Minoa fotsiny ihany dia hovonjena ianao sy ny ...?

21. xxx ( 04/02/2007 10:53)
reefa tonga any amin'ny fitsarana ianao dia tsy afaka ny hanome tsiny ny rainao miitsy satria izy voavonjy fa ianao tsy voavonjy! fa ianao miitsy no nanapina ny masonao sy nitsentsina ny sofinao tsy handre ilay famonjena eo anoloanao fony ianao taty an-tany! fa raha miantehatra amin'io teny io ianao dia efa voavonjy daholo ny taranak'i davida taty aoriana reetra satria hoe "manaranaka ny finoana":roll:
22. cutie ( 05/02/2007 00:05)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 03-02-2007 19:45:15
Lohateny : Minoa fotsiny ihany dia hovonjena ianao sy ny ...?
Inona no tena hevitra mifono amin'io fitenenana io hoe minoa fotsiny ihany dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao?

mbola tsy nivaly foan le fanontaniana :lol:
23. niryna ( 05/02/2007 03:52)
xxx:

reefa tonga any amin'ny fitsarana ianao dia tsy afaka ny hanome tsiny ny rainao miitsy satria izy voavonjy fa ianao tsy voavonjy! fa ianao miitsy no nanapina ny masonao sy nitsentsina ny sofinao tsy handre ilay famonjena eo anoloanao fony ianao taty an-tany! fa raha miantehatra amin'io teny io ianao dia efa voavonjy daholo ny taranak'i davida taty aoriana reetra satria hoe "manaranaka ny finoana":roll:

Ahoana ny hoe tsy ny rehetra no vonjena fa efa fantany hy olona notsongony
24. niryna ( 05/02/2007 03:53)
cutie:

Mpandefa : niryna [ Valio ] 03-02-2007 19:45:15
Lohateny : Minoa fotsiny ihany dia hovonjena ianao sy ny ...?
Inona no tena hevitra mifono amin'io fitenenana io hoe minoa fotsiny ihany dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao?

mbola tsy nivaly foan le fanontaniana :lol:

Miandry ny hevitry njy ky ny olona a

25. niryna ( 05/02/2007 03:59)
Misy namako sinoa vavy izay ary kristiana ny rar ka izy koa lasa kristiana.Nandao azy nandritra ny telo taona ilay vadiny ary izahay roa nivavaka foana ho an'ny tokantranony.Indray andro izy nitsinjaka sady niandrandra nisaotra an'Atra fa niverina hono ny vadiny.Ny zanany vavy sy ny vadiny dia samy tsy mino ary izy mianaka na ny zanany lahy no mino.Ahoana izany raha tsy mino ve izy mianaka dia ho voavonjy ireo tsy mino ao an-tokan-trano?
26. majesty ( 05/02/2007 04:49)
ka finoana no ahazoana famonjena koa inona indray ary:D
27. xxx ( 05/02/2007 06:46)
ilay finoana miitsy no ohatran'ny tsy azotsika! --->izay mino sy atao batisa no hovonjena! finoana an'i jesosy kristy io fa tsy ny finoana zavatr'hafa raha ny fahazaoko azy, raha mana-pinoana na de kely fotsiny ohatran'ny votsinampy aza hono ianao dia efa ahafahanao mamindra tendrombohitra izany;tsy ny finoan'ny hafa no ahavonjy anao!tsy azo raisina ara-bakiteny zany ilay fanontaniana fa raha tsy namaky baiboly mety tsy ho azo
28. xxx ( 05/02/2007 06:53)
mba valio amin'izay ary ilay fanontaniana voalohany be.
niryna:
Inona no tena hevitra mifono amin'io fitenenana io hoe minoa fotsiny ihany dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao?

sa tsy misy an'io akory :roll:
29. cutie ( 05/02/2007 14:37)
Miandry ny hevitry njy ky ny olona a

ka za nge efa namaly e :wink:
30. prime ( 05/02/2007 15:20)
Fanamarihana kely fotsiny :
Ny hoe \"minoa fotsiny ihany...\" dia Kristy no niteny azy tamin\'ilay Mpanapaka ny Synagoga raha nilazàna ity farany fa maty ny zanany vavy...

\"Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona* izy.[*Gr. voavonjy]\" Lioka 8:50

Ny hoe \"... hovonjena ianao sy ny ankohonanao\" dia i Paoly sy Silasy no niteny azy tamin\'ireo mpiandry fonja saiky hamono tena noho ny tahotra ny Governora tao Rôma ka nanatonany azy roalahy hoe inona ary no hataonay...

\"Dia hoy izy roa lahy: Minoa an\'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.\" Asan\'ny Apostoly 16:31

Noho izany, anton-javatra roa samihafa no nisehoan\'ireo Teny ireo...

Fa raha ny hevitro dia tsy noho ny finoan\'ilay zanaka vavy ny nananganan\'i Kristy azy t@ maty fa noho ny finoan\'ilay Rainy...

Toy izany koa ny finoan\'ireo efadahy nitondra marary teo amin\'i Kristy ka nampidirina teny an-tafon-trano noho ny hamaroan\'ny olona... fa sitrana ilay marary tsy noho ny finoan\'ilay marary fa noho ny finoan\'izy efadahy...

Fa ny mikasika ireto mpiandry gadra indray dia sady nandray ny finoana sy ny famonjen\'i Kristy izy ireo noho ny asan\'Andriamanitra t@ Paoly sy Silasy no sady nitory teny t@ tao an-trano rahateo... izany no antoka nilazàn\'izy mirahalahy (Apostoly) fa ho voavonjy koa ny ankohonany...

Ka marina fa an\'ny tsirairay ny finoana sy ny famonjena, fa ireo tranga ireo koa no maneho fa mahavita fahagagàna ny finoana ka na ny ankohonana tsy voambara ho mino na tsy mino aza dia voavonjy noho ny herin\'ny finoan\'ny hafa...
31. niryna ( 06/02/2007 18:15)
Raha misy mpivady ka samy mino izy roa dia misy manana finoana ho azy ilay zaza raha mbola kely izy.Toy izany koa raha ny iray amin'izy mivady no mino,voatariky ny iray mino ny zanany.Raha tsy mpino izy mivady dia ireny teny ratsy variraraka eraky ny trano ireny ary misy olana eo amin'ny fiaraha-monina koa ilay zaza.Vokatry ny zavatra hiainan'ilay zaza.A/tra hono dia mitsodrano ny taranaka izay mino sy manaradia azy ary manozona ny taranaka izay tsy mino koa.Ao anaty baiboly io fa tsy hoe voatery hitovy ilay soratra ao aloha fa mialatsiny.Misy taranaka iray izay ratsy toetra ny rainy ary tena mampalahelo fa tapitra maty isan-taona izy mianakavy.Ozona io,tsy hoe manenjika aho a.
Raha misy olona iray izany ao an-tokantrano mino an'Atra dia hisy fanahy masina hiaro ilay tokan-trano noho ny finoan'ilay olona iray.Io olona mino io no mitalaho,mivavaka,miboredika miantso an'Atra andro aman'alina hanavontana ny fianakaviany.Izay no fahalalako ilay famonjena ho azon'ny fianakaviana.
32. prime ( 07/02/2007 06:16)
Ny finoana dia an'ny tsirairay tokoa, fa mitondra famonjena ho an'ny hafa koa nefa ny vavaka sy ny finoan'ny tsirairay...
33. hearty ( 09/02/2007 20:41)
Marinba lay fanamarihan'ny Prime etsy ambony fa teny roa samy hafa io nalain'ny niryna io .

Manaraka izany dia ny hoe "hovonjena ianao sy ny akohonanao" dia tsy midika fa zay zanaky nyolona mino an'ny Kristyrehetra dia voavo jy avokoa na firy taona na firy taona fa
raha mbola tsy afaka mino izy ( oh zaza , sns ) dia ny finoan'ny RAD no mahavonjy azy fa raha efa afaka mino kosa izy ( tsy hoe mivavaka no tiako lazaina hoe mino fa izay nandray an'i Jesoa ho toimpo sy mpamonjy ny fiainany ) dia safidiny ny ho voavonjy na tsia fa tsy miankina @ RADintsony ary eo no tena adidin'ny mpino sady mafy indrindra dia ny fitoriana ao amin'ny Jerosalema kely ao antokantrano ao fa ahoana moa no inoan'ny ao antokantranonao raha tsy nitory akory ianao ary tsy hita taratra akory eo amintsika lay hatsaran' i Jesoa ( filaminana , fahalemempanahy, fandeferana sns)
34. niryna ( 10/02/2007 04:48)
Toa mitovy ny tenenin'i prime ihany izany amiko.Satria ilay fahalalantsika azy no omentsika ny zanantsika.Isika no taratra voalohany indrindra na lehibe aza ny zaza.Matetika isika manome tsiny ny zaza kanefa vokatra avy aty amintsika ihany no hita taratra ao na tsy 100% aza.Rehefa misy olona mivavaka na rar izany dia mbola ho tonga foana ny fotoana fa tsy maitsy miverina iny zaza iny na efa ela aza.Ny antony dia efa nomen'Atra famonjena ny rainy na ny reny ary miheno ny fitarainany koa izy.(mivavaka ilay zaza mba ho voavonjy)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2238