tsy mifidy asiana ny dahalo e fa matiny avokoa reefa .......

1. ravatorano ( 01/02/2007 10:35)
hitany fa be voal azony angalarina

ASAN-JIOLAHY. Tsy mifidy hasiana fa izay be vola dia fafazany
Havan’i Ben Laden matin’ny dahalo


--------------------------------------------------------------------------------

Vaovao nanaitra ny maro tokoa omaly ny nahafantarana fa nisy teratany vahiny novonoin’ny dahalo tany amin’ny faritra atsimo andrefan’ny nosy tany. Voalaza fa toa hoe havan’ilay olo-malaza amin’ny fampihorohoroana antsoina heo Ben Laden izy io. Saingy tsy mpikambana amin’ny Al Qaïda kosa izy, araka ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana taty aminay.

Samy efa namoaka ny vaovao avokoa ireo masoivoham-baovao vahiny manana solontena aty amintsika. Ary avy amin’izany aza no nahalalana fa fianakavian’i Ben Laden izy io. Tamin’ny alarobia maraina be tokony ho tamin’ny 1 ora dia notafihan’olona tsy latsaky ny 30 ity vahiny maty ity. Ny vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana ihany no nahalalana fa malaso izy ireo. Avy amin’izany loharanom-baovao izany ihany koa no nahalalana fa toa hoe ny tifitra niantefa taminy no nahafaty azy. Teo anelanelan’Ihosy sy Sakaraha no niseho ny fanafihana. Tsy voafaritra mazava tsara hoe taiza amin’ireo tanàna maro miorina manamorona an’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Azo lazaina fa dia manomboka eo Ilakaka ka hatrany Sakaraha dia maro ny tanàna miorina. Trano anisan’ny tena tsara tokoa. Ary rehefa mijery ianao dia ana vahiny mpividy vato sy mpitrandraka vato izy ireny.

Mividy sy mitrandraka vatosoa no ataon’ity vahiny ity eto amintsika. Izay tena antony nanafihan’ny dahalo azy dia azo halaina sary an-tsaina fa ny volabe sy ny vatosoa maro efa azony. Misy fomba fanaon’ireo vahiny rehefa hividy vato izy ireo. Tsy mitondra vola mandehandeha ry zareo any ambanivohitra lavitra any izay misy ny vatosoa. Tsy maintsy manatona tanàn-dehibe misy banky vao manao izany. Any no atao ny fandoavana ny vola dia samy miala avy eo. An-keviny ho tsy nahatandrina io zavatra io ity olona voatafika ity.

RS Midi madagasikara 01/02/2007
novalian'i Fiffi ny 03/02/2007 09:14
2. ravatorano ( 01/02/2007 10:43)
madagascar tribune 01/02/07


Monde des affaires • Les pierres précieuses

Un beau frère de Ben Laden tué par balle

Avec ce fait divers que constitue l'assassinat du beau frère du célèbre Ben Laden, Madagascar entre de plain-pied dans le monde du terrorisme international, qu'elle le veuille ou non. A preuve la demande du rapport d'autopsie émanant des autorités saoudiennes somme toute légitime mais qui fait planer un climat de malaise dans le pays.


Un homme d'affaires saoudien, beau-frère d'Oussama ben Laden, a été tué par balle par des inconnus à Madagascar, a annoncé sur une chaîne de télévision internationale son frère mercredi. Le décès de cet homme d’affaires est confirmé par de sources autorisées locales.
Jamal Khalifa, qui travaillait dans le commerce des pierres précieuses dans le Sud de l’île, a été tué par une bande armée d'une trentaine de personnes qui se sont emparées de son argent, de sa mallette et de son ordinateur portable.
Plus simplement, « les assaillants ont volé toutes les affaires de Khalifa », a précisé son frère, rapporte la source internationale de l’information.
Jamal Khalifa a séjourné dans la localité de Sakaraha (sur la route nationale 7), province de Tuléar. Il serait propriétaire d’une carrière sinon un négociant de pierres précieuses, donc un habitué des lieux. Mais des bandits l'ont tué, emportant des documents et d'autres biens.
D’après son frère Khalifa, cet opérateur saoudien n'entretenait aucune relation avec Ben Laden, bien qu'il soit un beau-frère par alliance du chef d'Al-Qaïda. Quoi qu’il en soit l’assassinat provoque un certain malaise dans les relations entre l’Arabie saoudite et Madagascar.
De source étrangère, on apprend qu’un responsable anonyme cité par l'agence officielle SPA a indiqué que le ministère saoudien avait contacté les autorités à Madagascar par le biais de l'ambassade saoudienne en Tanzanie pour être informé des circonstances de ce crime et qu'il avait également demandé le rapport du médecin légiste.
Dès hier en fin d’après midi, le corps de la victime a été acheminé sur la capitale Antananarivo pour être remis aux autorités et confié aux représentants de la famille et aux autorités consulaires, semble-t-il.

3. ravatorano ( 01/02/2007 10:57)

Un beau-frèrede Ben Laden tué à Sakaraha


Un beau-frère de Ben Laden tué dans un cambriolage à Madagascar

Quel est le lien entre Madagascar et Oussama Ben Laden ? C’est son beau-frère. Selon la BBC, Jamal Khalifa, beau-frère du chef d’Al-Qaïda, habitait Majunga où il vient d’être victime d’un cambriolage meurtrier. De son vivant, Jamal Khalifa a toujours démenti avoir des liens avec les activités d’Oussama Ben Laden. Ci-dessous l’intégralité de la dépêche de la BBC en traduction libre.

Un beau-frère du chef d’Al-Qaïda, Oussama Ben Laden, a été tué au cours d’un cambriolage à Madagascar, selon des proches de la famille cités par la BBC.

Jamal Khalifa a reçu un coup de feu mortel au cours d’un cambriolage perpétré par au moins 20 hommes armés dans son domicile, selon son frère depuis l’Arabie Saoudite.

M. Khalifa explorait et vendait des pierres précieuses dans le pays et avait toujours récusé les allégations des médias sur ses présumées activités de financement des activités d’Al-Qaïda.

Les Etats-Unis accusent Ben Laden d’être le cerveau des attentats du 11 septembre 2001.

Ben Laden a été déshérité de ses biens par sa famille vivant en Arabie Saoudite, dont il est originaire.

Le frère de M. Khalifa, Malek Khalifa, a affirmé à l’agence Reuters qu’il y a très peu de détails sur l’incident. « Je ne pense pas que cet acte ait eu une motivation politique », précise-t-il à la télévision Al Arabiya.

La nébuleuse Al-Qaïda est accusée d’être liée à des groupes radicaux dans différentes parties du monde.




(Source : BBC)

Les nouvelles 01/02/2007
4. fijo ( 01/02/2007 22:07)
alao hofaty any fa manaratsy laza e
5. ravatorano ( 02/02/2007 06:23)
Fanafihan-dahalo
Olona roa ahiahiana ho namono ny zaodahin'i Ben Laden
Efa misy sahady amin'izao fotoana izao ny olona ahiahiana tamin'ilay nahafaty an'i Jamal Khalifa, zaodahin'i Ben Laden. Omaly ny razana no nalefa nody any an-tanindrazany.

Haingana dia haingana ny fivoaran'ny raharaha mikasika an' ilay fanafihan-dahalo nitranga tany amin'iny faritr'i Sakaraha iny tao Sahameloka, ny talata alina hifoha alarobia teo, ka nahafaty ny zaodahin'i Oussama Ben Laden, Jamal Khalifa.
Iray andro monja taorian' ny nisehoan'ny fanafihana mantsy dia voalaza, araka ny vaovao re teo anivon'ny zanadrimaraima-pirenena tany an-toerana, fa efa misy olona nosamborin'ny zandary, heverina ho nahavanona izany fanafihana izany. Lehilahy roa no fantatra fa eo am-pelatanan'izy ireo amin' izao fotoana izao ka anaovana famotorana mikasika ity raharaha ity.
Raha ny fanazavana azo, dia tsy latsaky ny 20 lahy teo ary nitam-basy ny ankamaroany no indray nanafika tao amin'ny trano nisy an'ity vahiny ity. Telolahy izy ireo, izay voalaza fa samy “saoudien” avokoa, no indray voatafika tamin'izany. Trano iray tao an-tanàna no nisy azy ireo. Tsy niray efitra tamin'ireo namany roalahy i Jamal Khalifa fa nitokana irery. Tao aminy no voalaza fa namantana ireo dahalo ary tonga dia nitifitra azy. Tao an-damosiny no niditra ny bala ary nivoaka teo amin'ny kibony, teo akaikin'ny foitrany. Voakasik' izany bala izany ny taova tao anatiny ka izay no nahafaty azy.
Nalefa nody
Ireo roalahy namany kosa moa, tafatsoaka avy hatrany raha vao nahare ny fanafihana. Saingy ny iray naratra voatifitra. Voa teo amin'ny tongony. Ilay faharoa no tsy naninona satria tafatsaoaka haingana teo am-baravaran-kely ary lasa niery nisitrika tany anaty lavaka fivarinan'ny rano.
Omaly ihany, ny nofo mangatsiakan'i Jamal Khalifa dia nalefa nody any aminy any Arabie Saoudite. Tonga teto Madagasikara naka ny nofo mangatsiakany ny fianakaviany, niaraka tamin'ny fiaramanidina manokana, “boeing 777 Saudi Arabien”, nentiny.
Tamin'ny 11 ora no nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato ny fiaramanidina haka azy ary tamin'ny 7 ora latsaka fahefany no niainga teo hamonjy an'i Arabie Saoudite. Nialohan'ny nitondran'ny havany ny razana hamonjy ny seranam-piaramanidina Ivato dia mbola nentina tao amin'ny hôpitaly HJRA Ampefiloha izy aloha nanaovana fandinihana akaiky.
Tamin'ny 2 ora sy 17 minitra izy no nigadona tao amin'ny hôpitaly ny fiara mpitatitra “minibus” nitondra azy avy tany Sakaraha. Adiny roa teo no nanaovana ny fandinihana azy tao amin'ny hôpitaly, izay vao nentina teny Ivato izy. Hatrany amin'ny toerana niaingan'ny razana ka hatreny Ivato, indrindra fa teto Antananarivo dia narahina mpitandro ny filaminana hatrany ny fiara nitondra azy. Teto Antananarivo moa dia nialohavan'ny fiaran'ny polisy ny fiara nitondra ny razana. Ary tonga nanatitra azy teny Ivato ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena Rahaingo Jacky sy ny lefitra voalohan'ny komandin'ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Raveloson.
Madio
Ankoatra ireo namana akaiky an'i Jamal, mpiray fihaviana aminy, indrindra fa ireo voatafika niaraka taminy, dia anisan'ireo tonga nanatitra ny razana sy nikarakara ary nanome voninahitra farany azy teny Ivato ireo mpino silamo teratany malagasy. Nosoritan'izy ireo mazava tsara tamin'izany fa madio i Jamal eo amin'ny fitondran-tenany, raha resaka Ben Laden no resahina.
“Marina fa fianakavian'i Ben Laden, izy. Saingy tsy niray petsapetsa taminy velively”, hoy izy ireo. Mpandraharaha izy ary ara-dalàna ny taratasy mikasika ny fahatongavany teto. “Tsy ho nijoro teo anoloan' ny razana ho hitan'ireo manam-pahefana malagasy velively izahay raha toa ka misy zavatra maizimaizina tao ambadik'i Jamal”, hoy ihany ireto mpino silamo malagasy ireto.
Noezahina moa ny nanamarina izay voalazan'ny mpino silamo izay teo anatrehan' ireo tompon'andraikitry ny polisim-pirenena. saingy tsy nety niteny izy ireo.
Ny asabotsy teo i Jamal no tonga teto Madagasikara, namantana tany Toliara avy eo ary dia izao nisy nanafika izao.

Vonoan’olona tsotra
Ny fanjakana malagasy moa izay nosoloin'ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena tena, Rahaingo Jacky, manoloana an'iny toe-javatra iny, indrindra teo anatrehan'ny fianakavian'i Jamal Khalifa, izay tonga naka ny razana, omaly, teto Madagasikara, dia nanambara fa hiezaka araka izay azony atao hikaroka ireo dahalo nahavanona iny loza iny.
Nosoritan'ny avy tao amin'ny zandarimariam-pirenena fa amin'ny raharaha fanafihana sy vonoan'olona no itondrana ny famotorana atao amin'izany. Tsy misy idiran'ny raharaha Ben Laden velively.
Nanamafy izany ihany koa ny avy eo anivon'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny, araka ny vaovao nangonina teny anivon'ity minisitera ity, fa toy ny raharaha asan-dahalo rehetra iny raharaha iny. Tsy misy resaka politika sy resaka diplomasia. Efa manao ny asany amin'ny fikarohana ireo olon-dratsy ny mpitandro ny filaminana ary dia ho hita eo ny vokany.
Ireo niharam-boina niaraka tamin'i Jamal moa dia efa eny amin'ny toby Ratsimandrava amin'izao fotoana izao no napetraka. Ho fiarovana azy no antony, raha ny fanazavan'ny mpitandro ny filaminana.

Nirina Rakotoson
Date : 02-02-2007
L'EXPRESS DE MADAGASCAR
6. Fiffi ( 03/02/2007 09:14)
tena tsy mifidy olona marina....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.0904