Firy no isan'ny zaza nateraka sy ny kambana be indrindra?

1. niryna ( 07/02/2007 06:13)
EFa nahita olona teraka maro ianareo? Firy no isany be indrindra?
Efa nahita niteraka kambana maro koa firy no isany?
kambana teneniko eto manomboka ny kamban-droa,kamban-telo ...ampiakaro ary ny vato.
novalian'i latina ny 13/02/2007 07:46
2. Fiffi ( 07/02/2007 06:38)
ary dinika efa nalefan'i nyrina io ...

zah aloha mbola tsy nahita fa tena liana @ io ....
3. latina ( 07/02/2007 07:20)
maro anaka: 17 ny zanak'ilay ramatoa, izay hitako betsaka indrindra, 2 ny dadany, 2 taona ilay zanany farany no maty izy.

kambana: niteraka kambana mirahavavy ilay mpivady, afaka 11 volana dia niteraka kambana mirahalahy indray, heritaona amin'ny volana martsa izao izy mirahalahy zandriny.

Mba an'ny hafa izay indray izao no mitantara.
4. mpanota ( 07/02/2007 08:28)
Mialkatsiny fa ohatry ny alika ihany no tena manambana maro fa mbola tsy nahita olona izahay eh
:lol::lol::lol:
5. xxx ( 07/02/2007 14:06)
ny ahy kambana efatra vavy saika maty an! namoka azy sao de misy mitady zaza omeko anreo ny roa
6. booboo ( 07/02/2007 14:08)
omeo aty amiko :°)...tsy ankamerimerina io a ! :°):°)
7. niryna ( 08/02/2007 07:29)
Fiffi:

ary dinika efa nalefan'i nyrina io ...

zah aloha mbola tsy nahita fa tena liana @ io ....

Ny zaza kambana no nalefako ary ahoana ny fombany,mbola tsy nahita kambana mihitsy fiffi

8. niryna ( 08/02/2007 07:30)
latina:

maro anaka: 17 ny zanak'ilay ramatoa, izay hitako betsaka indrindra, 2 ny dadany, 2 taona ilay zanany farany no maty izy.

kambana: niteraka kambana mirahavavy ilay mpivady, afaka 11 volana dia niteraka kambana mirahalahy indray, heritaona amin'ny volana martsa izao izy mirahalahy zandriny.

Mba an'ny hafa izay indray izao no mitantara.

Misaotra betsaka.Misy fahamarinany ve hoe rehefa miteraka kambana dia mety hiteraka kambana ihany koa ny zanak'iny?

9. niryna ( 08/02/2007 07:32)
mpanota:

Mialkatsiny fa ohatry ny alika ihany no tena manambana maro fa mbola tsy nahita olona izahay eh
:lol::lol::lol:


Efa nisy nilaza fa nisy niteraka 17. Mbola tsy nahita olona maro anaka mihitsy izany mpanota?Ny kambana mety tsy mbola nahita
10. latina ( 08/02/2007 09:18)
Tsy voatery akory hoe tsy maintsy miteraka kambana ny olona kambana ka, fa matetika ny olona miteraka kambana dia efa misy kambana ao amin'ny fianakaviany, karazan'ny manaranaka ihany izany. Misy karazany iray koa ny mety hiterahana kambana na dia tsy toe-batan'ny ao amin'ny fianakaviana aza, toy ny fanaovana fanabeazan'aizana, dia nijanona rehefa avy eo fa nitady zaza. Ny vehivavy mitady zaza mafy koa dia nanaraka traitement tany @ dr dia mety ahazo zaza kambana rehefa nahazo zaza avy eo.
11. niryna ( 09/02/2007 21:09)
Izaho efa nahita olona in-8 izy no teraka ary kambana daholo,efa nahita olona kambana telo koa aho taty amintsika ary sampona mampalahelo,miady lohalika kely daholo izy telovavy.Tsy ho voatery ho sampona aloha.
Any ivelany indray dia misy tsy miteraka dia nokarakarain'ny dokotera ary matetika dia 2,3, ary ny farany hitako dia fito ny zanany ary efa enintaona izy rehetra.
12. latina ( 13/02/2007 07:46)
16 izany ny zanak'ilay olona? efa mihoatra ny mety kosa izany raha taty Sago kou! efa mihoatra ny nifanarahana (7 lahy, 7 vavy) hihihihi!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2333