menaka fampiasa amin'ny volo

1. xxx ( 16/02/2007 20:53)
Sao dia mba misy mahalala menaka atao @ volo mialoha ny hanolanana na hanatsorana azy amin'ny iron na babyliss.Tsotra ny voloko, matevina ary lava saingy mibontsina be raha vao avy sasana.matahotra aho anefa fa sao simba ny voloko rehefa dorana lava eo.Misaotra mialoha izay manana hevitra.
novalian'i xxx ny 26/02/2007 12:04
2. Fiffi ( 17/02/2007 09:33)
fa maninona raha hovaina kely ny style-ny ? dégradéna io de mety tsara ! zah aloha tsy mampiasa menaka zany satria tso-bolo be fa rehefa avy manasa volo de avelako maina @ zao .....
heu...nefa misy brushing spesialy manatso-bolo ange eh !
3. Mitah ( 17/02/2007 21:44)
Misaotra betsaka anao Fiffi. Efa tena notapahako fohy kely ny voloko (2cm) dia tsy handriko intsony izay hahalava azy. Tsy tiako no tsy tian'ny tato an-trano ilay izy.Matevina be loatra ny voloko kanefa ny tarehiko kely. Raha vao mihalava ilay volo dia mibontsina be tsy misy ohatra izany. Manana fanatsorana volo tena mety be aminy aho saingy ny menaka mifanaraka amin'ny voloko no tsy fantatro. Omeo ahy ny e-mail anao manokana dia halefako any ny sariko raha sendra mahita hevitra ianao momba ny voloko.Misaotra mialoha.Inty ny e-mail-ko
lalao197@hotmail.com
4. niryna ( 18/02/2007 07:11)
Raha tsy tianao mibotsina dia manaova bain d'huile sady maity ny volo no mitsohy fa tsy mibotsina.Azo hafangaro daholo ny menaka rehetra ary raha tianao koa aza dia ny mayo tsara atao.Rehefa avy eo plaque-na.Andramo hoe raha mety.Efa misy menaka fanosorana any amin'ireny fivarotana tao-javatra momba ny volo ireny.Ary efa misy fanatsoram-bolo sady tsy mandoro no tsy mampamay ny volo.Mbola lafo izy izao satria vao nivoaka.
5. Fiffi ( 18/02/2007 11:57)
Mitah: ok akia an ! nataoko rajout any ndry an ! :) :-*:-* sady manana produit zay zah ato azoko omena andry...:)
6. ari.malala ( 19/02/2007 13:04)
ary maninona ra mandeha coiffure e! ireny anie efa specialiste e!
7. xxx ( 19/02/2007 15:04)
niryna >>> tsy rehefa menaka dia mety ka , manjary mipetapetaka sy mahakamo no mikitika ny volo raha menaka no atao, ny ahy bain de crème de ataoko rehefa manasa loha dia tsy manao menaka intsony

ny voloko koa maina be , dia bain de crème (soins izany e) fructis na elseve , kerastase mety daholo, fa mila ovaovana fa misy accoutumance ny volo raha produit iray foana no ampiasaina
8. Fiffi ( 19/02/2007 15:18)
niryna:
Azo hafangaro daholo ny menaka rehetra ary raha tianao koa aza dia ny mayo tsara atao.
heu....mayo ? :roll: menaka fandenasana sakafo ? ny menaka rehetra zay tiana ? :roll: heu....efa misy ny menaka natokana ho an'ny volo ..ohatra ny monoï de tahity , na ny menaka coco .....


9. melody ( 19/02/2007 15:47)
huile de jojoba hono no sady tsara @ hoditra no tsara @ volo. Tsy mbola nampiasa zà ka tsy tena afaka miteny hoe tsara satria tsy mahita an'io menaka io mihintsy zà fa mbola mitady!
10. Mitah ( 20/02/2007 00:31)
Misaotra betsaka anareo rehetra namaly fa misy azo saintsainina tsara ireo. Maina be ny voloko izao . Nampiasa savony fanasana loha(pantene) aho dia mba niova hafa;kanjo tena nanimba ilay voloko ilay izy.Lasa makina be.
Efa tany @ coiffure dia nomeny menaka saingy naha be hangadrano be ilay izy no nampangidihidy ny hodi-doha.
rehefa avy manasa loha ve ka maina ny volo no hosorana creme ry xxx?
11. niryna ( 20/02/2007 06:47)
xxx:

niryna >>> tsy rehefa menaka dia mety ka , manjary mipetapetaka sy mahakamo no mikitika ny volo raha menaka no atao, ny ahy bain de crème de ataoko rehefa manasa loha dia tsy manao menaka intsony

ny voloko koa maina be , dia bain de crème (soins izany e) fructis na elseve , kerastase mety daholo, fa mila ovaovana fa misy accoutumance ny volo raha produit iray foana no ampiasaina

oops.Azafady ry xxx fa tsy ampy ny fanazavako,heveriko fa nazava ilay hoe bain d'huile.Lomana izany ny volo dia sasana rehefa avy eo ka.Mayo ve no hoentina mandeha tsy misasa tsy hanaraka hatramin'ny totozy kely=))=))

12. xxx ( 20/02/2007 10:42)
ilay bain de crème atao soins fotsiny ka , izany hoe mila kobanina avy eo

ny ahy tena maina be mihintsy ny volo dia ataoko maharitraritra ny bain, 2h ohatra . Raha toa ka hitako fa tena mila crème rehefa avy eo dia biorene marron ireny no ampiasaiko, fa kely dia kely no ataoko fa lasa gras tampoka indray avy eo

13. xxx ( 20/02/2007 21:39)
Misaotra betsaka fa hanandrana aho dia lazaiko eto ny tohiny.
14. kally ( 21/02/2007 15:23)
Fiffi:

[
heu....mayo ? :roll: menaka fandenasana sakafo ? ny menaka rehetra zay tiana ? :roll: heu....efa misy ny menaka natokana ho an'ny volo ..ohatra ny monoï de tahity , na ny menaka coco .....



[/quote]

Ny menaka oliva angaha adinon'i Fiffi fa sady fanao sakafo no mahatsara volo? Ary ny menaka Argan koa ohatr'izay!
15. xxx ( 26/02/2007 12:04)
bonjour daholo ,raha mba misy mahay le fanamboarana le bain d'huil otran'ny any dago reny mba omeo re7 misaotra mialoha o
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4717