matotra lotra le olotiko,za nefa mbola tsy nahita fiainana

1. xxx ( 10/02/2007 13:28)
Hitako diso matotra lotra le olotiko nefa za dia mbola te-hanala azy eo amin'ny fahatanorako,(tsy hoe te-hanala azy manao ahoana) zany hoe za aloha mbola tsy nahita fiainana firy teo amin'ny fahatanorako,mbola tsy nahita zavatra maro e! ny fahatanorana nefa mandalo ihany hoy ny fitenin'ny olona izay sady eo no ahatsapana ny fahasambarana fa refa ao atokatrano dia tsisy intsony , izy matsy dia efa mikasa sahady ny hiditra amin'ny sehatry tokatrano,tsy hitako izay hataoko manoloana izay , mangataka valiny e!
novalian'i nomenaj ny 01/03/2007 15:52
2. booboo ( 10/02/2007 13:53)
euh...afaka manala azy foana rehefa manambady kah (arakaraka ilay manala azy aminao koa klou io).

Alohan'ny hirosoana @ fanambadiana dia miresaha tsara klou sao tsy mitovy akory ny fomba fijerinareo sns. Dia aza adino miteny aminy ny fahatsapanao (izy matotra loatra/ianao mbola te-hanala azy)
3. xxx ( 10/02/2007 14:12)
tena ry mbola misalsala ianao ny hiditra am n y tokantrano dia tena aza mbola miditra alo , na miresaha aminy ny zavatra rehetra ny zavatra tianao atao rehetra , zany hoe le manala azy lazainao io an , dia hiaaho atao miaraka aminy eh , zany koa ange tena tsara be eh satria vao maika koa mamatotra anreo satria miaraka foana eh , ianao mitena hoe efa matotra be izy , matotra be aona alo , fa ny zavatra tena tsara indrindra eo am ny mpifankatia dia ny miresaka , fa resaho tsara izy , aza misy afenina azy mintsy ny hetahetana sns , ra mataotra ianao hoe ra tsy ho tia ahy intsony izy dia aona ? na hoe koa hiala , dia zao atovy ao antsaina hoe tsy mbola izy zany le izy , sady ny tena fitiavana koa ange tsy tokony ho rava ny zavatra otran zany eh sady
mazoto , nefa koa tano ny azo fa sarotra ny mila :D
4. diamondra27 ( 10/02/2007 17:31)
tsy misy olana izany fa vao maika aza tsara e!
ny fahamaorana tsymidika hoe: coincé fa raha za ianao dia tazomiko tsy avotsitro izany olona matotra izany.
Dia afaka mi-comprendre ahy izy hoe: za mba te-hanao la vie kely , dia entina miaraka aminao izy e! , misy ohatran'izany indray ve? Sady olon-tiana no vady no hanaovana le revy.

Mahaiza fotsiny mahay miteny sy mangataka, manazava fa sao dia @ 'lay tsy fotoana tokony hilazàna azy no lazainao tonga dia tsy mety.

5. simplex ( 11/02/2007 09:05)
xxx mbola te handrankandrana e? izy nefa efa te hifatotra :P

Sady matahotra hoe sao tsy ahita otran'azy tsony nefa mba te hiaraka @ bandy/joba hafa fa tsy hoe izy irery d zay...

Marina ihany aloha ny anao e. Ra tsy mahita ny hafa tsy mahafantatra hoe misy ny tsara kokoa. Zany anefa tsy midika fa ho tsara kokoa foana ny hafa. Ny tanora moa tia an'le "aventure" e. Normal izany fa zany hoe na izy irery aza ny niarahanao, refa mendrika v moa izy tsy efa izay v no tena kantsahina. Mitady an'le fanahy anabavy, silaka fanahy ozy le hira malaza tampoka iny, sy fitia mifamaly. Asa??

Manaova break kely aloha nareo e. Mandrapahazavan'ny ao amponao. Refa tsy foinao moa izy d izy zany ilay notadiavina. Fa ra toa ka mahita hafa enao d zory ny lalana fa mbola tsy mifatotra... break hoe en stand by zany -- statut quo, fa tsy hoe tena lasa ande hikoty bandy/joba i toi. Ra zay ndray manko d naman'ny efa hoe nisaraka nareo, izy kou tsy hiandry an'toi tsy hamokatra eo ra zany;-)

Ataovy ao arinan'ny 14 kosa aloha fa aza =(( ny fony kosa eee :°):-*:-*

6. Fiffi ( 11/02/2007 18:10)
ny zavatra mahagaga ahy de zao ! matotra le olontiana ...toa tsy mety ho an'ny sasany ...tsy matotra indray le olona de inona indray no hitranga avy eo ?
Zao ry xxx an ! estime-toi heureuse fa mba manan'olontiana matotra...marina eh ! inona indray no tadiavina mihoatra an'zany ?
7. dailynews ( 11/02/2007 19:05)
xxx> rehefa tsy vonona hiroso lalina fotsiny i xxx dia tsory amin ilay olontianao hoe: izaho mbola tsy vonona hiroso lalina hoe. manjary mandratra azy ianao tsinona raha miandry anao ery izy. Ka raha izay no mb ahany farany afaka hitiavanao azy dia lazao izy fa tsy mety ny mamitaka.
8. Fiffi ( 11/02/2007 21:19)
ny zavatra mahagaga ahy fotsiny de zao: ny olona mitady fahamatorana ....ny hafa indray toa ??
9. xxx ( 12/02/2007 05:20)
xxx> Ny nenina tsy ao alohan'anatra fa aorinan-datsa. Tsy kilalao io fa mitandrema tsara.
10. Fiffi ( 12/02/2007 06:16)
marina zany !
11. xxx ( 12/02/2007 12:44)
za zao manambady 1er amouko izy fa tsy misy blem zany eh! rehefa ao enao manao fiainana tsara vao maika ary zany no tiany ; koa inona no olana @ zany afaka manao zay mahafa-po anao izy;
12. xxx ( 13/02/2007 09:55)
Ka raha mbola te-hitady sipa na bandy toi dia miala klou e. Sao refa avy mifamatotra njay vo miadaladala eo.
13. Fiffi ( 13/02/2007 21:57)
mba mahagaga ahy mihintsy ity resak'i xxx ity an ! fisy ny olona mitady fahamatorana ? ny azy indray ....
14. xxx ( 18/02/2007 17:31)
eeee moa ve tsy fantatrany xxx fa ny fiainana @ izao tontolo izao dia tsy ho mety ritra zany ?moa ve mba fantatrao fa ny olombelona tsy mety leo @ fafinaretana zany zany hoe tonga @tanjona iray nahatongavany izy dia mila zavatra hafa kooo? moa ve ianao tsy mahalala fa ny fiainana eto antany dia indray mandalo? moa ve mba mino ianao fa misy izany paradisa mandrakizay zany ? moa ve hahalany ny fafinaretana eto amboniny tany ianao ?
ny valiteninao dia anatinireo zavatra ireo avokoa fa diniho tsara alooo .
15. nomenaj ( 01/03/2007 15:52)
^:^
SALUT!d\'aholo!
Afaka adidy à fantana aho,fa nandroso kitay tsy nirehetra.Izaho izao,ilay olotian\'i (XXX) izay lazainy fa matotra loatra;sendra niditra tato @forum,aho no nahita nan\'io,efa trapako ihany izany;zaho mantsy dia olona tia mandinika,na mpandinika,indrindra ny toetra sy ny fihetrik\'olona,ary ahafatarako zavatra betraka iznay;koa amiko dia tsy misy olana mihintsy;raha mbola te hanala azy izy;Izay mandeha ihany no vakivaky tongotra!homeko fahalalahana izy @ izany;fa izaho kosa haniefa tsy hanaiky hataony fanalana azy fotsiny!zaho di aolona tsotra;ko araha mitady olona ,mifanohitra @ \'izany izy dia homena lalana hivoaka,mbola afaka manana safidy tsara izy amin\'izao,fa tsy antery,iray no miala folo no mitady toerana,tapaka eto ary ny hevitro araka ny mahamatotra ahy izay lazainy,fa tapka ùmanomboka androany,ny fiarahanay.ianareo rehetra vavolombelona eto,mahita ny teniny;tsy miova @ hevitro intsony aho.Ny fahamatorana di ahilaina @ \'izay rehetra atao ninoninona izany;tsy dia ilaina loatra ny olona tsy matotra eo @ fiainana!
ZAY ALOHA FA MISAOTRA ANAREO REHETRA NANOME VALITENY AZY .







© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1382