mamiko bodo

1. lolo25 ( 07/02/2007 11:34)
tena ilaiko e!
novalian'i Santiona ny 22/02/2007 08:18
2. Fiffi ( 07/02/2007 13:04)
tena io ve ny titra ? sa ny album ? satria toa bdb hiany ny tononkiran'i Bodo ato ....
3. Santiona ( 08/02/2007 16:00)
Raha tsy diso aho dia misy io hira io ao @ takelaka momba ny tononkira. Hira mamiko be izy io mantsy.
Jereo ihany aloh
4. Fiffi ( 08/02/2007 16:17)
efa nojereko fa toa tsy ao kah !
5. marcello ( 20/02/2007 20:03)
hafatra ho an'i depute tolotra
6. Santiona ( 22/02/2007 08:18)
Vao ianao no hitako
dia fantatro fa tiako
hany ka tsy vitako
ny hanohy ny diako tsy anilanao.
Tiako ianao ho velona
ao am-poko ao
tiako ianao ho velona
ao am-poko ao.

Fa izay fiselon'ny rivotra rehetra
zay misetrasetra.
Na ny hetraketraka mipetraka
miady amiko
haiko tsotr'izao
fa tsy amono anao
ao am-poko ao
satria ianao...
... mamiko.

Izay inoako izao
malalako ianao
velona ato anatiko
izay inoako izao
malalako ianao
velona ato anatiko
mandra-pahafatiko
... mamiko

;)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0363