vehivavy be " rancune "

21. latina ( 26/02/2007 07:53)
Ny mahatonga ny olona manana rancune koa indraindray dia tsy afaka namoaka ny alahelony sy ny hatezerany izy fa tavela tao anatiny tao foana. Dia rehefa toanga ny andro iray tsy ampoizina dia mivoaka tampoka ilay izy. Mety avy amin'ny fitaizana koa.
Ohatra izao hoe: nisy mpiray tampo nifamaly, miha-miakatra ny feo, dia avy ilay Ray aman-dReny tsy manadihady akory dia hoe: mangina daholo fa tsy misy mahazo miteny intsony, dia voatery ireto ankizy mangina, ny olana nifamaliany anefa mbola tsy niravina akory, samy mbola tsy nahalaza izay zavatra nety nampalahelo azy. Mety misy indray aty aoriana zavatra tsy hifanarahana. Dia rehefa mitohitohy izay dia lasa toetra raiki-tapisaka ao amin'ilay olona entiny mandra-paha lehibe. Mety tsy ho tsapan'ilay olona manana io toetra io loatra ilay izy, Azo atao hoe aretina ihany koa rehefa tafahoatra, azo ialana ihany koa anefa. Anjaran'izay namana mifanerasera aminy no manokatra ny masom-panahiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0068