CO-PROPRIETE

1. HESHA ( 02/02/2007 14:30)
Salama daholo dia tratry ny taona na dia somary tara aza izany !!!!!

Eto Madagasikara zany zao efa miroborobo ny resaka immobilier ka mba saika hanontany aho hoe inona no lalana mifehy ny copropriete ireny eto na ny any ivelany koa aza.
Resaka appartements io no tena mahaliana ahy.
Misaotra mialoha.
2. jefra ( 02/02/2007 16:20)
Dia samy manana nenazy fotsiny ka! Fa manana obligation am faritra ikambanana, ka toa tsy maintsy manangana komitin'ny mpiara-manana.
Io komity io no mitantana ny faritra iraisana sady manapaka ny asa tokony hatao, ary andraisan'ny rehetra anjara. Io koa no mamaha ny olana voisinage mety hisy.
Izay no kely fantatro.
3. fijo ( 03/02/2007 05:50)
izay fa mazava tsara ka
4. HESHA ( 03/02/2007 10:06)
misaotra am valinteny.
Fa inona avy no azo lazaina fa faritra iraisana am zay fotoana izay ?
Dia rehefa toy ireny, ohatra any ambony rihana ny appart-nao zany dia tsy mba manana anjara tokontany na zaridaina ve ianao ohatra ?
5. ds ( 04/02/2007 21:39)
Azo lazaina hoe faritra iraisana ny faritra rehetra (tokontany, rindrina, tafo, lalantsara, tohatra, trano ny mpiambina, lakandrano,... ankoatra izay ao anatin\'ny tranon\'ny tsirairay) tsy misoratra amin\'ny anaran\'olona iray.
Raha tsy misy fifanarahana mazava hafa, dia manana zo mampiasa ny faritra iraisana daholo ny tompontrano rehetra.
Samy mandray anjara amin\'ny fikolokoloana isan-karazany ny faritra iraisana.
6. fijo ( 07/02/2007 23:24)
efa voavalin'i DS io le fanontaniana ka
7. hery ( 07/02/2007 23:46)
Rehefa mividy ny anjaranao koa ianao dia tokony mazava tsara hoe aiza ny toerana itambarana. Mety efa voavidin'ny olona hafa mantsy ny toerana sasany. OHatra hoe ny terrasse dia novidian'ny olona any @ farany ambony sns.

Jerena tsara fotsiny ny contrat.
8. dongadonga ( 03/03/2007 15:21)
marina zany éh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.368