Ny tahotra! Rahoviana isika vao ho sahy hiroso!

1. niryna ( 09/02/2007 21:31)
Raha jerena eo amin'ny fiainana dia misy fiantraikany amin'ny fiainantsika ny tahotra.
Fianarana:noho ny tahotra ho tsy tafita dia tsy maitsy mihezaka mafy,tahotra ny ho gisitra...ho rendrika,
Fiaraha-monina:tahotra ny mpiara-monina noho ny tsy fananany ohatra ka indraindray mila mandefitra, mila miarahaba,mila manao izay teneniny,ho afa-baraka.
Fampianarana:Rehefa diso mahay loatra ilay zaza ka manembantsebana ny fianarana satria tsy tiany ny mianatra noho ny fahaizany avo noho ny rehetra ary dia hafa no mety ho tenenan'ny mpampianatra azy ka manjary hoentina manantona dokotera homena fanafody fanantonena.Diso lalana anefa ny rar saingy tsy miteny noho ny tahotra.Zavatra tsy mety any am-pianarana kanefa tsy sahy miteny na mijoro noho ny tahotra
Fahanterana:Tahotra ny ho irery,tahotra ny ho maty irery ao an-trano,tahotra ho tsisy zanaka hiahy.
Fitondrana:tahotra ny tsy ho lany ka mampiasa vola be
Fiainana:tahotra ny tsy ho tafita sy tahotra ny tsy ahatanteraka ny tanjona.Tahotra ny tsy ho tafita satria irery tsy manana namana hanampy.
Raha zohina dia feno tahotra ny fiainana,misy fomba atao ve hialana ny tahotra? Mety misy manana tahotra hafa fa tsy voatoniko eto.Efa nanandrana ny niampita tsy ampisalasalana ve ianao nanala ny tahotrao?
novalian'i xxx ny 21/02/2007 18:42
2. booboo ( 09/02/2007 21:50)
Ilaina ny tahotra fa rehefa lasa sakana tsy hampandroso izy no ratsy. Rehefa matahotra manko dia lasa mitandrina, malina, mieritreritra bebe kokoa ny @ fihatrehana ilay raha tsy maintsy andalovana.

Tsy ny halana fa hihoarana ny tahotra angamba, raha zà manokana, dia tsisy afa-tsy ny mahatoky tena tsara @ raha atao, na tondé mi-fonce dia zay lalany any lalany na hidona @ rindrina aza tsy quoi f'efa nivonona mialoha tsinn...
3. Fiffi ( 09/02/2007 23:17)
Ny tahotra! Rahoviana isika vao ho sahy hiroso!
ISIKA IZANY ZANY ? fa niryna ve aloha mino an'Andriamanitra sa tsia ? satria manko hoy Jesoa : " Eny na dia hamakivaky ny lohasaha alokin'ny fahafatesana aza aho , dia tsy hatahotra ny loza aho , fa Ianao no amiko" ka inona no hatahorana ???
4. andry08 ( 09/02/2007 23:19)
Sady tsy hoe: misy 365 teny milaza hoe "aza matahotra" ve ao anatin'io baiboly vakianao isan'andro io e?
5. Fiffi ( 09/02/2007 23:29)
ny zavatra tena tsy lasako kosa aloha ry niryna an ! de ny filazanao foana hoe ISIKA !!!! efa miteny foana zah hoe raha misy zavatra miseho @ nao de aza lazaina hoe "isika" fa mba ataovy hoe "misy"
6. sitlo ( 10/02/2007 01:12)
booboo:

... Rehefa matahotra manko dia ... mieritreritra bebe kokoa ...


ary raha ohatra ka tsy kokoa no anaran'ilay bebe ry booboo dia ahoana?


7. niryna ( 10/02/2007 03:57)
Fiffi:

ny zavatra tena tsy lasako kosa aloha ry niryna an ! de ny filazanao foana hoe ISIKA !!!! efa miteny foana zah hoe raha misy zavatra miseho @ nao de aza lazaina hoe "isika" fa mba ataovy hoe "misy"


fiffi mba milaza ny olona hoe izay tianao vakiana ihany no vakiana fa tsy voatery hamaly izay tsy tiana.
Tsy voatery hi-kritika foana anie na hitsongoloka ahy foana koa e=))=))=))=))
daholo,isika, inona koa ny manaraka,tsy mino an'Atra.Raha izay teneniko daholo no mahafinaritra anao ny mitsongoloka azy dia hisy ra-manjary ve ity hi,hi,hi
8. Fiffi ( 10/02/2007 07:26)
niryna: tsy hoe hitsongoloka anao foana akory zany fa ......iza ary izany hoe ISIKA izany ? :roll:
9. sitlo ( 10/02/2007 21:49)
raikkitra ny kombaka ato.
Iooo, tonga dia felao. Ongoty ny volony, ongoty ny volony.
10. niryna ( 11/02/2007 06:13)
sitlo:

raikkitra ny kombaka ato.
Iooo, tonga dia felao. Ongoty ny volony, ongoty ny volony.

maty aho,tsy mba aty izany.Tiava ny fahavalona,ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.Tsy mila mifosa olona fa miteny ny ao am-po.

11. niryna ( 11/02/2007 06:18)
Izay sahy maty ihany hono no mifono lambamena.Mila miatrika ny fiainana ny olona ary tsy misy mangidy tsy andramana.Ny fahasahina no manala ny tahotra satria matetika dia vokatry ny tahotra dia tsy sahy manao zavatra.
12. Fiffi ( 11/02/2007 08:04)
ny an'i sitlo de mi-exazy foana ....
13. niryna ( 12/02/2007 01:57)
Fiffi:

ny an'i sitlo de mi-exazy foana ....


hitakou:cry:
14. xxx ( 21/02/2007 18:42)
Tsy maitsy mi-risque foana ary manantena fa tsy maitsy ho tafita
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0876