Mba nifanena tamin'ilery ve ny mpanohana azy ao Frantsa?

1. ronaldo09 ( 15/02/2007 10:14)
Any Frantsa ny filohanareo !Ry fiffi sy ny tariny ve mba nifampidinika aminy ?Nareo manko manohana fotsiny fa tssss!!!Raha i Lahiniriko aloha tonga aty dia izaho no voalohany mitsena azy eny amin'ny Aeroport e!
Sady zao koa e!Resaka ranomanitra no andehanana any f'angaha tsy mba zavatra mihaja no andehanana any fa dia ranomanitra !Eny e!Ok zany.....:^)
novalian'i fijo ny 24/02/2007 05:57
2. Fiffi ( 15/02/2007 11:16)
http://video.google.fr/videoplay?docid=-8944214956671324914&hl=fr
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m45d18ce1476f7 tara be enao zany ry ronaldo an ! tazano kely aloha io vidéo nataon'i Ralay io .....milay be an ! :)
3. Fiffi ( 15/02/2007 11:21)
ronaldo: nijery gazety ve enao androany ?

Maniry hihaona amin-dRavalo any Paris

Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay no nandalo tao Frantsa ny delegasiona Malagasy tarihan’ny filoha Ravalomanana Marc, izay hiatrika ny fihaonambe Frantsa sy Afrika.
Anio no hisokatra amin’ny fomba ofisialy io fivoriana io, saingy isika eto Madagasikara kosa dia efa andro maro no tonga tany an-toerana.
Manoloana io fahitana ny delegasiona Malagasy maro any an-toerana io, dia nitsiry ny hevitra tamin’ireo Malagasy maro nitsoa-ponenana any amin’ity firenena ity ny hangatahana fihaonana amin’ny filoham-pirenena Malagasy. Ny hahafahan-dry zareo miverina an-kahalalahana tsy misy rahoraho no heverina ho laha-dinika amin’io.
Toeram-pisakafoana iray ao Paris no nahitana ireto Malagasy ireto ka 11 no isan’izy ireo. Ao ny olona ambony teo amin’ny fitondrana teo aloha sy mpiara-miasa amin’ny filoha tamin’ny fotoan’androny.
Ny fitohizan’ny dinika, araka ny vaovao voaray, dia tsy mbola fantatra fa niainga tamin’io fiarahana misakafo maraina, omaly io, no nandrenesana ireo rehetra ireo.
Madagascar Tribune
Ny hahafahan-dry zareo miverina an-kahalalahana tsy misy rahoraho
zah aloha tsy hanisany satria zah afaka mody tsara ara-dalàna raha ilaina zany.
Fa arakin'ny heritreritrao , iza moa ireo olona ireo ?
4. ronaldo09 ( 15/02/2007 11:22)
Ary aiza ianao ,ny ilaiko ange ka ianao sy izy mihitsy e!Gasy hafa no asehonareo leeeeeeeeeeeeee!!!!!!!
5. Fiffi ( 15/02/2007 11:23)
zay ve de efa voajery sahady nefa niteny i Ralay hoe lava hiany le izy.....58mn......
6. ronaldo09 ( 15/02/2007 11:28)
De mieritreritra ve ianao ry fiffi malalako fa hijery an-dRavalomanana no ataoko anton-draharaha ?Ha dia izaho ve no hijery ny video misy an-dRavalo .Aza mifanompa moa ry fiffi a!!
7. Fiffi ( 15/02/2007 11:37)
nefa akia ronaldo raha i Lahiniriko no filoha...nojereko hiany ny vidéo @ maha-mpitondra ny tanindrazana azy......
8. ronaldo09 ( 15/02/2007 11:45)
Ka za aloha tsy hijery e!Nijery TV5 aho une semaine lasa izay vao nipoitra i ravalo dia taitra tampoka aho ary dia novaiko ny canal .
9. Fiffi ( 15/02/2007 11:59)
domazy zany satria na iza na iza ange ny filoha , filohan'tanindrazana hiany izy eh !
10. lapino ( 15/02/2007 15:15)
Raha tonga tany anefa izao Ratsiraka ohatra, tonga dia fampihavanam-pirenena vita! Nitombo 1 ny points ho an'ny mpanohitra ... saingy indrisy :wink:
11. mercure ( 16/02/2007 08:52)
Gravy be izany concept ndry Ronaldo izany. Ny ahy aloha ilay hoe hamonjy hijery azy mivantana tsy mi-intéressé ahy fa ilay amin'ny tele kosa, le détester à ce point alors que c'est quand même notre président.
12. lapino ( 16/02/2007 13:35)
mercure > misy resaka sasany azo raisina hoe serieux na raisonnable, misy afaka raisina hoe misy ventiny fa feno karibonetra, misy indray no tsy azo raisina mihitsy. Voankazo an'ala hoy ra-jefra izay :wink:
13. fijo ( 16/02/2007 22:29)
ronaldo an,misy lesona kely ity:"raha te handresy olona hianao,dia fantaro tsara aloha ny momba azy"
ka raha tsy mijery izay ataony akory ise,dia lasa tsy aharaka ninoninona,ary hirediredy sisa
14. kitjo ( 17/02/2007 17:27)
ka efa zay mitsy zao no ataondry ronaldo eto ko

tsy mahalala in in akory fa mitsaingoka fts d mitsikera nefa zavatra tsy fantatra akory
15. fijo ( 24/02/2007 05:57)
ka tsy mety le fanoherana raha toa izay.manjary fanoherana ratsy.nefa io zavatra ilaina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0609