fitiavantena ve sa !!!!!!

1. xxx ( 31/01/2007 16:18)
Fa inona oa no mahatonga anareo vehivavy ( sasany ) mankahala na tonga dia tsy tia ny havambady fotsiny amin ' izao e !!! na hoe mbola tsisy disadisa aza teo aminareo , nefa maninona ny lehilahy tsy sarotiny @ havanareo na @ raintampo aminareo ?? itako fa toa miainga aminareo vehivavy foana ny fisian ' ny probléma , ahoana no mba hevitrareo ny amin ' izany ??? :-D
2. booboo ( 31/01/2007 17:31)
ny vy tsy mikatran'irery zany fa tsisy an'izany :

mankahala na tonga dia tsy tia ny havambady fotsiny amin ' izao e !!! na hoe mbola tsisy disadisa aza teo aminareo


3. chakkakkely ( 31/01/2007 18:41)
hita oa , matoa izy tsy tia misy antony ao , na mety hoe fihetsina na tsy aiko ataon le havan ny vady , fa au contraire aza ny vehivavy mihejaka ny mba ho tian ny havambady satria efa malaza loatra le fitenenana hoe rafozadoza sy vinanto tsivanina
4. koralie ( 31/01/2007 19:22)
Hita f'izany!! ny vehivavy mahavita mampandefitra ny havany ho an'ny havan'ny lahy. Ny lehilahy matetika no tsy mahalala afa-tsy ny azy.
5. jhouhlambout ( 31/01/2007 19:48)
6. andry08 ( 31/01/2007 20:00)
Mety ho safidy koa ny antony tsy hanambadiana.
7. unjila ( 31/01/2007 21:46)
tsy mbola xxx nanotany resaka pivady tsy miaramatory ihany ve io .efa reraka ny fiteny hoe ""ra-tiana ny vady ,rafoza -tsinjovy mandé "ry zareo ,hatr@ fahagola no tsy nifanarahany ny vhv ny havandralhl ko ,
8. fijo ( 01/02/2007 06:03)
marina io voalazan'i xxx io ka.misy avy dia alako fotsiny izao
9. ari.malala ( 01/02/2007 07:42)
ny zavatra hitako dia ny lelà no tena grav @ resaka havambady io! indd ka hoe somary avy any ambanivohitra izay ilay havanle vhv tena grav mintsy! misy hatramin'ny hoe tys mahazo mankany @ salon fa mandoto trano, za ef anahita cas ohatran'io!
10. xxx ( 01/02/2007 10:06)
Fa na izany kosa aloha misy fitiavantena kely ny @ vehivavy e !! maninona no sitra po nareo foana no arahina @ lafiny rehetra , io koa itako fa miankina @ fitaizana e ! ra lay lehilahy somary famille famille ka raha lay vehivavy tsy tahaka izany ohatra dia tonga foana lay disadisa amin ' ilay vehivavy sy ny havan dralehilahy satria ra vehivavy mety be fialonana , nefa maninona ny lehilahy tsy dia manana izay fisainana izay ????
11. tsikikely ( 01/02/2007 12:27)
Misy ny fianakavian'ny lehilahy sasany tena atao hoe "crabe" aïe aïe aïe.
12. booboo ( 01/02/2007 12:53)
:-D
13. andry08 ( 01/02/2007 13:23)
misy koa ny miditra ao @ tokantranonao izao fotsiny ka raha tsy tia ilay vehivavy dia fiarovantenany koa io!
14. sitlo ( 01/02/2007 14:08)
15. Baovola2 ( 01/02/2007 23:19)
itako fa toa miainga aminareo vehivavy foana ny fisian ' ny probléma


vy tsy mikitrana irery e, matoa misy tsy milamina ao dia ny roa tonta samy misy azy :-/
16. fijo ( 01/02/2007 23:53)
ny vehivavy mihintsy no ratsy saina tia hitazona irery io ka
17. xxx ( 02/02/2007 10:25)
marina izany ry fijo a !! tian ' ny sipa ho azy irery ny vadiny dia ny reste allé daholo ; tsarovy anefa ry vehivavy fa enao anie mbola olona nalaina tery e !!!! na nikotina tary , fa ireo zokiny na zandriny , na ny mamany sy ny papany anie olona iray ra ireo e !!! ka enao mety mbola afaka soloiny fa ireo ray amandreny sy zoky zandry ireo tsy afaka soloina e !! , ka tokony samy tsy ampiseho toetra ratsy na ny andaniny na ny ankilany , fa matetika aloha asa na efa nentin drazana fa ny vehivavy foana no tonga dia miataka e !!! , tsy ny rehetra akory io fa 70 % izay daholo .
18. Fanambinana ( 24/02/2007 18:37)
SOLOINA? Angaha akanjo kosa ka azo soloina e? Raha tsy mahasara-dreny tokony tsy mbola hanambady. Fa na havan'ny vavy na havan'ny lahy rehefa tsy hain'ny mpivady ny mandanjalanja ny fifandraisana aminy dia hiteraka problemes foana.
IRAY ny mpivady ka izay havan'ny vavy havan'ny lahy koa. Raha tsy resy lahatra ny amin'izany dia aza manam-bady e. Izay tianao hatao amin'ny reninao dia ataovy amin'ny rafozanao, dia tsy hisy ny olana. Alao ao an-tsaina ny resaka Vinan-tovavy sy rafozam-bavy e. Izay dia MIFANKATIAVA tsara nareo ROA
19. sakaizakely ( 25/02/2007 07:32)
ary maninn anefa izao no manao xxx, manana toetra ratsy afenina angaha enao ?

io resaka faobe tsy misy fandalinana io no mahavoa anareo. Ny fiaraha-monina tsy mora ary isika malagasy diso be havana etsy havana eroa, sarotra be ny hifanaraka @ besinimaro tsy ankanavana, raha tsy de hoe tsy manana personnalité na caractère enao fa dia manaiky be fahatany fotsiny. Ny fifandonana tsy maintsy misy fa tsy hoe ny vinanto vavy foana no niandohan'io. Misy tena karazan'olona tia mila ady mifandrombo mianakavy dia ilay vinanto vavy no ianteherany. Le lhl indray amin'io donendrina tsy mahita ny tena misy dia ny vadiny no sesefany hoe hajao ny fianakaviako, nefa ilay fianakavian'ilay lhl no tena fositra. resaka tena hitako io tany Madagasikara. Any ianao tsy mba manantokatrano ho anao irery fa tsy maintsy zaraina @ havana, na tsara ireo na tsia. Miditra mivoaka eo daholo ny rehetra, mahita ny fiainan'ny mpivady tsy mba manana intimité intsony fa na adiady kely tokony ho vita mora aza rehefa misy spectateur dia lasa mihitatra be @ tsy mahay maka farany lasa misy fiantraikany @ mpivady.

Tsy ny vhv irery re no fototry ny tsy fifankahazahoana e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2161