny!!
dia hoe """ nandroso be ny fiainann'y pokona fa tao hono ny fisian'ilay rice mills "" sy izao sakafon'alika rehetra izao!!
Ianareo ireo izany ilay niandry fotsiny dia hoe rehefa tonga le8 dia nandrosobe ny fiainanareo!! hay ve ka mpiandry taim-by latsaka fotsiny ianareo e!!:-D:-D
7. HESHA ( 20/02/2007 09:14)
ty vava e!
ny mahagaga ahy fotsiny ry Fiffi dia nahoana no tam 2004 vo lasan i Tiko ary ilay tany 5000ha hoy ianao raha tsy nisy nanome coup de pouce izy ? mazava ange zany e, tam fitondrana talou iz naninn no tsy naka na nahazo ireo? Tsy miafina ary tsy azo afenina ny antony angamba.
Tsara ra manondrana vary isika ho any ivelany fa kosa, aona mou zany ny varintsika hohanina eto antoerana ? Miditra ny vola vahiny, jejo be i Gasikara, fa kosa ilay vola vahiny ange an'olom-bitsy fa tsy oe haparitaka am mpandraharaha hafa mila fonds na hanaovana asa sosialy e.
Ny vary vidianay aty zao efa tafakatra 1,200Ar ny kilao ka ra SMIG = 50,612Ar, efa tsy mahazaka vary 1 gony akory.
Niakatra hatraiza noho ny fisian io orinasa io izany ilay toekarentsika ?
8. fijo ( 22/02/2007 00:08)
samia maka izay mety amin'ny sainy e.le gazety koa anie samy manohana fotsiny fa tsy miny objectif ka manahirana e
9. Fiffi ( 22/02/2007 17:39)
heu.....ny zavatra vita na nataony kosa angamba no tokony jerena ry bazyl an !
10. fijo ( 23/02/2007 00:09)
tahotra inona indray moa izay ry bazy???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0476