rackicki
1. fijo
(
14/02/2007 22:09)
dia hiatraka fitsarana indray ny hakama hoy ny gazety"express de mada" androany,fa tratra niaraka tamina zaza tsy ampy taona.
de ahoana le hirany hoe"mampalahelo raha ny mpanamaian nogadraina??????

novalian'i bogar ny 23/02/2007 12:03
2. boulki
(
15/02/2007 06:25)
Efa nanmpidirina any Antanimora mihintsy ny hitako t@ gazety zao maraina zao.
Dia miala mimaina zany raha tsy te higadra kou :@

3. Fiffi
(
15/02/2007 06:26)
shhhhhh !! maninona aza no manao adalana tahak'zao ? sady tsy voalohany ange io eh !
5. Fiffi
(
15/02/2007 08:48)
Fanodinkodinana zaza tsy ampy taona
Nalefa eny Antanimora Rah-Ckicki
Nahita ny fonjan'Antanimora fanindroany indray i Rah-Ckicki. Mbola raharaha fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ihany no nidirany ny maizina.
Notanan'ny Fampanoavana i Rah-Ckicki, ka eny amin'ny fonjan'Antanimora indray. Toy ny teo aloha dia mbola raharaha fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ihany no nahavoa azy toy izao. Omaly ny lehilahy no natolotra ny Fampanoavana teo Anosy. Tony ary tsy taitra izy, na dia eo aza ny fijerin'ny olona sy ny manodidina azy.
Vao niainga teny amin'ny biraon'ny polisy misahana ny raharahan'ny zaza tsy ampy taona namotorana azy i Rah-Ckicki, dia nofatorana “menottes”. Eo aloha ny tànana. Ary dia an-tongotra koa no natao, narahin'ireo polisy maro avy ao amin'ity sampandraharaha ity, namonjena ny biraon'ny Fampanoavana.
Niherika daholo izay nahita azy, eny fa na ireo olona nanan-draharaha tao amin'ny Fampanoavana aza. “Ny tononkirany tamin'ilay raharaha nihazonana azy voalohany no tao an-tsaiko. Asa indray izay havoakany amin'ity manaraka ity”, hoy ny tenin'ity tovovavy nifanena taminy teny an-dalana, sady niherika nijery azy.
Voafitaka
“Ny fanenjehana ahy toy izao no vao mainka mampalaza ahy. Tsy mampiova na inona na inona eo amin'ny fankafizako mozika izany. Tsy kivy aho ary hijoro hatramin'ny farany”, hoy i Rah-Ckicki tsy rototra.
Raha ny fanazavan'ity mpanakanto ity dia fitaka no nahazo azy. “Tsy noeritreretiko mihitsy ny hiaraka amin'io tovovavy io. Izy rahateo niteny tamiko fa 19 taona. Ary raha ny haben'ny vatany no jerena dia tsy mampino hoe mbola zaza mihitsy izy”, hoy izy nanazava ny raharaha nahavoarohirohy azy.
Nosoritany fa raha miohatra tamin'ilay tovovavy nahavoa ahy tamin'ny voalohany dia lehibe vatana lavitra noho izy ity zazavavy ity. “Ary na iza na iza teo amin'ny toerako, voafitaka toy izany ihany koa. Vao teo aho ve no voa dia hanao izany sahady ? ”, hoy ihany izy nanampy.
Mbola notsindriany ihany fa toy ny fanaon'ireo mpanakanto rehetra miaraka maka sary amin'ireo mpankafy no antony nakàny sary niaraka tamin'ilay tovovavy. “Izy no nangataka an'io fa tsy izaho”, hoy i Rah-Ckicki.
"Resaka lainga avokoa izany”, hoy kosa ny navalin'ilay renin'ity zazavavy nampiakatra ny raharaha teny amin'ny manam-pahefana. “Nilaza fa saika haka vady an-janako mihitsy izy. Ary ny 16 desambra teo ny zanako no niteny fa ho avy hiseho aminay ao an-trano i Rah-Ckicki. Saingy noraràna ilay zaza, no tsy tonga rahateo ilay mpihira”, hoy izy. Nosoritany aza fa nampanantena zavatra betsaka tamin-janany i Rah-Ckicki.
Araka ny efa voalaza teto moa dia fampisehoana nataony tany Toamasina ny volana septambra 2006 no nifankahitan-dRah-Ckicki tamin'ity zazavavy ity ary nanomboka teo ny fifandraisana.
Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar

6. hery
(
15/02/2007 09:18)
Tokony ampidinina ambanimbany ilay fahampian-taona kle.
Am'zao ange ny sipa any Dago vao 15 taona dia efa maman be e... Sa rehefa hikaoty sipa izany dia mangataka kara-panondro aloha?
Mety nisy tsy nety nataon'i leiry fa tsy mamely koa ny nataon'ilay rabofin'ilay sipa.

7. Fiffi
(
15/02/2007 09:22)
ka mety saosy no notadiavin'le rabofin'le sipa angamba...tahaka ny fanenjehana an'i Michael Jackson
8. bogar
(
23/02/2007 12:03)
Mampalaelo lery fa tsy koi io rangah fa mba mila tonga saina ny bôfin'nilay sipa fa 16 ans zany ange efa milalao fitiavana b ry Neny fa maninona ra tsorina owe mila sôsy fa anaovan'i Rah_Ckiky spectacle 1 fotsiny izy de azony ze vola tedaviny e!
Jereo tsara fa milay be ndray zao ny vazo miala any refa mivoaka ny fonja bandy akama sady hanao veloma an'i Dago rahateo ko izy!