Ny kely maso sy ny fivavahana

21. kitjo ( 02/02/2007 01:21)
Laza> fantatro ianao fa mahalala an' i SIngapore fa diso ianao k
Tsy dia mbola hainao izany fa miverena fa jereo fts io ivelany milahatra io fa tsy Expo Hall velively

tany Jurong East foana i City Harvest fa vao haingana vao nifindra Expo Hall....tsy hoe nifindra akory aza fa nampiana satria tsy mahazaka tsony ny tany Jurong East...

Ireo sary natao ireo tsy tao @ Expo Hall fa tao @ National Stadium fa tsy hahazaka ny olona velively raha Expo...(ilay any Jurong koa aza mbola ngeza noho i Expo)

Efa nolazaiko io ambony io oe National Stadium :)

Fa izany ve anefa ny adihevitra eto e? lol
22. LazaDaddy ( 02/02/2007 01:33)
Fa izany ve anefa ny adihevitra eto e?
Ny adihevitra eto? Mahonena ireo olona milahatra aman'aliny raha toa ka zavatra diso no ampianarina azy ireo. Fa mino aho fa ho hitany foana ny fahamarinana rehefa tena mitady izy fa tsy manaraka am-bokony. :)

Somary aviliko kely ny resaka fa mitovy ny hevitra tiako ambara:
ny olona nampianarina ny "evolution" koa dia mahonena tsy mahafantatra ilay Nahary. Anisan'izany isika, saingy rehefa tena nitady dia nahita ilay fahamarinana: "creation" :)
23. xxx ( 02/02/2007 08:52)
samy manana ny finoany ny oul , fa ny ahy aloha ny olona toy ireny tsy inoako mihintsy e!!!
24. kitjo ( 02/02/2007 16:25)
Za aloha dia mitatitra ny zavatra hitako
ary ny fahagagako ny amin' ny hoe misy maro an'isa kay Finoana hafa fa tsy bodista fts eto

raha namaky tsara ianao dia izay no tena antony nanokafako ilay hevitra...

Ny hoe diso na tsia...araka ny efa nolazaiko atsy ambadika dia tsy hitako aloha izay diso ary ny Fiangonana Kristiana rehetra eto no miara-misalahy @ fandraisana azy na dia ny City Harvest aza no tompon' andraikitra voalohany mifandray amindry zareo..

Iznay tsy milaza hoe tsy diso fa efa noteneniko tatsy ambadika hoe na izaho, na ianao, na iza na iza..tsy voatery ho marina daholo ny zavatra ambara raha tsy hoe fanahy iniana mihitsy...

Amiko dia henoiko daholo na iza na iza fa Tanako mafy fts izay tsara...kanefa dia samy manana ny tsarany koa io fa rehefa tsy mifanohitra @ Baiboly aloha dia izay..

Ilay mifanohitra tsy mbola hitako ary tsy nandresy lahatra ahy ny fandikana nataonao atys ambadika
25. niryna ( 03/02/2007 00:55)
Sarotra be ry ireto ny hitsara satria maro ny fivavahana milaza manaraka an'i kristy ary ny tena zava-doza dia ny anarany matetika no hitondrany azy.Tsy ho tapitra ity raha azavaina eto fa izao fotsiny ihany.Rehefa tsy mifanaraka an'i Jesoy kristy dia tsy izy izay.Jesosy tonga tato na ato am-potsika no misy fahamarinana fa ny miteny hoe efa tonga teto fanindroany izy dia diso tanteraka izany.Raha ara-nofy dia mino aho fa misy fanahy masina te-hampita zavatra aminao fa raha niteny izy hoe tany japon hoe tany amerika hoe ,tsy mbola fantatra izay ahatongavany hoy
Izy koa tonga aiza indray."Mitandrema ianareo hoy izy fa maro ny mpaminany sandoka.Na iza na iza no mitori-teny na miantso ny anaran'i Jesosy kristy kanefa tsy mifanaraka ny zavatra noteneniny dia tokony hiambina isika fa ny fanahy ratsy mampi-savoritaka ny fanahitsika ka vao maika isika tsy mahafantatra ny marina intsony ary izay kely hananantsika indray no adino.:twisted::twisted:
26. prime ( 07/02/2007 07:01)
Misaotra anareo mampahafantatra...
27. niryna ( 09/02/2007 07:16)
Misaotra an'i prime koa izahay nampianatra zavatra betsaka anay:D:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5979