Avocat madagascar tsy mahaloha hofa trano !!!!!!!!

1. xxx ( 01/02/2007 10:14)
fa ireny avocat ireny ve tsy be vola be e ! nefa misy amin ' izy ireny toa mikepoka ny hofatanon ' ny sasany fotsiny , tsy mba hoe hofa trano ray na roa volana no tsy voaloha fa efa mahery ny tapa taona , mahalala olona otrizany ve nareo nefa mba avocat ihany ny titre ????
novalian'i fijo ny 03/02/2007 05:47
2. kitjo ( 01/02/2007 19:11)
Za dia tena mahalala mihitsy

ny mampalahelo dia t@ olon-dehibe teo aloha ilay avocat no nifanaraka...

maty daholo ny ray aman-drenin' ireo ankizy ka zaza kamboty zany sisa no mitaky ny hofantrano, eo Avaradoha eo..

750000fmg angamab raha tsy diso aho ny hofan' ilay trano.
3 rihana ilay izy, ny an' ny mpanofa hafa rehetra efa nampiakarina daholo...izy tsy nanaiky mihtsy fa tsy mandeha hono ny aferany...dia nandefitra ireo ankizy..

Maka hofantrano ry zareo dia vola dimy arivo no omeny hoe iny hono aloha no azony omena nefa avy any Antsirabe le ankizy no miakatra maka hofantrano..

Tena amam-bolana maro tokoa fa tsy ray na roa!!

Dia saika hampiakatra fitsarana ry zareo dia rahonany fa izy hono no nanampy ny ray amandreny h@ zay sns
3. fijo ( 01/02/2007 23:30)
betsaka ny avocat no tsy mahaloa hofantrano na sahirana vao mahaloa.aty frantsa dia betsika ny toa izany ,ary be no fantatro fa matory ao amin'ny cabinet.
tsy mahagaga izany satria lafo be ny charge sns.
fa azo atao tokoa ny mitory azy,ary raha tena te ahita vokany,dia any amin'ny holafitry ny mpisolovava manao fitakiana voalohany.fa io no tena atahorana.
4. xxx ( 02/02/2007 10:00)
o ry kitjo a !!! mitovy mihintsy ny zavatra lazainao io , ny ahy indray lay trano hofain ' ilay avocat ao antsahabe io , 7 na 8 volana tsy voalohany ny vola efa mitetina 10.000.000 FMG . Isam bolana tsy ahitana vaovao na milaza akory hoe : miala tsiny fa izao sy izao , miletika fotsiny , matetika aza tsy heno mihintsy , izao moa zany nampiakarina ny rahara nangalana huissier , sy ankarina tribunal ... Aza mba manome trano azy ireny ¨oa !!! .
5. fijo ( 02/02/2007 11:16)
hanorato wa any amin'ny holafitry ny mpisolovava fa iny no tena atahorany satria iny hafaka manala azy tsy ho mpikamban aintsony.izany hoe tsy mahazo miasa intsony izy raha alana tao.
marina fa asa tsy mandeha izao io asa iray io.
6. HESHA ( 02/02/2007 13:58)
dia iza no hilatsaka hisolo vava ny mpisolo vava ????:(8O:lol:
7. xxx ( 02/02/2007 14:42)
o ry fijo a !!! inona aloha ty atao hoe "holafitry" ? mbola tsy enoko indray io .
8. kitjo ( 02/02/2007 20:29)
Ordre izany e...
ordre des avocats sa?
oh oe ordres des medecins na journalistes
9. fijo ( 03/02/2007 05:47)
izay indrindra.fa atao teny gasy e.ary ahoana ary izany tsy mahay teny gasy izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3297